Raha toa ka mavesatra sy mitambesatra ireo adin-tsaina Toa haningotr'aina Dia izao no tsarovy ary koa tadidio Tsy maintsy hisava io rahon'io Aza manaiky ho resy tsy miady na mivarilavo hivarina an-kady fa mitrakà! Satria vehivavy, satria lehilahy nomena hery sy tanjam-panahy Amboary ny saina Mazotoa tsy malaina Mbola hody ventiny izay natsakaina Tsy maintsy … Continuer à lire Tsy maintsy hamiratra
Auteur : rasamison
Nahoana loatra?
Andriamanitra ô, fa dia nahoana loatra Ity fiainana eto ity no mila hampitroatra Ny zaza sy zatovo mbola anaty hatanorana Lasa nodimandry, tsy nisy fierana Nandao ny tokantrano nihevitra hifaly Kinanjo tampoka eo, maty sy mijaly Indreo nidiran-doza, lavo tsy tafarina Andriamanitra ô, ambarao ny marina Tsy misy afa-miala fa lasana daholo Na zaza vao … Continuer à lire Nahoana loatra?
Hay sarimbavy
Indray andro izay nisy lehilahy iray sendra nifanena tamin'ny tovovavy teny an-tsena. Dia io fa nampiresaka sy mody nampihomehy Salama ianao ry tovovavy feno hatsaran-tarehy Tena kanto loatra Sady tsara voatra Tsisy azo kianina ny vatana sy bika Asa re raha mba afaka hiaraka ihany isika? Izaho aloha tsy tsara kanefa tena tara e Tsisy … Continuer à lire Hay sarimbavy
Vavak’i Mama
Iny zanako iny ry Tompoko malala Izay rehatra ataony, Ianao no mahalala Mba ampahafantaro azy re ny ratsy sy ny tsara Ka tsy haharendrika azy anaty zavatra voarara Mba tahio izy iny Tompo, n'aiza lalana hombàny Mahery loatra mantsy ny hetraketraky ny tany Ka ndrao dia ho solafaka hanenina hitomany Arovy re ny zanako mba … Continuer à lire Vavak’i Mama
Raha mbola velona
Raha mbola velona ny aina Dia tsy ho foana ny taraina F'izao foana atao an-tsaina Ny ho avy tsara no andrandraina Raha mbola misy ny maraina Manàna zavatra antenaina Mitsangàna aza malaina Ny herim-po no tena ilaina Raha mbola misy sombinaina Azonao karakaraina Miderà Ilay Tompon'aina Fisaorana Azy hirahiraina Rasamy
Mitaraina ny tany
Mitaraina re ny tany fa toa tsisy fiafarany izato kiaka sy tomanin' ireo very tanindrazana. Satria dia nogiazan' ireo mpangalatra daholo izay tany maitso volo, eny hatrany ambanivolo. Mody odiany tsy hita akory ireo vahoaka nanajary fa na tanety, tanimboly, taninkazo, tanimbary dia ampiasainy ny hafetseny ka bodoiny sy fefeny. Eny alainy ankitsirano. Azerany aza … Continuer à lire Mitaraina ny tany
Menatra aho
Menatra aho mahita ireto zanantsika fa na eto na any ampita, ka mba mahay taratasy dia tsy miteny malagasy. Hany ka mangasihasy ny Raibe sy Renibeny sadaikatra hiteny izay mba ao am-pony satria tsisy hainy intsony izay lazain'ireto zafikeliny. Mantsy hafa ny fiteniny. Menatra aho mahita izato tanindrazantsika mahantra farahidiny mizaka izato ngidin' ny fitiavan-tena … Continuer à lire Menatra aho
Maty vao Ramalala
Mahagaga anaka, fa iny olona iny dia lazainy ho tsisy tsiny fa tsara tsotra izao rehefa lasana nandao. Hono feno fahendrena sy nahay nanetry tena, nahiratra aok'izany tamin'ny sehatra niasany. Lafatra ary koa nahay, tena niavaka izy izay. Nefa fony fahavelony toa tsy nisy akory henony izay zava-nolazainy sy ny mafy tao an-tsainy. Nataony hoe … Continuer à lire Maty vao Ramalala
Mahaleo tsy mba mankaleo
Ity lahatsoratra ity dia navoakako voalohany tao amin'ny Blog de Rasamy tamin'ny taona 2016. Averiko eto amin'ity bilaogiko amin'ny teny malagasy ity satria eto no tena mety aminy. Ny tarika Mahaleo no anisan’ny mpanakanto malagasy tsy mba mety lefy laza ary ankafizin’ny olona maro satria tsy mifidy taona, tsy mifidy saranga ary miandahy miambavy. Ity … Continuer à lire Mahaleo tsy mba mankaleo
Ny fasana eto Imerina, fantatrao ve ?
Ity lahatsoratra ity dia vokatry ny fikarohana fohy manokana tamin’ny boky sy lahatsoratra isan-karazany, sy avy amin’ny resaka nifanaovana tamin’ny olon-dehibe teny ambanivohitra ary nohon’ny zavatra hitan’ny masoko ihany koa. Manasa anao ary hamantatra ny momba ny fasana sy ny fanamboarana azy eto Imerina. Ny Fomban-drazana isan-karazany Amin’ny ankapobeny teo amin’ny malagasy teto Imerina dia … Continuer à lire Ny fasana eto Imerina, fantatrao ve ?








