Tokantrano maro no potika sy ravaNoho ireto olona tia misavasavaMiditra amy zavatra tsy tokony idirana Fiainan'olona any no ataony manahirana Tsy ny azy no atrehany amboarina ho tsara Fa maika ny hanenjika sy hitsaratsaraNefa izay lazainy tsy voatery ho marinaIzay tena zava-misy tsy ezahiny fantarina Misy ireo sendra tranga eny an-dalana Makamaka sary tsy nahazoana alalana Dia mailaka … Continuer à lire Fitsaram-bahoaka
Auteur : rasamison
Ny olona tafita
Ny olona tafitadia tsy hoe mahitahitamanana miliara sy karazana fiaraary tsara karakarahatreny ambony farafaraMonina anaty tranobe mijoalajoala Fa ny olona tafita dia ireo izay mahavitamanampy sy mamelona ny hafa ihany koa,mahaleo-tena, ka manao asa soa amin'ny manodidina azy.Tsy olona nangalatra mendrika hisazy Rasamy
Harena sarobidy
Ny masoko mahita izay zavatra jereko Na ambony tany na ny habakaba-mangaMety ratsy bika aho, nefa kosa ekekoSambatra aho mahiratra fa tsy akory jamba Ny sofiko mandre ireo hirahira tiakoHenoko avokoa izay resaka teneninaAlaivo sary an-tsaina anie ny mety fahoriakoRaha toa tsy lavorary fa sofina marenina Ny vavako miteny mahavita manazavaTsy sarotra ho ahy ny miteny eo … Continuer à lire Harena sarobidy
Miankin-doha
Moa mahaleotena va re ny firenena sa aleo dia tsorina amim-panetren-tenafa mbola ambany ziogan'ny mpanan-karena baikon'ny vahiny fa tsy mahabaiko tena Tsy mety mba tafarina fa vizana sy solaMiankin-doha tanteraka amin'ny mpamatsy volaNy mpitondra no afaka miliba sy midolafa ny vahoaka kosa efa miondrika sy tola Miezaka ihany mba mitolona miadyMila tsy hitraka mihitsy fa mandadyMaro loatra mantsy … Continuer à lire Miankin-doha
Ny alahelo
Ny alahelo raha kobonina tsy avela mba hivoaka,dia toy ny vanja izay angoninaatahorana hipoaka Ny alahelo tsy zaraina fa mihiboka ao anaty,dia mankararirary sainamahatonga valifaty Ny alahelo raha ambaraamin'ny havana sy namana,dia kendreo mba hahatsarafa tsy hanimba fihavanana Ny alahelo sy tomany dia tsy maintsy hisy foana,nefa avela handalo ihanyfa tsy ho mandavan-taona Rasamy
Rediredy tsisy fetra
Tsy hitsahatra aho hanoratra Tsy hangina aho fa hitenyHo raketiko an-tsoratraIreny rehetraretra ireny Na fahoriana izay mandaloNa fifaliana tsisy fetraNa ny sedra mampimaloNa fitiavana mitoetra Na ny zavatra hita masoMitondra tsikitsiky sy hehyNa ny sompatra sy ankasoMampanjombona tarehy Na ny ziogam-pahantrana Izay lanjain'ny vahoakaNa hetahetam-piovanaDia dradraina mba hivoaka Raha avy ny andro hahafatesakoHandry ambany rangolahyNy … Continuer à lire Rediredy tsisy fetra
Tsiky
Tsikitsiky monja dia mahamiran-tsainahafatra mafonja ho an'ireo izay mpitaraina Tsikitsiky ihanyno manampy ny fanahyhamafa ny tomanysy ny zava-mampanahy Tsiky no enti-miadyamin'ny zava-manoloanaka n'inona mianjady dia asiana tsiky foana. Rasamy
Kabone
Fantatrao va re ilay tranokely iray Efa fanta-daza mihitsy aza izy izay.Mahay azy daholo ny vahoaka manontolo n'aiza n'aiza izany raha mbola eto an-tany.Ao tsy maintsy handehanana,ny taratasy an-tanana,rehefa injay fa tonga ilay tokony atao.Na ny mpanjaka aza tsy maintsy miditra ao Sady fangerena izy no toerana fisainana Tranokely tsotra fa ilaina amin'ny fiainana Soa … Continuer à lire Kabone
Vavaky ny marina
Tsara ny mivavakaanaty toetra miavakafeno fahamarinana,anaty filaminana.Ny vavaky ny marina mantsy dia mipaka,ka mety hampitraka,ireo lavon'ny fiainanatsy mety mba tafarina anaty fitarainana. Fa masina kokoa raha arahina asa soasy fifanomezan-tananaho an'ireo tsy manana,sy ireo izay miaina anaty fahorianaka mila fanampiana, izany vavaka izany,fa tsy eo imolotra sy am-bava fotsiny ihany. Rasamy
Tarigetra
Na inona sarotra tsy maintsy hodiavikoNa inona olana tsy maintsy sedraikoNy hiverin-dalana kosa dia lavikoTafita no masaka am-po sy ny saiko Na inona sakana avy eo anoloakoNa inona henjika avy any aoriakoTohizako foana ny ezaka ataokoTsy maintsy tanterako ny faniriako Na iza hitsivalana sy hanambanyNa iza hanakivy sy hisetrasetraNy sori-dalako tokana ihanyNdeha hanatratra an'ilay tarigetra … Continuer à lire Tarigetra









