Tao anatin'ny dia nataoko tao La Réunion nandritra ny volana febroary 2020 teo dia nisy ny fihaonana manokana tamin'ireo malagasy monina ao St Dénis. Fihaonana ara-koltoraly izy ity izay natao indrindra mba hampisehoana amin'izy ireo ny boky izay novokariko. Dia tsy inona akory izany fa ilay boky mirakitra ny tononkaloko mitondra ny lohateny hoe "Hafatra", … Continuer à lire Rediredin-dRasamy an-tsehatra tao La Réunion
Catégorie : Fampisehoana
Fampisehoana, lanitra mangamanga
Fampisehoana miavaka sy nahafinaritra no niseho tao amin'ny PLAZA Ampefiloha tamin'ny zoma 13 desambre 2019 lasa teo. Nanomboka tamin'ny valo ora alina mahery kely ny fampisehoana ary tsy nifarana raha tsy efa nipaika ny misasakalina. Ny FISA na Fianakaviana Sambatra moa no nikarakara ity fampisehoana ity. Nanafana izany fampisehoana izany izy dimy mirahalahy : Rija … Continuer à lire Fampisehoana, lanitra mangamanga
IST CHOIR, fampisehoana raitra tao amin’ny CCESCA
Ny IST CHOIR dia sampana antoko mpihira ao amin'ny Institut Supérieur de Technologie Antananarivo. Mpianatra ao amin'ity toeram-pampianarana ambony ity avokoa arak'izany no mpikambana ao aminy. Efa taona maromaro izao no nijoroan'ny IST CHOIR, ary nandritra izay fotoana nijoroany izay dia efa nisy ny fandraisany anjara amin'ny asa fitoriana an-kira isan-karazany na tany anaty fiangonana … Continuer à lire IST CHOIR, fampisehoana raitra tao amin’ny CCESCA
Gilita be
Tamin'ny alahady teo no natao ny fampisehoana Gilita be izay niarahan'ny mpanakanto marobe tao amin'ny Lapan'ny Kolontsaina sy Fanatanjahan-tena tao Mahamasina. Tamin'ny 3 ora no nanomboka ny lanonana ka nanao rodobe sy nifandimby niakan-tsehatra izy 18 mianadahy ary naharitra adiny dimy be izao izany. Araka ny anarana nomena ny fampisehoana moa dia ny gitara no … Continuer à lire Gilita be
Manoratra momba an-dRasamy i Voniary
Raha vao nivoaka ilay bokin-dRasamy dia nanoratra taty amiko i Voniary ny amin'ny mba faniriany hiresadresaka fa te hahafantatra ny momba ahy sy momba ilay bokiko izy. Ary dia nihaona tokoa izahay mianadahy, nitafatafa nandritra ny minitra maromaro tao amin'ny biraoko. Nahafinaritra ny fihaonana satria samy mpanoratra bilaogy moa no niresaka. Vehivavy tsotsotra mahafinaritra i Voniary … Continuer à lire Manoratra momba an-dRasamy i Voniary
Tononkalo an-tsehatra nataon-dRasamy teny Ambohidrabiby
Ato amin'ity pejy Rediredin-dRasamy ity dia misy sokajin-dahatsoratra izay miresaka manokana momba ireo fampisehoana an-tsehatra izay mitranga eto Antananarivo na any amin'ny toeran-kafa koa. Koa raha ny fampisehoana nataon'ny hafa aza moa tantaraiko eto, nahoana ny fampisehoana izay nataoko sy nokarakaraiko no tsy mba tantaraiko? Izany indrindra no nahatonga ahy nanao ity lahatsoratra ity ho anao … Continuer à lire Tononkalo an-tsehatra nataon-dRasamy teny Ambohidrabiby
Mahaleo tsy mba mankaleo
Ity lahatsoratra ity dia navoakako voalohany tao amin'ny Blog de Rasamy tamin'ny taona 2016. Averiko eto amin'ity bilaogiko amin'ny teny malagasy ity satria eto no tena mety aminy. Ny tarika Mahaleo no anisan’ny mpanakanto malagasy tsy mba mety lefy laza ary ankafizin’ny olona maro satria tsy mifidy taona, tsy mifidy saranga ary miandahy miambavy. Ity … Continuer à lire Mahaleo tsy mba mankaleo
Joseph d’Af tao Antsahamanitra
Taorian’ny Antsa an’i Kristy dia anjaran’ny Joseph d’Af indray no nanao fampisehoana tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo teto Antananarivo. Saingy tsy tao amin’ny kianjan’ny fanatanjahantena sy kolotsaina izany fa tao Antsahamanitra. Azo lazaina ho feno ny sehatra maintso tao Antsahamanitra. Ity lanonana ity moa dia nokarakarain-drizareo avy ao amin'ny Sampana Foibe Tanora Kristiana METM. Aorian’i … Continuer à lire Joseph d’Af tao Antsahamanitra
Antsa an’i Kristy, tsotra nefa kanto
Amiko dia ny Antsa an’i kristy no anisan’ireo tarika ara-pilazantsara voalohany nanova ny fomba fihira sy fanao amin'ny asa fitoriana an-kira mba ho maoderina sy raitra teto Madagasikara. Izy ihany koa no nanomboka ny fanaovana fampisehoana ara-pilazantsara manara-penitra nahafeno kianja kanefa misy vidim-pidirana, toy ireny mpanakanto malaza rehetra ireny teto Antananarivo. Nanomboka teo dia betsaka … Continuer à lire Antsa an’i Kristy, tsotra nefa kanto








