Fetiko androany Faly aho arak'izanyEny e, toy izany foana Rehefa tsingerin-taonaZara aza velon'ainaRavo ery ny sainaManko ho avy ny oraHo faty moramoraToy ny olona rehetra Satria dia manam-petra Ny fiainana eto an-tanyTsisy ho doria izanyKoa anio aloha mifaly Rahateo aho tsy mijaly Dia misaotra mialohaMankasitraka eram-poAmin'ny firarian-tsoa Rasamy
Auteur : rasamison
Mihatsaravelatsihy
Ny hevitra rey olona mety tsy mitovyNefa dia tsarovy fa na zovy ianao na zovyno tsy mitovy hevitra amiko,dia ny hevitrao fotsiny anie no tsy lanikoNy tenanao kosa tsy ataoko ho fahavaloSanatria izany, isika tsy dahaloka handeha hifamono na koa hifandratraSamy manohana ny heviny arak'izay tratraNefa mifanaja sy mahay mifankatiaTsy izany no atao hoe mihatsaravelatsihy … Continuer à lire Mihatsaravelatsihy
Modimody
Jereo tsara namanafa misy anie olona mody hoe tsy mananaNa ny paoziny aza tsy dia manaitra loatraModimody fanina toy ny tsy mivoatraNefa ry zareo any amin'ny banky anyManam-bola be tsy misy toy izanyTsy misehoseho nefa be harena Mody tsy miteny sy manetrinetritena Fa any ho any koa, tsarovy re ry akamaMisy olombelona mahay fahagaganaTsy be vola … Continuer à lire Modimody
Hala-bato
Tabataba tato atoMisy hono ny hala-batoTamin'ny androm-pifidiananaEny, toa ifaninananaNy miteny an-gazety Mitantara ireo tsy metyNy ankilany sy andaniny Mifampilampila vaninyTsy hita intsony izay marinaSamy milaza ho nangalarinaNa izany na tsy izanyTena mahavariana ihany Raha mpanohitra indrayIzay voaporitra hatrizay Nogejaina tsy miatoNo afaka hangala-bato Rasamy
Tohizo
Na ahoana na ahoana Tsarovy misy foana ny olona tsy tia,tsy mba hankafyny zava-bitanao.Tsy tiany tsotra izaoNy antony tsy hayfa izy efa izay.Aza mivaky lohana mararirary fofa ny lalanao no zoryAza raharahiana akory. Tsarovy etsy andaniny Misy ihany koa ny mahita maminyMahazo fifalianaMety tsy miteny fa mankafy manginany tsara ataonaoNa aza tsy avoakany ny ao ampony aoKoa aza … Continuer à lire Tohizo
Beantitra
Rahatoa ka beantitra ny ray na reninaoNahazoazo taona ka reraka izy izaoLasa mareforefo sy mararirary azaSady mihamiverina manao fisainan-jaza Atao ahoana moa f'izay ilay eto an-tany Tsy misy olombelona ho tanora foana izanyNa ianao koa aza ho antitra toa azyKoa tiavo foana izy f'aza raisina ho sazy Ny tranon'ny beantitra, eny mety ho tsaraFa olo tsy … Continuer à lire Beantitra
Hafahafa
Hafahafa re ny fiainana Mahalasa ny fisainana Fa fony isika noharianaZazakely nahavarianaOlombelona vao teraka Niboridana tanteraka Nony injay mihalehibeMiasa mafy ery mandehaMikatsaka etsy sy eroaMiketrika mivaky lohaMba hanangona harenaSy fahalalàna sesehena Nefa avy eo ho faty indrayK'zay voahangona hatrizayTsy afaka entina akoryMandrakizay ianao matoryMody ho vovoka sy tanyKoa mahaiza miaina ihany Rasamy
Traikefa
Mijaly ireo tanora mba mitady asafa tsy raisin'ny mpampiasa. Manko hono ireny mbola tsy ampy traikefaHainy tsara anefa,fa ny olona rehetra dia mandalo an'izany Angamba tsisy mihitsy teto ambony tanyolona ka ampy traikefa avy hatrany, fa mianatr'asa alohaMiezaka mihatsara, miasa amin'ny foMivoatra miandalana lasa mihamahay Manao hadisoana dia mitsangana indray Avy eo vao ampy traikefa amin'izay Koa aoka … Continuer à lire Traikefa
Mikotràna
Ho anao ramose, ho anao koa madama,Ho anao tanora mpianatra na efa mikaramaRaha toa ka te hitandrina ny fahasalamana Ilaina hatrany hatrany ny mikotrana ry zamaTsy hoe indraindray fa atao fanao mazànaIsan'andro mihitsy e, ilay vatana tamànaNa andro mangatsiaka na midanika hafananaNy fanatanjahantena tsy asiana fandrarànaAtao toy ny sakafo feno ara-dalàna Na koa dia an-tongotra miainga eo … Continuer à lire Mikotràna
Tahotra
Io tahotra io ry namana no mahatonga antsika tsy hanana fahasahiana loatra Hany ka manjary tsy afaka mivoatra fa mijanona amin'ny toerana misy hatrizayNefa anie isika olona mahayNomena saina afaka hiady ihany koafa saingy ny tahotra no lasa mialohaManenika tanteraka ny fo sy ny atidoha.Io tahotra io tsarovy tsy maintsy misy hatrany Tsy misy olombelona tsy manana an'izany fa miavaka indrindra … Continuer à lire Tahotra









