Raha tianao ho tratra ny tanjona kendrena dia tsara ihany aloha ny manetrinetritenaTsy milazalaza izay zavatra hatao Miasa mangingina fotsiny amin'izaoRehefa hita fa mijoro izay nokasainavao tsara ambarambara sy azo tantaraina Ho gaga ny maro tsy mba nanam-poTsy mahalala akory izay nitranga nialoha Ho valalanina eny ireo ratsy sainaHangasihasy kely ho maina sy mangainaIanao kosa ho faly sady tena … Continuer à lire Aza miteniteny
Catégorie : Fiaraha-monina
Takaka
Ialahy vao mampiseho fiara tena raitraDia iny ry takaka fa tohana sy taitraNahoana hono ialahy no manan-karenaKanefa ny vahoaka mahantra mahonena Ialahy vao mampiseho sary mihinan-kaninaLazain-dry takaka fa olo tsy milaminaSatria hono any ho any misy olona kereDia tsy tokony hisy sary izany anaty Fb Ialahy mba mizara fahombiazana indray Hoy ry takaka hoe io miseho … Continuer à lire Takaka
Aza midaroka
N'inona n'inona ady eo amin'ny mpivady,na tezitra tanteraka,vinitra sy reraka,noho ny ataon'ny andaniny,efa mankaleo tsy hahitana maminy sy fafiny intsony,toy irony lasa mpifahavalo irony Dia fadio hatrany ny mikasi-tanana Aza tia midaroka vady re ry namana Tsy maintsy miadiady raha mpivady koa Ny disadisa izany misy hatrany moa Tsy maninona afaka miteny mafimafy Lazao ny ao am-po f'aza mihafihafy Fa ilay mamono sy mamely … Continuer à lire Aza midaroka
Taxibe
Lisany rehefa mandehadia mihevi-tena fa hoematanjaka sady lehibeMisetrasetra mareMibahana be eny an-dalanaMisongona anaty fiakaranaMifanenjika toa olona adalaNy hafa no mikisaka mialaraha tsy izany dia maty voadonaLisany avy eo tsy mifonafa mandositra lasa mitsoakaavy eo dia vonoin'ny vahoaka Fa mbola lisany ihany ilay tsy menatra mamanimanyeny an-dalana eny angamba tsy misy mpitenyTsy lazaina intsony ny lotosy ilay fofona … Continuer à lire Taxibe
Janoary
Fatratra ery nandritra irony fetyNiezaka nifaly sy nanao izay metyNividy akanjo tsara, niampy kilalaoMatsiro ny sakafo Noely Taom-baovaoTsy nisy toy izany ny vola nolanianaNatao izay nampifaly ny fianakavianaFa ny tena loza dia inona hoy ianao ?Janoary lavabe no indro miandry izaoVao miandoha ny taona dia misy fanahianaRaikitra amin'izay ny tena fitsitsianaMahalana eny sisa ny laoka … Continuer à lire Janoary
Firariana hafa
Arahabaina re ianaoNahatratra indray izato taona vaovaoIndro arahina tso-dranoHo foana amin'izay anie ny tsy fisian'ny ranosy ilay jiro tapatapaka efa tena nankaleoIreny rehetra ireny anie hifarana hatreoHo foana ihany koa irony fakobe ironyNy lalana aleha tsy hisy lavaka intsony Eny e tsy nofinofy akory izanyFa faniriana sesilanySatria dia vaovao tokoa ny taonaDia ny ariary anie tsy … Continuer à lire Firariana hafa
Masisosiso
Masisosiso ny olona miaina ao an-tranoManko tsy afa-mandro fa tapaka ny ranoFeno olona mamofona eny an-dalana enyMivoaboaka fofona ny elakelam-penyNy fofom-pofon-kelika tsy lazaina intsonyMainka koa miampy irony fofom-pako ironyMamofona Iarivo tanàna maminayAnkoatra ireo mpangetotra maimbomaimbo tay Dia zava-doza no hita an'elankelantrano anyF'Izay aleha rehetra mantsina amany Mifona re rey olona raha toa aho ka disoAleo hitady toerana … Continuer à lire Masisosiso
Toe-tsaina
Mahantra toe-tsainany olona variana mijanona sy miainaamin'ny zavatra efa lasaAry n'inona n'inona mety ho kinasadia ny tahotra indray no tonga mialohaTsy manam-pahasahiana, malemilemy lohaSady tsy mba vonona hianatra ihany koaMimenomenon-dava sy manaiky faharesena Lazainy fa devoly izay manan-karena Dia mialona ny namany mahita fandresena Toe-tsaina tsara kosany an'ireo tsy mialona, tsy tia mifosafosa Mifaly amin'izay azony omaly sy androany Miasa … Continuer à lire Toe-tsaina
Mpamadika
Misy tena misy ary maro ny mpamadikaTsy mahamenatra azy akory ny mivadikaamin'ireo olona nahatoky azy.Ataony ho toy ny tsisy na koa vazivazy,ny fifanekena niarahana nanao,fa dia ivadihany fotsiny am'izao.Hainy tena hainy ny mandangolangoTalentany ihany koa ny manao rapadangoHenjana izy ireny f'aza voany ihanyMandraingiraingy mihitsy, mila hitomany Misy tsy miahotra mamadika ny namanyRehefa injay mitady hisongona … Continuer à lire Mpamadika
Fiainana
Falifaly ery nahavita fianaranaDia iny fa mihevitra ny hanam-pitsaharanaKinanjo eo vao tazana indray manarangaranaFa tsy tapitra eo akory ny tohatra fiakarana Mainka aza kivy vao eo am-baravaranaHay eto vao hanomboka ny fiainam-pisasarana Kanefa izay ilay fiainana ry tanora namanaAza kivikivy fa tohizo izato lalana Ny revy sy ny ditra no aza ivalamparanaTiavo izay atao mba hahita fahasambarana … Continuer à lire Fiainana









