Auteur : rasamison

Manoratra aho satria

Manoratra aho satria

Manoratra aho satria, nomena talentaNa toa aza tsotsotra tsy tena avo lentaToy ny an'ireo mpanoratra malaza be fahinyDia tia manoratra aho fa aza omena tsiny Manoratra aho satria, mamelona ny tenyIo no tenin-drazako, no sady tenin-drenyTsy tiako ho vonoina, tsy tiako ho vofafaIlay teny malagasy ambony noho ny hafa Manoratra aho satria, misy zavatra ambara Io … Continuer à lire Manoratra aho satria

Mirary soa

Mirary soa

Endrey izany hafaliana, fa vaovao ny taonaFeno fitsikiana fa mbola  tafahoanaSamy velon'aina, tsy nody ho vovon-tany Tratry ny marainan'ny taom-baovao androany  Dia mirary soa e,  ho taona feno mamyTsy hisy loza hanjo, fa ho fifaliana hatrany Ho  ambinina, ho salama, ho tojo izay irinaHo lavim-pahantrana, fa tena ho taona zina Raha nisy ny  tsy nety, raha nisy koa … Continuer à lire Mirary soa

Dadabe Noely ô!

Dadabe Noely ô!

Ry Dadabe Noely ô,Raha ho avy ihany ianaoMiangavy re... raha mbola azo ataoMba itondray rano eny isan-tokantrano fa dia mijaly loatra Mila tsy ho zaka fa tena tafahoatra izato toetr'andro sy ny zava-misy Alaivo sary an-tsaina anie ilay rano tsisy eNa ny olon-tsotra, na ny mpandraharaha Tsy lazaina intsony ny momba ny tantsahaKivy noho 'ty olan-drano toa tsy mety hivaha … Continuer à lire Dadabe Noely ô!

Ho sitrana ianao

Ho sitrana ianao

Tsaroako tokoafa mafy ny manjoireo olona marary anaty hopitalyMitaraina mafy, mikiaka fa mijaly Tsy afaka miarina fa mandry am-pandriana Tsy afaka manoatra dia mivavaka manginaMivavaka ao am-pony sy ao an-tsainy ao"Andriamanitra ô, vonjeo raha sitrakao Sitrano re ny aretikoAkombony re ny ferikoAvereno re ny heriko"  Raha toa ka toy izanyianao re androany dia indro ampahereziko, aza mitomany Ny vavakao anie … Continuer à lire Ho sitrana ianao

Sipa manjakely

Sipa manjakely

  Manja tena manja iny sipakely inyMiendrika anjely mbola virijinyJereo izato ranjonyKanto ery ny akanjonyFatratra ny bikanyIzaho isaky ny hitanydia saikatra ny vavakomena be ny tavakoTe hibitsika aminy izato fitiavako Kanefa moa indrisy Ny vola moa tsy misyfa foana izato paosy sady tsy bogosy Ny hany azo atao dia mijery fotsiny ihany Tsy sahy na dia fotsiny hoe hananihanyRaha … Continuer à lire Sipa manjakely

Kanosa

  Any mantsy ianao ry MadagasikarakoIlay tany nihaviako nilatsahan'ny tavonikoIzaho aty andafy no hanohy ny tantarako Nandositra aho mantsy fa aleo dia tsoriko  Marary be ny saiko, ny fo indrindra koaMahita anao ambany tsy mety ho tafarinaIzay vaovao jereko toa ratsy avokoa Ny vahoaka anaty fahantrana lalina Nahoana no toy izao re ianao ry NosinayMalahelo mafy aho ary … Continuer à lire Kanosa

Mijaly ny vahoaka

Mijaly ny vahoaka

Na inona ambara na inona lazainaEfa ny maro an'isa izao no mitarainaMafy ny manjo, feno ny kapoakaTsy rariny intsony ny manjo ny vahoaka Miharitra ny mafy ny isan-tokantranoTapaka ny jiro, tsisy koa ny ranoNy jirama tsy misy, ny vovo efa ritraTsy hita izay atao fa dia mipitrapitra  Ny atoandro miasa sy mamonjy fianaranaNy alina indray … Continuer à lire Mijaly ny vahoaka

Tsia

Tsia

Nahoana moa ny gasy no zary tsy mba sahyFa misalasala sy manana ahiahyRehefa indraindray tokony handàNy baiko sy ny tsindry ataon'ny vazaha?  Na aza "tsia" tsotra izao no tena ao an-dohaDia ny "oui mesie"  no lasa mialoha Matahotra hitsipaka ny tenin'ny vahinySadaikatra hamaly ndrao hahazo tsiny  Dia toy izany koa na dia samy malagasy Na olon-dehibe io … Continuer à lire Tsia

Tsy aleo ve

Tsy aleo ve

Tsy aleo ve mampaheryraha mbola misy ny hery,sy saina ary fanananamba hanampiana namana? Tsy aleo ve mampitrakafa tsy mainka koa mandakaireo olona efa voasy mila hamoy fo? Tsy aleo ve mba mizaraizay zavatra mba tsara,fa tsy ny ratsy foanano hita mandavan-taona? Tsy aleo ve mba jerenaamin'izay ilay firenenafa tsy ny kibo no mihangezavao mahazo seza? … Continuer à lire Tsy aleo ve

Ingahy Rasamy

Ingahy Rasamy

Any ianao r'ingahy RasamyTsy miteny intsony fa efa vovon-tanyManoratra aho satria mba mahatsiarotsiaroMitamberina an-tsaina ny zava-maromaroIngahy Rasamison mpiasabe tao amy garaTsy nigoka, tsy niloka, ary tsy nandray sigaraTsy mba nahenoina tantara ihany koaFa lehilahy matotra sady tokam-poMba firifiry moa no lehilahy toy izanyHafa mihitsy mantsy ianao r'ingahy Rasamy Ianao ilay masiaka tsy nitsahatra niteny Tsaroana ho nahasoa … Continuer à lire Ingahy Rasamy