Catégorie : Tanindrazana

Fahirano

Fahirano

Mbola tsisy re ny rano e!Mafy ny iainana ao an-trano Ianao maraina vao mifoha Mihevitra hanasa lohaNa ny hariva handeha hatoryTsy afaka misasa akoryEny,  tsisy rano foana e!Efa mampiteny moanaSady tsy ny rano ihanyNy jiro koa dia toy izany  Tapaka isan'andro izaoEfa zary mankalao Tena leo ny vahoakaMisy mihitsy ny mivoakaHitokona an-dalambeManantena hisy handreHita mihitsy hoe te … Continuer à lire Fahirano

Hala-bato

Hala-bato

Tabataba tato atoMisy hono ny hala-batoTamin'ny androm-pifidiananaEny, toa ifaninananaNy miteny an-gazety Mitantara ireo tsy metyNy ankilany sy andaniny Mifampilampila vaninyTsy hita intsony izay marinaSamy milaza ho nangalarinaNa izany na tsy izanyTena mahavariana ihany Raha mpanohitra indrayIzay voaporitra hatrizay Nogejaina tsy miatoNo afaka hangala-bato Rasamy

Kitoatoa

Kitoatoa

Isika malagasy dia hafa mihitsy kosaTia mangatangataka sy mitrosatrosaTsy olon-tsotra ihany f'indrindra fanjakana Mpitrosa volabe tena higaganaKanefa hiaraha-mahita indrisy hatramin'izaoBetsaka amin'ireo asa izay natao no fotodrafitrasa tsy misy kalitaoNy vola notrosaina, fa ny asa  alasafayMifona kosa re, tena aok'izayMampalahelo mihitsy ny manjo ny  firenena Ny hoavin'ny taranaka aleo re mba jerena eIo tandrametaka io zary mankaleo Mila hahakivy ny … Continuer à lire Kitoatoa

Lalan-tsarotra

Lalan-tsarotra

Mbola ratsy foana e iny lalana inyPotika ny fiara fa miala tsinyTsisy fiovana fa mainka ratsy beAdiny firy izao Tanà - Antsirabe Na ho any Mahajanga sy mihazo an'AntsirananaNa lalam-pirenena mizotra miantsinananaMijaly ny mpandeha hatrany ToliaryMaty an-dalana eny raha olona mararyTsy lazaina intsony ny mankany AmbovombeIlay lalam-pirenena natao resabeAiza ankehitriny irony fampanantenanaMijaly ny vahoaka re ry … Continuer à lire Lalan-tsarotra

Iarivon-jaoridira

Iarivon-jaoridira

Indrisy..., Iarivo feno fakoizao no re manakoako,anaty tambazotra any,miparitaka eran-tany.Asa rahoviana ihanyvao mba hisy fiovanaSimba mihitsy ilay tanànaNilaza izy fa hanadio rehefa lany soamantsaraIo Iarivontsika io ho ataony tsara karakara Raha toa ka sanatria, irony fako tsy voaroakadia aterina any an-trano f'izy hono tsy mitsoaka Kinanjo ..., hatreto aloha ny zava-bitadia fako no hiaraha-mahita,mameno ny isam-pokontany,hatrany … Continuer à lire Iarivon-jaoridira

Miharitra

Miharitra

Te hiteny mafy aho nefa dia tsy sahyAngamba any ho any marobe ny toa ahyManko indraindray tena tafahoatra Mila hahakivy sy mampitehitroatraNy zavatra mitranga eto amin'ny firenena Saingy mahatsiaro kely hery moa ny tena Dia aleo mijerijery sy mitazatazana enyTe hitabataba fa tsy afaka mitenyMainka loza ny manjoMahita ny nanaovana ireo nafana foNisy ny nigadra na maty mihitsy … Continuer à lire Miharitra

Fisainana bontolo

Fisainana bontolo

Fisainana bontolo Mampalahelo ny vahoakafa lasa izy mitsoaka vao manomboka mipoakany baomba sy ny basyTsy te hiady intsony ve ireto malagasyZary manaiky sisaHany ka manjakazaka iretsy vitsy an'isaManana ny hery sy ny fahefana Toa mitovy avokoa izay mahazo fitondrana Samy mampanantena fa hampandroso firenena Mahay mikabary tsy mihambahambaKanefa dia vonona hanao ampihimambany fahefam-panjakana Manao izay tiany atao amin'ny didy sy lalàna  Te … Continuer à lire Fisainana bontolo

Tsy tan-dalàna

Tsy tan-dalàna

Natao ho an'iza loatra ary moa ny lalàna? Manko mahavariana ny mitranga eto an-tanànaToa hafahafa foana ny didim-pitsaranaZary mitanila hatrany hatrany ilay mizànaSatria ireo mpangalatra akoho sy ganaganaAvy dia alefa any anaty figadrana Misy aza moa tsy meloka nefa dia tsy tana Fa ny varavaram-ponja no mivoha midanadana Kanefa etsy andaniny, matetika mazàna Misy tena misy ireo manam-pahefana Hita miharihary fa … Continuer à lire Tsy tan-dalàna

Nanenina

Nanenina

Zendana aho rey  olonafa misy ireo mpitolonatsy laitra noteneninafa nikiribiby sady be mareninatsy nety mba nanarina ery tamin'izanynidrikina mihitsy fa hoe iny ihanyno olona hanavotra an'i Madagasikara. Indrisy ankehitriny fa niova ny tantaraToa tsy fanatika intsony? Lotika tanteraka ny sainy sy ny fonyAiza ve leiretsy k'isan'andro injaoVavabe manenjika indray no henonaoFoana ilay fitiavana lehibe fahinyNivadika ho tsikera … Continuer à lire Nanenina

Gisitra

Gisitra

Ny tanora malagasy rehefa any ampitaToa tena hikoizana sady mahavitaMahagaga mihitsy fa kinga sy mahayTsy vao izao akory fa efa hatrizay Koa nahoana kosa eto MadagasikaraTakona tanteraka ny olona mba tsara Fa ory hava-manana, feno fialonana Nefa isan-kalahady mameno fiangonana  F'inona mihitsy ary no mahazo antsikaNy fiainana eto angamba no mety mampivika Mihatsaravelatsihy aby na ambony na … Continuer à lire Gisitra