Auteur : rasamison

Antoko mpihira

Antoko mpihira

Mampatsiaro ahy ny hiranay fahinyNy maheno ny hiran'ny tanora ankehitrinyTsy hira hafa akory fa hira fideranaAnisan’ny nameno ny fahatanoranaHirahiram-bavaka misy SolfaMandeha ny DO RE MI, miampy FA SO LAHiram-pivavahana tsara sady kantoAnaty feo maredona sy milantolanto Endrey izany hafaliana rehefa alahadyTsy mandany andro variana mibalady Fa mifoha maraina mamonjy fivavahana Mitohy ny hariva indray avy eo ny … Continuer à lire Antoko mpihira →

Ramalagasy

Ramalagasy

Eny hoy aho ramalagasyIzato ianao mangasihasyManoloana ireto harenaTena maro sesehenaÔ indrisy mahonenaFa tsy misitraka akoryMainka aza ianao toa oryMiaina anaty fahantranaVizana sy mihanahana Isan'andro vaky izaoDia misy harena lovanaoMiondrana mankany ampitaSaingy any dia tsy hitaLasan'ny mpanararaotraF'ianao mangina tsy mitroatraSatria mangina volamenaDia tia manetrinetry tenaAmbakainy an-kafetsena Rahoviana ianao vao ho taitraFa na mangidy sy mafaitra No iainanao … Continuer à lire Ramalagasy →

Poakaty

Poakaty

Tsy mahagaga intsony ny mpanao politikaMahay raha hikabary fa ts'hita 'zay mba vitaMampanantena foana no hany seraserany Izany no heveriny hifikirany amin'ny toerany Tetikasa maro no ambarany hataoTsy miova ny kabary fa isan'andro izaoDia maro ny asa goavana lazainy hovitainaFa firy re no vita tamin'ireo izay nokasaina? Nofinofy maro no lazainy hotanterahinaNy vahoaka heveriny ho … Continuer à lire Poakaty →

Ho taom-pahombiazana

Ho taom-pahombiazana

Faly ery ny fo fa niova indray ny taonaMiramiran’endrika fa mbola tafahaona Izao no teny soa sy teny firariana Hitobaka hatrany anie ny fitahiana Na ho anao izany na ny ankohonanao Ho taom-pahombiazana ny taona vaovao Raha nisy ny tsy nety tamin’ny taona lasaNa tamin’ny fianarana na ny arak’asaRaha nisy tsy tomombana tamin’izay natao Fombany ihany izany fa ny … Continuer à lire Ho taom-pahombiazana →

Vavako mangina

Vavako mangina

Ny ahy ny Noely Dia tiako ho hafa kely Vavaka ao am-po Amin'Ilay Tsitoha Misaotra Azy manginaNoho ny fahasoavana sy ny fitahianaIzaho tsy voatery ho any am-piangonana Na hamonjy fety an-trano filanonanaFa toerana milamina sy mampitony sainaSady tsara rivotra makamaka ainaFeom-boronkely no henoko maraina Eto an-davarangana aho no misaotra Anao ry RayNoho ny fitahiana nomenao … Continuer à lire Vavako mangina →

Ny fahazazanay

Ny fahazazanay

Taloha zahay rankizy rehefa milalaoTena hafa mihitsy tsy toy ny amin’izaoNiaraka daholo ny ankizy iray tanànaMafana dia mafana aok’izany ny korana Faly ny rehetra tsisy nihambahambaMiaraka manao ilay raosy jambaTao koa ny vitsilia sy fanaovana zoeraKilalao tsy adino ny polisy sy volera Ny baolina amin’izany teny an-tanimbary Tsisy ny finday mba hoe nakana sary Tsy … Continuer à lire Ny fahazazanay →

Fitsaram-bahoaka

Fitsaram-bahoaka

Tokantrano maro no potika sy ravaNoho ireto olona tia misavasavaMiditra amy zavatra tsy tokony idirana Fiainan'olona any no ataony manahirana Tsy ny azy no atrehany amboarina ho tsara Fa maika ny hanenjika sy hitsaratsaraNefa izay lazainy tsy voatery ho marinaIzay tena zava-misy tsy ezahiny fantarina Misy ireo sendra tranga eny an-dalana Makamaka sary tsy nahazoana alalana Dia mailaka … Continuer à lire Fitsaram-bahoaka →

Ny olona tafita

Ny olona tafita

Ny olona tafitadia tsy hoe mahitahitamanana miliara sy karazana fiaraary tsara karakarahatreny ambony farafaraMonina anaty tranobe mijoalajoala Fa ny olona tafita dia ireo izay mahavitamanampy sy mamelona ny hafa ihany koa,mahaleo-tena, ka manao asa soa amin'ny manodidina azy.Tsy olona nangalatra mendrika hisazy Rasamy

Harena sarobidy

Harena sarobidy

Ny masoko mahita izay zavatra jereko Na ambony tany na ny habakaba-mangaMety ratsy bika aho, nefa kosa ekekoSambatra aho mahiratra fa tsy akory jamba Ny sofiko mandre ireo hirahira tiakoHenoko avokoa izay resaka teneninaAlaivo sary an-tsaina anie ny mety fahoriakoRaha toa tsy lavorary fa sofina marenina Ny vavako miteny mahavita manazavaTsy sarotra ho ahy ny miteny eo … Continuer à lire Harena sarobidy →

Miankin-doha

Miankin-doha

Moa mahaleotena va re ny firenena sa aleo dia tsorina amim-panetren-tenafa mbola ambany ziogan'ny mpanan-karena baikon'ny vahiny fa tsy mahabaiko tena Tsy mety mba tafarina fa vizana sy solaMiankin-doha tanteraka amin'ny mpamatsy volaNy mpitondra no afaka miliba sy midolafa ny vahoaka kosa efa miondrika sy tola  Miezaka ihany mba mitolona miadyMila tsy hitraka mihitsy fa mandadyMaro loatra mantsy … Continuer à lire Miankin-doha →