Maro ny olona leiroa, tsy mionona amin'izay hananany Fa ny harena nangalariny, heveriny ho fahasambarany Tsy tsaroany fa ny ataony dia ho voasoratra ho tantarany Ary ny tantara izay natombony dia tsy maintsy misy farany Ny nenina leiroa tsarovy, tsy eo aloha hitari-dalana F'avy ao afara mba handatsa, tsy hananam-pitsaharana Mba tandremo ihany lahy ny toetra … Continuer à lire Harena mandatsa
Auteur : rasamison
Dada
Ilay andry fiankinana mitady vola misahirana mba hampitombo ny fananany sy hahatafita ireto zanany. Mpiteny sy mpananatra ary miezaka mampianatra. Tsy mba mikely soroka fa miasa sy mifofotra. Ka iny lasa isa-maraina mazoto tsy malaina satria mamelona ankohonana tsy mody raha tsy mitatao vovonana. Dia lasa indray avy eo ny atoandro tsy tonga raha tsy … Continuer à lire Dada
Ray ô, misaotra
Ray ô, tsy haiko ny hangina, tsy hisaotra ny anaranao Nahatsiaro ho notahiana, ka tratr'izao anio izao Amin'ny foko manontolo, misaotra Anao ry Tompon'aina Fa feno dimy amby efapolo, izato taona raha isaina Be ny sakana nodiavina, teny an-dalana nombàna Maro koa fa tsy azo lavina, izany ditra sy hadalàna Nefa ianao ry Ray Tsitoha, … Continuer à lire Ray ô, misaotra
Voromby manidina
Mahay ny olombelona fa hainy ny mamelona sy mampiakatra an-danitra ity voromby maranitra. Manavatsava zavona dia lasana nanjavona. Ny rahona aza ambany ka takona ilay tany. Dia lasa teo ny saiko vitantsika ny mibaiko nanova sy namorona ity Vy ho lasa Vorona. Manidina any ambony tsy tazana intsony ka moa tsy poa toy izay … Continuer à lire Voromby manidina
Soa fa teo i Neny
Soa fa teo i Neny, ilay nampianatra niteny, sy nitondra am-bohoka, nandady sy niankohoka, nivavaka ho an-janany, sy ny ho avin'ny taranany. Tsy mahalala vizana, fa feno fikirizana. Ka na ora fahafiry koa, na ora fahafiry, na andro mahamay na hatsiaka hamirifiry, dia tsy manaiky kivy fa mitsangana mikiry. Raha iny misy fanaviana, na anaty faharariana, … Continuer à lire Soa fa teo i Neny
Mikiriza hatrany
N'inona n'inona efa lasa, s'izay kinendrinao anio N'inona ihany koa kinasa dia izao no tadidio Ny olona tsy maintsy hiteny, na ho tsara na ho ratsy Tsy ho voasakanao ireny, f'avadiho hanjary vatsy Mba ho vatsy enti-miady, fa tsy hampialangalana Ka n'inona n'inona mianjady, dia tohizana ny lalana Hisy foana hafa fijery, hitsikera sy hanakiana Ireny indray no ataovy hery, handresenao … Continuer à lire Mikiriza hatrany
Ianareo mpifosafosa
Dia lasa indray nareo fa hifosa tsisy farany Izay fosainareo aloha dia miova koa ny anarany Raha tsy anaram-biby dia anarana mandatsa Mbola ho avy ny anareo ny vava tsy omby patsa Ny olona malaza ataonareo mahita angano Io "bandy" io mpampirafy e, mpandao tokantrano Io "sipa" io indray lazaina fa hoe mpangala-bady Sa ny anareo no … Continuer à lire Ianareo mpifosafosa
Mitondra faisana
Tompo ô, indro aho latsa-bava mivavaka aminao Mahatsiaro ho kely hery ka tsy hita izay atao Fireneko efa mahantra, tsy mety ho tafarina Injao voadona indray, mandady raha ny marina Te hiantsoantso mafy aho, miangavy mitalaho Ity Rivo-doza ity re, aok'izay raha azo atao Manimba sy mamono, mandrava ny fananana Ny asa tsy mandeha, mihidy … Continuer à lire Mitondra faisana
Vehivavy « faosika »
Taitra tampoka aho nahita izato bika sy tarehy Kanjo hay tsy natoraly fa dia zary mampihomehy "Faosika" ny volomasony, lokomena be ny molony "Faosika" ny hohon-tanany sy izato lokom-bolony Dia lasalasa teo ny saiko, vehivavy tsy mahalala onony? Asa angamba hatrany anatiny, "faosika" va re ny nonony? Dia sanatria va re ka "faosika" ihany koa 'ty … Continuer à lire Vehivavy « faosika »
Tera-bitro
Nareo efa mahantra, tsy maha-te hiantra satria tsy hay tenenina, fa manao bemarenina. Efa lazaina foana, mila ho mandavantaona, hoe aok’izay ilay zaza, fa tena tsy sahaza. Dia indreo mikiry hatrany, manao zaza ihany, lasa tera-bitro, tsy mitsinjo ny ampitso. Miteratera-poana, efa ho isan-taona, nefa ny eo tsy vanon-ko olona, tsy mety mamololona. 'Nareo tokony … Continuer à lire Tera-bitro






