Ny malagasy dia mizahozaho Rehefa handainga sy hanely tsaho Zava-tsy marina sy tsy mari-pototra No dradradradrain'ireo lava molotra Toetran'ny gasy efa hatramin'izay Ny valala misy, ny mpilaza mahay Na zavatra kely toa tsy misy fotony Hitariny lava ary koa sarangotiny Na dia angano sy resaka abobo Dia ireo koa fa latsaka anatin'ny vovo Ireto vahoaka efa … Continuer à lire Mpanely tsaho
Catégorie : Fiaraha-monina
Fiainana mampirediredy
Tsy hita izay ambara, fa toa maramara tsy mety miafara izato anjomaran' ny fifankahalàna sy ny hadalana ateraky ny fahantrana. Ka na ireo heverina ho manam-pahalalana aza toa mivarilavo tsy misy hatsarana, fa dia manao tsindrio fa lavo sy manamavomavo ireo izay efa lavo anaty fotaka mandrevo. Dia indreo fa manandevo sy toa revorevo amin'ny … Continuer à lire Fiainana mampirediredy
Ingahy minisitra
Izy ilay tary, tsotsotra sy mahia Niova ho be kibo sy bolangina ery Ilay fiara novidiany, folo taona izay Nosoloiny vaovao, notsiriritiny hatrizay Ny kaonty amin'ny banky, tsy nisy ny Tahiry Lasa volabe sy devizy makadiry Nandeha koa ranamama nitetitety tany Hatrizay ny vakansy dia Foulpointe ihany Raha sendra lasa lavitra dia tany Majunga Izao … Continuer à lire Ingahy minisitra
Mpivavaka miavaka
Isika malagasy dia vahoaka miavaka Ory hava-manana nefa tia mivavaka Feno ny fiangonana isak'alahady Fa bobaka ihany koa ireo mpisara-bady Indreo mitanjozotra, hivavaka am-piangonana Nefa ny ao am-pony, matetika fialonana Ry Jesosy Tompo ô vonjeo ny Taninay Nefa ao an-kelika ihany ny kibay Mba tahionao hono ireo olona mitondra Nefa antsoiny foana hoe : vendrana … Continuer à lire Mpivavaka miavaka
Ronono an-tavy
Teo eo ianareo tsy hita izay napoaka Toa variana nampijaly ny vahoaka Tsy eo indray vao misoratena ho anjely Nefa dia fangoloka tsy hita velively Naondrana daholo, ireo harena sarobidy Na volamena, na safira, hazo sy ny biby Eny hatramin’ny zaza amam-behivavy Nigalabona mihitsy ianareo mianakavy Ankehitriny, indreo fa very seza Na dia nihevitra hijanona … Continuer à lire Ronono an-tavy
« Kipipemty »
Isika malagasy aloha dia tena hafa mihintsy Raha hiteny ratsy dia tsy ankitsitsitsitsy Voatonona daholo ity zava-drehetra ity Ra- bory e, Ra-Lena e, ary "Kipipemty" Isika rehefa tezitra, dia manangam-bovona Tia miteny ratsy, sady tia manozona Ompa vary raraka, moa va tsy olon-dia? Tena mahasosotr'ahy ilay "Kipipemty" Misy kosa indray dia hafahafa tsotra izao Efa … Continuer à lire « Kipipemty »
Zanahary miangatra
Misy miaina am-pahasambarana Mihinana izay nisasarana Fa misy ny entim-pahazarana Lasa mangataka eny an-dalana Misy miadana aok’izany Tsara sakafo tsara Akany Fa koa mihamitombo hatrany Ireo farahidiny eto an-tany Misy afa-mivavaka ampiangonana Sy mamonjy ireo lanonana Nefa misy ankohonana Mbola mitrongy aloha vao homana Misy mianjaika toy ny anjely Raitra tsy hita velively Jereo anefa … Continuer à lire Zanahary miangatra
« JIRAMATY »
Dia maty indray ny jiro, tapaka ny rano Ny zaza mitomany tsisy farany ato an-trano Andreheto labozia re fa maizina izy izany Tsy hahita-mitsinjo hatrany an-tokontany Vizambizana e , torovana avy niasa Tonga ato an-tanàna, mailaka hisasa Kanjo kivikivy, io indray fa loza be Ritra anie ity rano, maina ny robinet Ny ankizy etsy andaniny … Continuer à lire « JIRAMATY »
Fesiboky fesiboky
A: Ity fesiboky ity ange ry zareo Miangavy mba avalona hatreo Tsy misy ilana azy io fa avelao Ny asa sy fianarana atao B: Mangina re ty vava akombony Ny toetra tsaranao koa tazomy Dia aza be sermona razoky F'izahay tena mirevy fesiboky A: Ka nareo anie toy ny adaladala Isan'andro eo foana fa tsy … Continuer à lire Fesiboky fesiboky








