Beantitra

Beantitra

Rahatoa ka beantitra ny ray na reninaoNahazoazo taona ka reraka izy izaoLasa mareforefo sy mararirary azaSady mihamiverina manao fisainan-jaza Atao ahoana moa f'izay ilay eto an-tany Tsy misy olombelona ho tanora foana izanyNa ianao koa aza ho antitra toa azyKoa tiavo foana izy f'aza raisina ho sazy Ny tranon'ny beantitra, eny mety ho tsaraFa olo tsy … Continuer à lire Beantitra

Hafahafa

Hafahafa

Hafahafa re ny fiainana Mahalasa ny fisainana Fa fony isika noharianaZazakely nahavarianaOlombelona vao teraka  Niboridana tanteraka Nony injay mihalehibeMiasa mafy ery mandehaMikatsaka etsy sy eroaMiketrika mivaky lohaMba hanangona harenaSy fahalalàna sesehena Nefa avy eo ho faty indrayK'zay voahangona hatrizayTsy afaka entina akoryMandrakizay ianao matoryMody ho vovoka sy tanyKoa mahaiza miaina ihany  Rasamy

Traikefa

Traikefa

Mijaly ireo tanora mba mitady asafa tsy raisin'ny mpampiasa. Manko hono ireny mbola tsy ampy traikefaHainy tsara anefa,fa ny olona rehetra dia mandalo an'izany Angamba tsisy mihitsy teto ambony tanyolona ka ampy traikefa avy hatrany, fa mianatr'asa alohaMiezaka mihatsara, miasa amin'ny foMivoatra miandalana lasa mihamahay Manao hadisoana dia mitsangana indray Avy eo vao ampy traikefa amin'izay Koa aoka … Continuer à lire Traikefa

Mikotràna

Mikotràna

Ho anao ramose, ho anao koa madama,Ho anao tanora mpianatra na efa mikaramaRaha toa ka te hitandrina ny fahasalamana Ilaina hatrany hatrany ny mikotrana  ry zamaTsy hoe indraindray fa atao fanao mazànaIsan'andro mihitsy e, ilay vatana tamànaNa andro mangatsiaka na midanika hafananaNy fanatanjahantena tsy asiana fandrarànaAtao toy ny sakafo feno ara-dalàna Na koa dia an-tongotra miainga eo … Continuer à lire Mikotràna

Tahotra

Tahotra

Io tahotra io ry namana no mahatonga antsika tsy hanana fahasahiana loatra Hany ka manjary tsy afaka mivoatra fa mijanona amin'ny toerana misy hatrizayNefa anie isika olona mahayNomena saina afaka hiady ihany koafa saingy ny tahotra no lasa mialohaManenika tanteraka ny fo sy ny atidoha.Io tahotra io tsarovy tsy maintsy misy hatrany Tsy misy olombelona tsy manana an'izany fa miavaka indrindra … Continuer à lire Tahotra

Tsara

Tsara

Endrey tsara ery ny miainaraha hay ny mampitony saina,mifaly amin'ny eo an-tanana,sy mampitombo ny fananana Fa tsara koa ny fahafatesana,tsy misy intsony ny imatesana,sy hazakazaka hatrizayEny, mandry fehizay Ny anelanelan'izy roano ratsy mahavaky fo,fa alahelo sy tomany, ny fisarahana an-tany  Rasamy

Pasitera

Pasitera

Ianao vao mitsikera an-drizareo pasitera dia lazainy fa devolytafiditra an-tempoly. Tsia tompoko ô, tsy voatery ho izanyfa samy olombelona misaina izao ihany Ilaina koa ny mihaino izay ambaran'ny mpivavaka Na mety ho diso aza dia izay no tokony hampiavakany mpitondra fiangonana Tsy voatery ho resaka fialonanaraha miteny ny olona hoe nahoana mihitsy moai pasitera izay irak'i Jesoano tsy maintsy ividianana … Continuer à lire Pasitera

Hafa indrindra

Hafa indrindra

Ny olona malemy ara-po sy sainadia tia mamaly faty  izay manirikiry azy Mety mahavita mamono hatramin'ny ainaAvy eo vao latsa-nenina mijaly sy voasazy Tsy toy izany kosa ny olona raha mafyMahazaka lagy sy mitsinjo ny ampitsoNa aza malahelo ny fony dia mihafyVonona hamela ny heloky ny diso Fa mbola hafa indrindra ny manan-tsaina ambonyTsy ahoany akory … Continuer à lire Hafa indrindra

Ialao

Ialao

Misy karazan'olona tena tia mitenyNa any an-trano izany na eny an-dalana enyNa eny an-tokontany na ao an-dalantsaraAnatin'ny birao na any anaty fiaraN'aiza n'aiza aleha dia tia misoka-bavaFady ny mangina fa mitabataba lavaToa miteny foana fa tsy mangina mihitsyMahita ho lazaina tsy mitsitsitsitsyTsy mba mihaino ny hafa amin'ny fanazavanaIo vavany io mipentsopentsona mazànaSady mpifosafosa ny mpiray … Continuer à lire Ialao

Aza miteniteny

Aza miteniteny

Raha tianao ho tratra ny tanjona kendrena dia tsara ihany aloha ny manetrinetritenaTsy milazalaza izay zavatra hatao Miasa mangingina fotsiny amin'izaoRehefa hita fa mijoro izay nokasainavao tsara ambarambara sy azo tantaraina Ho gaga ny maro tsy mba nanam-poTsy mahalala akory izay nitranga nialoha Ho valalanina eny  ireo ratsy sainaHangasihasy kely ho maina sy mangainaIanao kosa ho faly sady tena … Continuer à lire Aza miteniteny