Catégorie : Mampihomehy

Malala-tanana

Malala-tanana

Ho avy indray ny fifidianana k’indreo malala-tanana tampotampoka eo. Mahay manambitamby sy mampiaka-peo ireto olona milaza hilatsaka hofidiana. Moa va tsy mahavariana? Toerana maloto tsy falehany hatrizay no indro ifanotofany tsidihina indray. Dia raisiny ny angady Na aza andro alahady Dioviny ny tatatra sy ny lalan-kely Izany ka filamatra sy olona modely Mihosona maloto ilay … Continuer à lire Malala-tanana

Mpisolelaka

Mpisolelaka

Rehefa miova ny Andriana dia miova koa ny Sata Na tiana na tsy tiana dia miova ireo Tandapa Misy ireo miala ka mangasihasy kely Fa misy indray mibontsina tsy hita velively Na izany na tsy izany dia tsy maintsy misy foana Tena mahavariana f’asa loatra re nahoana ? Ireo olona mamadika indray ny palitaony F’izay … Continuer à lire Mpisolelaka

Resak’adala

Resak’adala

Ny vavahady tompoko tsy atao fakana sary Fa fanidiana trano tsy idiran’olo-tsy manjary Ny any aminareo re no alefaso fesiboky e F’aza an-tanin’olona ianareo no misoloky Ny alikanay re tompoko, dia alika mivovoa Fa tsy hoe alikakely fakanareo vovoa Ny vovoa re tompoko dia zava-maniry e Sa tain’alika indray no ambolena mba hitsiry ? Ny … Continuer à lire Resak’adala

« Biometrika »

« Biometrika »

Hoy ny fanjakana hoe : antsoina avokoa isika Mba hanova « permis » ho lasa « biometrika » Isika tsy ambakan-drizareo avy any ampita Ary izany dia marihana ho toy ny zava-bita Dia iny fa nilahatra nandeha namikavika Nisy niari-tory, niandry karatra « majika » Faly ery avy eo nalaina sary indray mipika Kinanjo hay … Continuer à lire « Biometrika »

Soa ihany

Soa ihany

Tsaroako ery fahiny f’ianao ilay virijiny tsy nahalala akory izany hoe hiaraka hatory fa sarosaro-kenatra sy maotina aok’izany Moa va tsy toy ny anjely latsaka an-tany? Dia saikatra ny maro izay te mba hifangaro niezaka nambabo tamin’ny fony manontolo saingy dia indrisy fa nolavinao daholo Nitombo koa ny taona f'ianao tsy niova foana. Mainka aza … Continuer à lire Soa ihany

Fanatika

Fanatika

Aiza ianareo hoy ilay mpanao politika Indreto izahay hoy ireo fanatika Hiaraka hameno kianjabe indray isika Izahay efa vonona hoy ny fanatika Kabary lavareny dia arahina mozika Tena revinay izany hoy ny fanatika Na andro avy orana na andro mibaliaka Izahay ho avy foana hoy ny fanatika Raha te hahazo fahefana dia efa hainareo ny … Continuer à lire Fanatika

Te ho Filoha daholo

Te ho Filoha daholo

Hirotsaka filoha hono izy satria efa minisitra Misy koa hilatsaka satria hono artista Na ry pasitera aza efa ao anaty lisitra Mainka moa f’ireo efa nanao praiminisitra Hilatsaka ihany koa ny lehilahy avy any andafy Dia misy lahiantitra efa manan-jafiafy Dia misy koa vehivavy iray nitaingina sarety Ary ilay mpitsara vao nalaza vetivety Filoha amperinasa … Continuer à lire Te ho Filoha daholo

Maimbo helika

Maimbo helika

Malaza indray izao fa tao Tsimbazaza tao hono nisy maimbo helika nefa pelipelika tsy azo notenenina fa nanao be marenina. Nibosesika ihany ka namofona aok’izany tao an-dapa tsara be fivorian’ny depiote. Dia niakatra ny feo Mivoaha aloha nareo Roak’aliaka tsy ankitsitsy Tsy natao ho an’olombitsy fa mpanao gazety maromaro izay tsy tiany hifangaro. Satria lazainy … Continuer à lire Maimbo helika

Hay sarimbavy

Hay sarimbavy

Indray andro izay nisy lehilahy iray sendra nifanena tamin'ny tovovavy teny an-tsena. Dia io fa nampiresaka  sy mody nampihomehy Salama ianao ry tovovavy feno hatsaran-tarehy Tena kanto loatra Sady tsara voatra Tsisy azo kianina ny vatana sy bika Asa re raha mba afaka hiaraka ihany isika? Izaho aloha tsy tsara kanefa tena tara e Tsisy … Continuer à lire Hay sarimbavy

Toetra miafina

Toetra miafina

Misy hono eto Imerina vehivavy noheverina ho hendry sy mpivavaka, tsara toetra miavaka. Kanjo hay toa fositra tena mampandositra, satria ivelany ihany izato bika sy hatsarany. Fa ny ao anatiny ao aoka ambara tsotr'izao fa dia manalasala satria vehivavy adala. Toa anjely mielinelina hay vehivavy makorelina. Misy hono eto Imerina lehilahy mba noheverina ho modely … Continuer à lire Toetra miafina