Catégorie : Saina Miabo

Atidoha

Atidoha

Io atidoha io natao ampiasainasy kolokoloina ary koa karakarainaManko misy olona kamo hampiasa loha fa dia arahiny anjambany avokoa izay lazain'ny hafa na diso io na marinaManarakefa foana, moramora avarinaMisy ireo zatra mitranondri-dava tia misitrisitrika sy manakom-bava  Misy ihany koa ireo zary lasa adalanoho ny fidorohana daina tsy ankialadia foana teo ny saina mahaizy azyTsisy … Continuer à lire Atidoha →

Afaka baka

Afaka baka

Afaka ialahy Izaho tsy mba nanahyfa nino avy hatrany hoe izany "Baka" izanyho azon'ialahy mora foanaMandeha leisy ny fotoana Bakalorea sahady ilay zaza nandadynanahirana ahy sy nenyNitombo vetivety tenyFaly aho leisy faly afa indro izao nivalyny ezaka nataoNahazoana vokatra "Tsara" toy izao Rasamy

Tohizo

Tohizo

Na ahoana na ahoana Tsarovy misy foana ny olona tsy tia,tsy mba hankafyny zava-bitanao.Tsy tiany tsotra izaoNy antony tsy hayfa izy efa izay.Aza mivaky lohana mararirary fofa ny lalanao no zoryAza raharahiana akory. Tsarovy etsy andaniny Misy ihany koa ny mahita maminyMahazo fifalianaMety tsy miteny fa mankafy manginany tsara ataonaoNa aza tsy avoakany ny ao ampony aoKoa aza … Continuer à lire Tohizo →

Hafahafa

Hafahafa

Hafahafa re ny fiainana Mahalasa ny fisainana Fa fony isika noharianaZazakely nahavarianaOlombelona vao teraka  Niboridana tanteraka Nony injay mihalehibeMiasa mafy ery mandehaMikatsaka etsy sy eroaMiketrika mivaky lohaMba hanangona harenaSy fahalalàna sesehena Nefa avy eo ho faty indrayK'zay voahangona hatrizayTsy afaka entina akoryMandrakizay ianao matoryMody ho vovoka sy tanyKoa mahaiza miaina ihany  Rasamy

Mikotràna

Mikotràna

Ho anao ramose, ho anao koa madama,Ho anao tanora mpianatra na efa mikaramaRaha toa ka te hitandrina ny fahasalamana Ilaina hatrany hatrany ny mikotrana  ry zamaTsy hoe indraindray fa atao fanao mazànaIsan'andro mihitsy e, ilay vatana tamànaNa andro mangatsiaka na midanika hafananaNy fanatanjahantena tsy asiana fandrarànaAtao toy ny sakafo feno ara-dalàna Na koa dia an-tongotra miainga eo … Continuer à lire Mikotràna →

Tahotra

Tahotra

Io tahotra io ry namana no mahatonga antsika tsy hanana fahasahiana loatra Hany ka manjary tsy afaka mivoatra fa mijanona amin'ny toerana misy hatrizayNefa anie isika olona mahayNomena saina afaka hiady ihany koafa saingy ny tahotra no lasa mialohaManenika tanteraka ny fo sy ny atidoha.Io tahotra io tsarovy tsy maintsy misy hatrany Tsy misy olombelona tsy manana an'izany fa miavaka indrindra … Continuer à lire Tahotra →

Mazotoa

Mazotoa

Anaka, manàna fahazotoanaFadio ny hakamoanaamin'izay atao rehetraDia manàna tarigetraTiavo foana koa ny zavatra ataodia ho tsapanaofa any atoriana anymbola hody ventiny avokoa izanyNa mafy toy ny inona ny asa na fianaranaTsy kivikivy izany fa tohizana ny lalanaNy ho tafita hatrany no tanjona kendrenaHo azonao foana ny vola sy harenaDia tsarovy koa fa ny fiainana mandalo … Continuer à lire Mazotoa →

Zaro

Zaro

Zaro re ny vava hiteny zava-tsaraTeny mahasoa mitondra fitahianaF'aza ny ratsy foana no ambarambaraMainka mampitranga ny zavatra ahiana   Aok'izay ny hoe "izahay moa mba ho aiza"Ajanony koa ilay "izahay moa mavomavo"Zaro re ny hafa handre hatraiza hatraizaF'ianao mbola ho tafita fa tsy sanatria ho lavo Zaro re ny loha hahay hisaina ambonyTsy ho toy … Continuer à lire Zaro →

Mahaiza miaina

Mahaiza miaina

Mahaiza miaina  Tsy maintsy ho faty foana eTsy misy ho afa-mainaKoa andanio fotoanaIzay mampifaly saina  Ny sakafo hano tsaraIzay tiana atao ataovyTetezo i GasikaraNy akanjo soa anaovy  Toneo foana ny foDia mba mitsikia Miezaha manao ny soaMahaiza koa mitia  Rasamy

Aza be fanahiana

Aza be fanahiana

Betsaka ny olona manam-pikasànaManiry hanao zavatra any an-dohany anyKanefa indrisy feno fisalasalànaTsy ampy fahasahiana, manofy fotsiny ihany Maro no te hanana vola aman-karenaMipololotra fatratra ery ny fanirianaIndrisy fa tsy ampy ilay fahatokisan-tenaMiaina lalandava anaty fanahiana Manahy fa tsy hahomby ny zavatra ataoMatahotra ihany koa fa ndrao afa-barakaHany ka tsy miova f'isan'andro izao"Sao dia" sy "tahak'izay" no mahazo … Continuer à lire Aza be fanahiana →