Catégorie : Fiaraha-monina

Harena mandatsa

Harena mandatsa

Maro ny olona leiroa, tsy mionona amin'izay hananany Fa ny harena nangalariny, heveriny ho fahasambarany Tsy tsaroany fa ny ataony dia ho voasoratra ho tantarany Ary ny tantara izay natombony dia tsy maintsy misy farany Ny nenina leiroa tsarovy, tsy eo aloha hitari-dalana F'avy ao afara mba handatsa, tsy hananam-pitsaharana Mba tandremo ihany lahy ny toetra … Continuer à lire Harena mandatsa

Voromby manidina

  Mahay ny olombelona fa hainy ny mamelona sy mampiakatra an-danitra ity voromby maranitra. Manavatsava zavona dia lasana nanjavona. Ny rahona aza ambany ka takona ilay tany. Dia lasa teo ny saiko vitantsika ny mibaiko nanova sy namorona ity Vy ho lasa Vorona. Manidina any ambony tsy tazana intsony ka moa tsy poa toy izay … Continuer à lire Voromby manidina

Ianareo mpifosafosa

Ianareo mpifosafosa

Dia lasa indray nareo fa hifosa tsisy farany Izay fosainareo aloha dia miova koa ny anarany Raha tsy anaram-biby dia anarana mandatsa Mbola ho avy ny anareo ny vava tsy omby patsa Ny olona malaza ataonareo mahita angano Io "bandy" io mpampirafy e, mpandao tokantrano Io "sipa" io indray lazaina fa hoe mpangala-bady Sa ny anareo no … Continuer à lire Ianareo mpifosafosa

Mitondra faisana

Mitondra faisana

Tompo ô, indro aho latsa-bava mivavaka aminao Mahatsiaro ho kely hery ka tsy hita izay atao Fireneko efa mahantra, tsy mety ho tafarina Injao voadona indray, mandady raha ny marina Te hiantsoantso mafy aho, miangavy mitalaho Ity Rivo-doza ity re, aok'izay raha azo atao Manimba sy mamono, mandrava ny fananana Ny asa tsy mandeha, mihidy … Continuer à lire Mitondra faisana

Vehivavy « faosika »

Vehivavy « faosika »

Taitra tampoka aho nahita izato bika sy tarehy Kanjo hay tsy natoraly fa dia zary mampihomehy "Faosika" ny volomasony, lokomena be ny molony "Faosika" ny hohon-tanany sy izato lokom-bolony Dia lasalasa teo ny saiko, vehivavy tsy mahalala onony? Asa angamba hatrany anatiny, "faosika" va re ny nonony? Dia sanatria va re ka "faosika" ihany koa 'ty … Continuer à lire Vehivavy « faosika »

Tera-bitro

Tera-bitro

Nareo efa mahantra, tsy maha-te hiantra satria tsy hay tenenina, fa manao bemarenina. Efa lazaina foana, mila ho mandavantaona, hoe aok’izay ilay zaza, fa tena tsy sahaza. Dia indreo mikiry hatrany, manao zaza ihany, lasa tera-bitro, tsy mitsinjo ny ampitso. Miteratera-poana, efa ho isan-taona, nefa ny eo tsy vanon-ko olona, tsy mety mamololona. 'Nareo tokony … Continuer à lire Tera-bitro

Mba saino ihany leisy

Mba saino ihany leisy

Tandremo tsara leitsy fa ny mpametsifetsy mpangalatra sy mpanambaka dia tsy mba hiorim-paka ao aminy tsy akory ny harena izay voavory fa mandalo ihany ka any aoriana any dia mbola hitomany Mbola ho latsa-nenina satria izay nafenina tsy maintsy mbola hipoitra ary mainka koa hivoitra ka hiseho hivandravandra toy ny vay fa tsy mba tandra miseho … Continuer à lire Mba saino ihany leisy

Namana

Namana

Misy ny namana mody mba namana rehefa ao anatin'ny fahasahiranana fa vao nahita izay azo ihoriranana dia iny nilefa tsy hay nosakanana Misy tsy namana fa lasa namana ny fesiboky no mba ikambanana ka na tsy misy fifandraisan-tanana ifampizarana izay hevitra hananana Misy koa namana lasa tsy namana satria nanary tsikalam-pihavanana fa tsikalam-bola no lohalaharana dia indro nisaraka … Continuer à lire Namana

Mino tsotra izao

Mino tsotra izao

Avela hanakora izay te hanakora Fa hoe tsisy hono Ilay Andriamanitra Tsy mila porofo fa valiana mora F'isika dia mino Ilay Ray any an-danitra Avela haneso izay te haneso F'isika mijoro amin'ny finoana hatrany Ka ny fiderana tohizo, venteso Mba hanakoako any rehetra any Avela hanaraby izay te hanaraby F'isika tsy menatra miantso ny Ray … Continuer à lire Mino tsotra izao

Adalan-drongony

Adalan-drongony

Io andrakandrana io no nahalasa adala Tsy andro mahamay, tsy hatsiaka mamanala Fa isan’andro izao, mitady, tsy hamelàny Lasa miankin-doha hatrany anaty ràny Rehefa mahazo kely dia tena tia midaroka Rehefa tsisy indray, toy ny akoho voakapoka Ny kibo mosarena, tsy ampy ny hohanina Ny vatana malemy, ny loha fanimpanina Maso menamena, hozatra miridiridy Avy … Continuer à lire Adalan-drongony