Catégorie : Fiaraha-monina

Masisosiso

Masisosiso

Masisosiso ny olona miaina ao an-tranoManko tsy afa-mandro fa tapaka ny ranoFeno olona mamofona eny an-dalana enyMivoaboaka fofona ny elakelam-penyNy fofom-pofon-kelika tsy lazaina intsonyMainka koa miampy irony fofom-pako ironyMamofona Iarivo tanàna maminayAnkoatra ireo mpangetotra maimbomaimbo tay Dia zava-doza no hita an'elankelantrano anyF'Izay aleha rehetra mantsina amany Mifona re rey olona raha toa aho ka disoAleo hitady toerana … Continuer à lire Masisosiso

Toe-tsaina

Toe-tsaina

Mahantra toe-tsainany olona variana mijanona sy miainaamin'ny zavatra efa lasaAry n'inona n'inona mety ho kinasadia ny tahotra indray no tonga mialohaTsy manam-pahasahiana, malemilemy lohaSady tsy mba vonona hianatra ihany koaMimenomenon-dava sy manaiky faharesena Lazainy fa devoly izay manan-karena Dia mialona ny namany mahita fandresena  Toe-tsaina tsara kosany an'ireo tsy mialona, tsy tia mifosafosa Mifaly amin'izay azony omaly sy androany Miasa … Continuer à lire Toe-tsaina

Mpamadika

Mpamadika

Misy tena misy ary maro ny mpamadikaTsy mahamenatra azy akory ny mivadikaamin'ireo olona nahatoky azy.Ataony ho toy ny tsisy na koa vazivazy,ny fifanekena niarahana nanao,fa dia ivadihany fotsiny am'izao.Hainy tena hainy ny mandangolangoTalentany ihany koa ny manao rapadangoHenjana izy ireny f'aza voany ihanyMandraingiraingy mihitsy, mila hitomany  Misy tsy miahotra mamadika ny namanyRehefa injay mitady hisongona … Continuer à lire Mpamadika

Fiainana

Fiainana

Falifaly ery nahavita fianaranaDia iny fa mihevitra ny hanam-pitsaharanaKinanjo eo vao tazana indray manarangaranaFa tsy tapitra eo akory ny tohatra fiakarana Mainka aza kivy vao eo am-baravaranaHay eto vao hanomboka ny fiainam-pisasarana Kanefa izay ilay fiainana ry tanora namanaAza kivikivy fa tohizo izato lalana Ny revy sy ny ditra no aza ivalamparanaTiavo izay atao mba hahita fahasambarana  … Continuer à lire Fiainana

Dada tsotra

Dada tsotra

Dada ô, fetin'ny Ray androanyArahabaina indrindra izany Dadako izanyIriko tena Iriko ianao mba ho salamaHo samy ela velona anie ianao  sy MamaMbola hifankatia sy hiaraka eny foanaKa na manao ahoana ny fandehan'ny fotoanaDia reharehanayHoe iny dadanayIny ilay nitaiza sy nikolokoloVizana tokoa efa fotsy voloTsy nikeky aina tamin'ny asa fivelomanaNahavita adidy tamin'ny ankohonana  Tsapanay ankizy ny … Continuer à lire Dada tsotra

Ny eto an-tanàna

Ny eto an-tanàna

Ny eto an-tanàna leisy tena hafa mihitsy Ialahy raha vao miteny tsy mitsitsitsitsyFa mananatranatra tanora mba ho hendry Dia tsy ampahafiriny hono fa mianakendry Eto an-tanàna ialahy raha toa manan-kataoDia misy mialonalona fotsiny amin'izaoLazainy fa mpangalatra, tsy manao ny marina Ny haren'ialahy indray no tiany angalarina  F'eto an-tanàna koa raha toa ialahy mahantraDia aza manantena hisy olona hihantraMainka ialahy … Continuer à lire Ny eto an-tanàna

Loza

Loza

Malaza tato atoheno tsy ankiatoilay resaka rongony Toa tsy voafehy intsony fa miparitaka tokoaraha ny feo heno etsy sy eroaTsy kely tsy lehibe raha ny hita sy ny re Ary tena efa malaza fa na ny mpianatra azadia betsaka no voa Iza loatra re no tena ati-doha? Mibizina mivarotra sady mamosavy Tsy mifidifidy fa miandahy miambavy Tandremo ry tanora Tsarovy fa tsy morany vokatra … Continuer à lire Loza

Tonokalon-dRado

Tonokalon-dRado

Isaky ny valabalaka, iny harivariva iny,Eo akaikiko tsy lavitra iny bokiny inyTononkalo tsara rindra, mifono hevi-dalinaVakiako  tsy miato rehefa injao mamantonalina Maro ireo mpihantsa, mpiventy toa azy Misy tena kanto, ao ny vazivazyFa hafa ihany hoy aho, fatratra mambaboTiako tena tiako ny tonokalon-dRado Rasamy

Pasipaoro

Pasipaoro

Eto Madagasikara dia mijaly ilay vahoakaKanefa raha mahita lalana hivoakaDia loza no manjoTsy moramora koaFa na ny pasipaoro aza sarotra alaina Mahavalalanina sy mahalasa saina Voaozona ary ve isika malagasy Aiza k'isaky ny mikarakara taratasy Dia mipenipenina mila hitomanyNefa anie rey olona ka n'aiza eran-tanyTsy olana mihitsy izany pasipaoro izany eTsy akory ilay izy hoe maimaim-poana Fa  vola be miala … Continuer à lire Pasipaoro

Vola sy fahalalàna

Vola sy fahalalàna

Raha toa ka be ny vola fa tsisy fahalalànaMety mora lavon'ny karazam-pilibànaRaha tsy voafehy aza matetika mazàna Lasa mivarilavo sy ratsy fiafarana  Raha toa ka tsisy vola sady tsisy fahalalàna Dia mazava hoazy fa tena fahantrana Mijaly anaty olana sarotra vahanaSady ambanian'ny  mpiray tanàna  Raha toa ka tsisy vola fa be ny fahalalànaMety ihomehezan'ny sinoa sy ny karanaLasa … Continuer à lire Vola sy fahalalàna