Zanahary ô,Dimy izao zahay fa tsy efatra intsony Misaotra Anao indrindra Ray ao ambony, fa noho ny fitiavana sy fitahianaono mahatonga anay mijoro toy izao Andriamanitra ô, Izao no faniriakoHifankatia hatrany anie ny fianakaviakoHahita fahasambarana ireo zanako izay tiako Raha toa moa sanatria ,ka misy ny mpialona, na olona tsy tiaIanao no angatahiko hiaro izany diaTsy ho azon-tsampona amin'izay … Continuer à lire Faniriako
Mpivahiny
Mpivahiny ihany isika eto an-tanyf'aza mieritreritra hijanona ela izanyAngamba fitopolo, na koa valopolo,na mety latsaka azaNa olon-tsotra ianao na olona malazaNa olona mahantra na manan-karenaNa vahoaka izany na mpitondra firenena Tsy maintsy lasa foana fa saingy ny fotoana no tsy mbola hayRehefa tonga izay dia tsisy azonao atao,fa lasa tsotra izaoKanefa na izany dia tsarovy hatranyf'ianao no lasa mody any ampasana … Continuer à lire Mpivahiny
Sekta
Miroborobo ery ny sektaBobaka spektahatreny AntsonjombeVahoaka marobeno miandry fahagaganaHono te hiala anaty fahantranasady koa hibebaka noho ny fahotanaMibitaka mihitsy ary izato Pasitera Mandeha manko ny aferaAngatahiny mafy arotsaka omena ny ampahafolon-karenaHahazoana famonjena Nefa moa avy aiza ireny olona ireny?Moa va tsy ireo olona leo toriteny tany amin'ireo fiangonana tranainy?Mitovy ihany mantsy ny zavatra lazainyNy olona asainy manetrinetritena nefa ny … Continuer à lire Sekta
Tsara tsodrano
Eny re ry AndoniainaFaly sahirana ny sainamahita anao hanambadyNdeha ataoko hoe sahadysatria toa vetivety ihany, mbola tsaroako tamin'izany,ianao ilay zaza nitomany,niangotingoty tamin'i Neny.Lehibe hoazy tenyTsaroako izaho ilay nandaovao enimbolana ianaoTaona vitsy aho tany andafy Ianao sy Neny nihafiafyFa taty aoriana indrayianao no nandao anayMbola ankizy tsy ampy taona, dia nanao mandram-pihaonaNandeha nisidina ho any ampitaHianatra mba ho tafitaAnkehitriny … Continuer à lire Tsara tsodrano
Mba mandihiza
Mba mandihizaRehefa anaty fetydia ataovy izay mba mety eManko mahafaly indrindra ny mpanasaMahita anao mitsangana tsy mihafahafaMandihy mitotorebika manaraka mozikaMiatomboka amin'ny dihy mahazatra antsika Tsy inona izany fa ny afindrafindraoDihy hahafantarana ny mahagasy anaoMitohy amin'ny dihy iarahana manaoTarihin'ny mpanentana avy eny aloha Hahetsika daholo ny vatana sy lohaNy dihim-pitombenana tsy adino ihany koaTsy ankijerijery, tsy ankisalasalasaIzay mahatsiaro … Continuer à lire Mba mandihiza
Nahavita fianarana
Endrey izany hafaliakoTò indray ny faniriakof'ilay zanako vavy,izay nandao ny mpianakavy,nianatra ivelan'ny Madagasikara,no indro ankehitriny nahavita soamantsara izato fianarany.Tontosa hatramin'ny faranyFaly aho tena faly Tsaroako ho toy ny vao omalyizy notsofiko rano,ny masoko nanganohanoManko aho niahiahy ny amin'ny fiainany any andafyLavi-dray sy reny ka mety hihafiafy Hipetraka irery any an-tanin'olonaKanefa dia nifofotra, nianatra, nitolonaTsy nivarilavo fa nahay nifehy … Continuer à lire Nahavita fianarana
Fahirano
Mbola tsisy re ny rano e!Mafy ny iainana ao an-trano Ianao maraina vao mifoha Mihevitra hanasa lohaNa ny hariva handeha hatoryTsy afaka misasa akoryEny, tsisy rano foana e!Efa mampiteny moanaSady tsy ny rano ihanyNy jiro koa dia toy izany Tapaka isan'andro izaoEfa zary mankalao Tena leo ny vahoakaMisy mihitsy ny mivoakaHitokona an-dalambeManantena hisy handreHita mihitsy hoe te … Continuer à lire Fahirano
Atidoha
Io atidoha io natao ampiasainasy kolokoloina ary koa karakarainaManko misy olona kamo hampiasa loha fa dia arahiny anjambany avokoa izay lazain'ny hafa na diso io na marinaManarakefa foana, moramora avarinaMisy ireo zatra mitranondri-dava tia misitrisitrika sy manakom-bava Misy ihany koa ireo zary lasa adalanoho ny fidorohana daina tsy ankialadia foana teo ny saina mahaizy azyTsisy … Continuer à lire Atidoha
Afaka baka
Afaka ialahy Izaho tsy mba nanahyfa nino avy hatrany hoe izany "Baka" izanyho azon'ialahy mora foanaMandeha leisy ny fotoana Bakalorea sahady ilay zaza nandadynanahirana ahy sy nenyNitombo vetivety tenyFaly aho leisy faly afa indro izao nivalyny ezaka nataoNahazoana vokatra "Tsara" toy izao Rasamy
Mianara
Raha nahantra ianao vao terakaSendra ray sy reny rerakaNefa kosa na izanyMba mandia sekoly ihany Dia ifikiro ny fianarana F'io ihany re no lalanaHanovozam-pahalalàna Tsy ho andevom-pahantrana Ianao no hanova ny tantara Koa mianara re mianara Rasamy









