Catégorie : Saina Miabo

Madio fo

Madio fo

Sambatra ny olona izay madio foTia ny ray sy reniny sy iray tampoTsy mihatsaravelatsihy,na modimody tia,fa tena mankamamy ny fifankatiavanaAkaikin'ny fon'ny namana sy havana Ny madio fo dia tsy misy fialonanaMiezaka hatrany amin'ny fiombonanaTsy tia miadiady,indrindra tsy mampiady,fa olona tsotra mandala fihavananaSady tia miantra tsy manosibohotanana Tsara saina izy sady liam-pivoaranaMahay mifaly sy mahita fahasambaranaamin'ny … Continuer à lire Madio fo

Miarahaba

Miarahaba

Miarahaba anao,nahatratra indray izato taona vaovao.Dia mirary soamba ho tanteraka avokoaizay rehetra faniriana.Mba ho feno fifaliana anieny andronao rehetra,ary koa tsy hanam-petrany fanomezam-pahasoavana avy amin'Ilay NaharyIndrindra ho salama tsy harary Ho ambinina ianaoamin'izay rehetra ataoHitombo koa ny harenaka hanan'amby mba homenaireo sahirana tsy manana.Hanjaka anie ny fiadananaeo anivon'ny ankohonana,sady ho feno fiombonana.Fiainana toy izanyno iriko … Continuer à lire Miarahaba

Hifarana

Hifarana

Andriamanitra o, hifarana ny taonaIzaho tsy mitsahatra misaotra Anao foanasatria dia betsaka ny zava-nokinasa,na tamin'ny ankohonako na tamin'ny orinasano tontosa soamantsaraNa nisy aza krizy teto Madagasikara. Misaotra indrindra noho ny fahasalamanaIsaraoko ihany koa ny amin'ny fahalalànasy fahaizana kely mba hitako nitomboAry ifonako izay mety ho romborombona adiady kely nisy indraindraysatria dia nofo sy rà ihany … Continuer à lire Hifarana

Tranoko

Tranoko

Jereo ireto tranokoTsy zavatra nindramiko,na koa hoe nangalariko,fa vokatry ny herimpo,sy fampiasana ati-dohaTsy sanatria fireharehanany fakana sary ireo tanàna, aseho anaty tononkaloTsy itadiavam-pahavalofa ho fanehoana fotsiny ihany hoe tsy nofinofy akory izanymanana trano anankiroa Fa rehefa miasa am-pinoana koadia mahazo vokatsoaIndrindra ho anao tanoraEkeko fa tsy moramorany miasa sy mitadyfa mivonòna hatrany hiadyAza mety ho kivikivy fa na misy … Continuer à lire Tranoko

Tiavo

Tiavo

Tiako ny tenakoNa mety misy nanenenakoaza izay mety ditrako,dia faly aho amin'ireo tsara efa vitakoTiako ny fiainakoAmboariko tsara koa ny fisainakoHahay hankasitraka izay ampelatanako,sy hahay hifaly amin'ireo fananakoIndrindra aho sambatra noho ireto zanakoTsy maintsy misy foana ny zava-mampanahyFa tiako koa ireny fa mampijoro ahyIanao koa, manaova toy izanyRaha mbola nomeny tombon'andro eto an-tanydia mahaiza mifaly, … Continuer à lire Tiavo

Atidoha

Atidoha

Io atidoha io natao ampiasainasy kolokoloina ary koa karakarainaManko misy olona kamo hampiasa loha fa dia arahiny anjambany avokoa izay lazain'ny hafa na diso io na marinaManarakefa foana, moramora avarinaMisy ireo zatra mitranondri-dava tia misitrisitrika sy manakom-bava  Misy ihany koa ireo zary lasa adalanoho ny fidorohana daina tsy ankialadia foana teo ny saina mahaizy azyTsisy … Continuer à lire Atidoha

Afaka baka

Afaka baka

Afaka ialahy Izaho tsy mba nanahyfa nino avy hatrany hoe izany "Baka" izanyho azon'ialahy mora foanaMandeha leisy ny fotoana Bakalorea sahady ilay zaza nandadynanahirana ahy sy nenyNitombo vetivety tenyFaly aho leisy faly afa indro izao nivalyny ezaka nataoNahazoana vokatra "Tsara" toy izao Rasamy

Tohizo

Tohizo

Na ahoana na ahoana Tsarovy misy foana ny olona tsy tia,tsy mba hankafyny zava-bitanao.Tsy tiany tsotra izaoNy antony tsy hayfa izy efa izay.Aza mivaky lohana mararirary fofa ny lalanao no zoryAza raharahiana akory. Tsarovy etsy andaniny Misy ihany koa ny mahita maminyMahazo fifalianaMety tsy miteny fa mankafy manginany tsara ataonaoNa aza tsy avoakany ny ao ampony aoKoa aza … Continuer à lire Tohizo

Hafahafa

Hafahafa

Hafahafa re ny fiainana Mahalasa ny fisainana Fa fony isika noharianaZazakely nahavarianaOlombelona vao teraka  Niboridana tanteraka Nony injay mihalehibeMiasa mafy ery mandehaMikatsaka etsy sy eroaMiketrika mivaky lohaMba hanangona harenaSy fahalalàna sesehena Nefa avy eo ho faty indrayK'zay voahangona hatrizayTsy afaka entina akoryMandrakizay ianao matoryMody ho vovoka sy tanyKoa mahaiza miaina ihany  Rasamy

Mikotràna

Mikotràna

Ho anao ramose, ho anao koa madama,Ho anao tanora mpianatra na efa mikaramaRaha toa ka te hitandrina ny fahasalamana Ilaina hatrany hatrany ny mikotrana  ry zamaTsy hoe indraindray fa atao fanao mazànaIsan'andro mihitsy e, ilay vatana tamànaNa andro mangatsiaka na midanika hafananaNy fanatanjahantena tsy asiana fandrarànaAtao toy ny sakafo feno ara-dalàna Na koa dia an-tongotra miainga eo … Continuer à lire Mikotràna