Lany olomanga ary ve ny firenekoMankarary fo ny zavatra mba rekoMomba ireto olona nomena fahefana Mampivarahontsana ny resa-pitsarana Izy samy izy ihany no miady an-tranoTantara tena misy, tsy abobo na anganoAnaty tambazotra, mivoaka an-gazetyMiharihary ao ireo zavatra tsy mety Voatonontonona aby ireo olona ambony Tsiambaratelo maro tsy voatana intsony Na halatra, na hosoka, indrindra kolikoly Mitohy ny tantara, zary … Continuer à lire Lany olomanga
Auteur : rasamison
Ny eto an-tanàna
Ny eto an-tanàna leisy tena hafa mihitsy Ialahy raha vao miteny tsy mitsitsitsitsyFa mananatranatra tanora mba ho hendry Dia tsy ampahafiriny hono fa mianakendry Eto an-tanàna ialahy raha toa manan-kataoDia misy mialonalona fotsiny amin'izaoLazainy fa mpangalatra, tsy manao ny marina Ny haren'ialahy indray no tiany angalarina F'eto an-tanàna koa raha toa ialahy mahantraDia aza manantena hisy olona hihantraMainka ialahy … Continuer à lire Ny eto an-tanàna
Loza
Malaza tato atoheno tsy ankiatoilay resaka rongony Toa tsy voafehy intsony fa miparitaka tokoaraha ny feo heno etsy sy eroaTsy kely tsy lehibe raha ny hita sy ny re Ary tena efa malaza fa na ny mpianatra azadia betsaka no voa Iza loatra re no tena ati-doha? Mibizina mivarotra sady mamosavy Tsy mifidifidy fa miandahy miambavy Tandremo ry tanora Tsarovy fa tsy morany vokatra … Continuer à lire Loza
Manaova madio
Betsaka ny olona tsy mba tia madioNy ankajony tsy miova omaly sy anioFa dia iny foanaNo hita eny an-kodiny mandavan-taonaTsy akory hoe tsy mananaFa tena efa fahazaranaIlay tsy mivaky lohaKa na ny akanjo ambony na ny patalohaDia malotoloto sy kitoatoaHany ka tsy hajain'ny olona ihany koa Tsy manaja tena ny olona toy izanyNy sasany aza … Continuer à lire Manaova madio
Tonokalon-dRado
Isaky ny valabalaka, iny harivariva iny,Eo akaikiko tsy lavitra iny bokiny inyTononkalo tsara rindra, mifono hevi-dalinaVakiako tsy miato rehefa injao mamantonalina Maro ireo mpihantsa, mpiventy toa azy Misy tena kanto, ao ny vazivazyFa hafa ihany hoy aho, fatratra mambaboTiako tena tiako ny tonokalon-dRado Rasamy
Pasipaoro
Eto Madagasikara dia mijaly ilay vahoakaKanefa raha mahita lalana hivoakaDia loza no manjoTsy moramora koaFa na ny pasipaoro aza sarotra alaina Mahavalalanina sy mahalasa saina Voaozona ary ve isika malagasy Aiza k'isaky ny mikarakara taratasy Dia mipenipenina mila hitomanyNefa anie rey olona ka n'aiza eran-tanyTsy olana mihitsy izany pasipaoro izany eTsy akory ilay izy hoe maimaim-poana Fa vola be miala … Continuer à lire Pasipaoro
Mifamono
Indrisy re rey olonaIzao izany sisa ny vokatr'ireo tolonaTolona natao hahazoana fahefanaNanitsakitsahana didy aman-dalànaNisy ny nandresyDia nisy koa ny resyIreo mpandresy moa nahazo fanjakanaManjakazaka ery fa azy ny tanànaIreo resy kosa manohy toy ny hatrizay Mitady fomba rehetra hiverenana indrayMisy dinaozaoro tsy miova mankaleoTompon'antoka eny amin'ny zavatra misehoMiverimberina e... mitovy ny tantara Mampikoroso fahana an'ny Madagasikara Ny … Continuer à lire Mifamono
Vady aman-janaka
Ny vady aman-janakadia tsy azo atao mandreraka na hoe mahalanakany mikarakara sy mamelona azyTsy sanatria koa sazy,na adidy be mavesatra tsy maintsy hiantsorohanaFa fanehoam-pitiavana hatrany am-panombohanaTiana ny vady matoa novadianaNy zanaka ihany koa tena zanaka nirinaNoho izany indrindra dia ireo no tena namanaAmbony noho ny harena sy izay mety ho fanananaRaha misy ny manjo na mankarary … Continuer à lire Vady aman-janaka
Natoraly
Ny tena lehilahydia lazaiko an'ialahyfa sipa hoy aho no tianyvehivavy no vadiany Fa ny sarimbavydia tsy mila vehivavy fa bandy no irianyhamely avy ao aoriany Ka n'inona lazaina dia ataovy an-tsaina fa natoraly ho ahyilay viavy vadin-dahy Rasamy
Vola sy fahalalàna
Raha toa ka be ny vola fa tsisy fahalalànaMety mora lavon'ny karazam-pilibànaRaha tsy voafehy aza matetika mazàna Lasa mivarilavo sy ratsy fiafarana Raha toa ka tsisy vola sady tsisy fahalalàna Dia mazava hoazy fa tena fahantrana Mijaly anaty olana sarotra vahanaSady ambanian'ny mpiray tanàna Raha toa ka tsisy vola fa be ny fahalalànaMety ihomehezan'ny sinoa sy ny karanaLasa … Continuer à lire Vola sy fahalalàna









