Misy miangavy mba mila fanampianaIrony efa zatra mitrosa lava ironyMangataka amy namany sy fianakaviana Kinanjo vao mahazo dia iny tsy hita intsony Misy toa manana tsy mahantra akoryHita ety ivelany ny fiainany misosaKanefa re ny toetrany dia manorisory Sady mpisoloky no tsy mpamerin-trosa Indrisy fa dia maro no lasa toy izany Tsy ampoizina mihitsy fa feno ny tanàna Voany daholo … Continuer à lire Mpisoloky
Auteur : rasamison
Ekena foana e
Izaho mba nanantena hoe hahita MIAMI Mitovy tsisy valaka amin'ny any Etazonia Kinanjo revy hafa mihitsy kay izy ity Lasa "Miray hina Ary koa Mifankatia" Eny atao ahoana fa izay no zava-misy Toy izany koa izany izao ilay hoe Parisy Parisy gasigasy vita avy any Ambato Nefa tiako foana e, izaho handatsa-bato Izaho moa efa … Continuer à lire Ekena foana e
Aza ampatoriana
Fantaro sy zahao ny talenta anananaoAza ampatoriana fa fohazy sy trandraho N'iza n'iza mantsy dia manana an'izany Hizara ny talenta no tanjona eto an-tany Ny talenta dia fahaizana voa-janahary Mety miafinafina tsy mba miharihary F'azo ampitomboina ary mila ampiasainaTsy afenimpenina fa tokony ho zaraina Ny olona tafita amin'ny fiainana diavina Dia hiaraha-mahita ary tsy mba azo lavina … Continuer à lire Aza ampatoriana
Iaino ny anio
Raha toa ianao rahampitso ka lasana mandao Tsy ho hitanao intsony ny tsara androanyIanao anefa indrisy hatrizay ka hatrizao Tsy mety afa-po amin'izay mitranga ihany Moa toy izany foana ve ny fiainanao etoanaMitady izay tsy hita sy ny rahona hisava Tsy nakàna tsirony mihitsy ny fotoanaFa dia miandrandra ny ampitso lalandava Tsy aleo ve dieny anio dia … Continuer à lire Iaino ny anio
Nahoana mihitsy moa
Nahoana mihitsy moa isika lehilahy,no tia mikôtikôty sy tena sahisahy,misioka vehivavy, pssst tsisy farany,foronina mihitsy hatramin’ny anarany? Misy aza moa tsy henatra tsy tahotra Tsy mihambahamba, sady tsy miahotraTia mikitikitika hatramin'ny fitombenanaVoadaroka avy eo vao latsa-panenenana Nahoana mihitsy moa nareo ampelasoa,rehefa tia ilay bandy mba metimety koa, no mody maotimaotina mangina tsy miteny,kanefa dia maniry ny ho … Continuer à lire Nahoana mihitsy moa
Aza maikamaika
Dada ô, mampalahelo ahy iretsy ankizikelyFeno azy ireo anie hatrany Analakely eMalotoloto lamba sy rovi-patalohaRakotra azy ireo koa etsy AmpefilohaNa eny Behoririka hatreny AnkorondranoToa mirenireny tsy anaty tokan-trano Lasa be ny saiko fa dia nahoana loatraNy fiainan'izy ireo ve mety mba hivoatra? Raha tsy mianatra izy, ahoana ny hoavinyMangataka no ataony, izay manome tsy lavinyMangalatra ihany … Continuer à lire Aza maikamaika
F’angaha ianao raha hoe
F'angaha ianao raha hoe manam-pahefanadia mihevi-tena foana ho ambonin'ny lalàna? Tsisy afaka miteny, manao izay tiana ataosy manery ny hafa hanao ny tsy fanao F'angaha ianao raha hoe olona ambonydia mino sy matoky fa tsy ho ambany intsony? Ny tany anie ry lahy tandremo boriboryMety hianjera ianao tsy hitahita akory F'angaha ianao raha hoe efa mpanefoefodia manan-jo … Continuer à lire F’angaha ianao raha hoe
Io fivavahana io
Io fivavahana io dia mahagaga loatrafa tokony hampiray sady hampivoatraKanefa indraindray dia mampisara-bazanaMahavalalanina ny olona mpitazana Io fivavahana io dia tena mahavarianafa tokony hampitombo ny firaisan-kinaKanefa indraindray dia lasa mampiadyMainka mampitombo ny olana mianjady Io fivavahana io dia mahatonga sainafa natao indrindra hamelombelon'ainaKanefa indraindray dia lasa famonoana ireo izay tsy mitovy fihaviana sy finoana Io fivavahana io … Continuer à lire Io fivavahana io
Nanonofy
Endrey ny hankatonao re ry VohitsaraEfa tany sambatra tokoa i GasikaraFeno fandrosoana, milamina ny tanyNy mpitondra hendry tsisy toy izany Hafa ny taloha f'efa niova ny tantara Ny vokatra nitombo, ny ariary nihatsaraTsisy kolikoly na fisaraham-bazanaMiharihary be ny fitiavan-tanindrazana Ny ankizy sy tanora miditra an-tsekolyLasa nihavitsy ny karazana tempolyOrinasa gasy no mameno ny tanàna Resy ny … Continuer à lire Nanonofy
Tsy ahoako
Mety misy angamba anjelyF'izaho tsy izany velivelySatria raha ditra no lazainaIzaho koa misy tantarainaTena bandy misy toetraFa kosa aho manisy fetraKa na inona hadalakoDia ny vadiko tsy ialàkoToy izany koa ny zanakoIreo no tena fiadanakoHandaniako ny fananakoMiaina tsotra izao no ilaikoKoa mandrampaha-tapitry ny aikoDia izay mampifaly koa ny saikoNo imasoako sy ataokoNy vavan'olona tsy ahoako … Continuer à lire Tsy ahoako









