Endrey izany hafaliakoTò indray ny faniriakof'ilay zanako vavy,izay nandao ny mpianakavy,nianatra ivelan'ny Madagasikara,no indro ankehitriny nahavita soamantsara izato fianarany.Tontosa hatramin'ny faranyFaly aho tena faly Tsaroako ho toy ny vao omalyizy notsofiko rano,ny masoko nanganohanoManko aho niahiahy ny amin'ny fiainany any andafyLavi-dray sy reny ka mety hihafiafy Hipetraka irery any an-tanin'olonaKanefa dia nifofotra, nianatra, nitolonaTsy nivarilavo fa nahay nifehy … Continuer à lire Nahavita fianarana
Auteur : rasamison
Fahirano
Mbola tsisy re ny rano e!Mafy ny iainana ao an-trano Ianao maraina vao mifoha Mihevitra hanasa lohaNa ny hariva handeha hatoryTsy afaka misasa akoryEny, tsisy rano foana e!Efa mampiteny moanaSady tsy ny rano ihanyNy jiro koa dia toy izany Tapaka isan'andro izaoEfa zary mankalao Tena leo ny vahoakaMisy mihitsy ny mivoakaHitokona an-dalambeManantena hisy handreHita mihitsy hoe te … Continuer à lire Fahirano
Atidoha
Io atidoha io natao ampiasainasy kolokoloina ary koa karakarainaManko misy olona kamo hampiasa loha fa dia arahiny anjambany avokoa izay lazain'ny hafa na diso io na marinaManarakefa foana, moramora avarinaMisy ireo zatra mitranondri-dava tia misitrisitrika sy manakom-bava Misy ihany koa ireo zary lasa adalanoho ny fidorohana daina tsy ankialadia foana teo ny saina mahaizy azyTsisy … Continuer à lire Atidoha
Afaka baka
Afaka ialahy Izaho tsy mba nanahyfa nino avy hatrany hoe izany "Baka" izanyho azon'ialahy mora foanaMandeha leisy ny fotoana Bakalorea sahady ilay zaza nandadynanahirana ahy sy nenyNitombo vetivety tenyFaly aho leisy faly afa indro izao nivalyny ezaka nataoNahazoana vokatra "Tsara" toy izao Rasamy
Mianara
Raha nahantra ianao vao terakaSendra ray sy reny rerakaNefa kosa na izanyMba mandia sekoly ihany Dia ifikiro ny fianarana F'io ihany re no lalanaHanovozam-pahalalàna Tsy ho andevom-pahantrana Ianao no hanova ny tantara Koa mianara re mianara Rasamy
Fetiko
Fetiko androany Faly aho arak'izanyEny e, toy izany foana Rehefa tsingerin-taonaZara aza velon'ainaRavo ery ny sainaManko ho avy ny oraHo faty moramoraToy ny olona rehetra Satria dia manam-petra Ny fiainana eto an-tanyTsisy ho doria izanyKoa anio aloha mifaly Rahateo aho tsy mijaly Dia misaotra mialohaMankasitraka eram-poAmin'ny firarian-tsoa Rasamy
Mihatsaravelatsihy
Ny hevitra rey olona mety tsy mitovyNefa dia tsarovy fa na zovy ianao na zovyno tsy mitovy hevitra amiko,dia ny hevitrao fotsiny anie no tsy lanikoNy tenanao kosa tsy ataoko ho fahavaloSanatria izany, isika tsy dahaloka handeha hifamono na koa hifandratraSamy manohana ny heviny arak'izay tratraNefa mifanaja sy mahay mifankatiaTsy izany no atao hoe mihatsaravelatsihy … Continuer à lire Mihatsaravelatsihy
Modimody
Jereo tsara namanafa misy anie olona mody hoe tsy mananaNa ny paoziny aza tsy dia manaitra loatraModimody fanina toy ny tsy mivoatraNefa ry zareo any amin'ny banky anyManam-bola be tsy misy toy izanyTsy misehoseho nefa be harena Mody tsy miteny sy manetrinetritena Fa any ho any koa, tsarovy re ry akamaMisy olombelona mahay fahagaganaTsy be vola … Continuer à lire Modimody
Hala-bato
Tabataba tato atoMisy hono ny hala-batoTamin'ny androm-pifidiananaEny, toa ifaninananaNy miteny an-gazety Mitantara ireo tsy metyNy ankilany sy andaniny Mifampilampila vaninyTsy hita intsony izay marinaSamy milaza ho nangalarinaNa izany na tsy izanyTena mahavariana ihany Raha mpanohitra indrayIzay voaporitra hatrizay Nogejaina tsy miatoNo afaka hangala-bato Rasamy
Tohizo
Na ahoana na ahoana Tsarovy misy foana ny olona tsy tia,tsy mba hankafyny zava-bitanao.Tsy tiany tsotra izaoNy antony tsy hayfa izy efa izay.Aza mivaky lohana mararirary fofa ny lalanao no zoryAza raharahiana akory. Tsarovy etsy andaniny Misy ihany koa ny mahita maminyMahazo fifalianaMety tsy miteny fa mankafy manginany tsara ataonaoNa aza tsy avoakany ny ao ampony aoKoa aza … Continuer à lire Tohizo









