Catégorie : Fiaraha-monina

Mampandositra

Mampandositra

Misy olona isan’andro Tsy maraina tsy antoandro Hafahafa mahavariana Tsy mba misy fifaliana Fa mimenomenon-dava Mitsikera lalandava Hita soritra amin’ny tavany S’izay avoakan’ito vavany Ny fomba fiaina sy fisainana Tsisy afa-tsy fitarainana Nefa tsy mahantra akory Na fadiranovana sy ory F'angamba efa voa ny sainy Tsy hainy intsony izay ilainy Miiba lalandava izao Ny firesany … Continuer à lire Mampandositra

Ilay fitia

Ilay fitia

Ireny adinay fahiny efa adino ankehitriny. Ny henjika sy famonoana aleo hodiana tsy tsaroana. Na ilay didim-pitsarana mariky ny hadalàna izay niantso figadrana mbola ao fa tsy hay fafàna. Kanefa, .... Angamba adala tamin'ireny na dia nanarina ombieny. Ilay fananana voadoro satria tsy laitra mba natoro. Ripaka avokoa ny harena fa tsy nahay nanetry tena. … Continuer à lire Ilay fitia

Ny vola

Ny vola

Ny vola hono maharangahy nefa koa fakam-panahy. Sady fototry ny haratsiana no loharanom-pifaliana. Ny vola hono tsy hangidy fa ianao no misafidy. Na ianao ho andevony ka ho potika sy levony. Na ianao no hotompoiny tsy ho andevoziny intsony. Mba amboary re ny saina dia mba mahaiza koa miaina. Fa tsy vola vola foana no … Continuer à lire Ny vola

Maimbo helika

Maimbo helika

Malaza indray izao fa tao Tsimbazaza tao hono nisy maimbo helika nefa pelipelika tsy azo notenenina fa nanao be marenina. Nibosesika ihany ka namofona aok’izany tao an-dapa tsara be fivorian’ny depiote. Dia niakatra ny feo Mivoaha aloha nareo Roak’aliaka tsy ankitsitsy Tsy natao ho an’olombitsy fa mpanao gazety maromaro izay tsy tiany hifangaro. Satria lazainy … Continuer à lire Maimbo helika

Soa fa nisy vehivavy

Soa fa nisy vehivavy

He tsapa ery mazàna fa misy fahabangana ny ao an-tokantrano ao raha toa ny vehivavy ka sendra mba mandao. Na andro vitsy monja tsy maharitra akory dia io ralehilahy fa tsy mahita tory. Indrindra sanatria hoe lasa nodimandry ilay vady andefimandry dia maro ireo lehilahy no osa vetivety toa antitra malaky fa tsy mba metimety. … Continuer à lire Soa fa nisy vehivavy

Ny azy sy ny antsika

Ny azy sy ny antsika

Ny azy ny herinaratra efa ny herin’ny masoandro Ny antsika mbola solika no miakatra isan’andro Ny azy politika no mitondra fandrosoana Ny antsika fanonganana no tena imasoana Ny azy ny tanàna madio sy tsara voatra Ny antsika zaoridira no mila hampitroatra Ny azy efa ho paradisa izay jeren’ny maso Ny antsika izay mijoro indray no … Continuer à lire Ny azy sy ny antsika

Voretra

Voretra

Mba mahagaga loatra fa voretra tsy mivoatra ny ankamaroan'ny malagasy. Fa manipy taratasy vao nafono mofo gasy eny an-tokontany sy eny an-dalana eny. Tsy mahafehy tena sady tsy mifampiteny na mba mifananatranatra. Ka na ireo heverina fa olona nianatra na koa hita izao fa mba manan-katao dia toy ny tsisy saina fa adala tsotra izao. … Continuer à lire Voretra

Tsy lahatra ny fahantrana

Tsy lahatra ny fahantrana

Tsaroako ery fahiny fa iny namako iny dia nahantra sy kamboty tsy mba afaka niangoty satria nilaozan-dray sy reny mbola zaza tsy niteny. Niharitra sy nihafy kanefa niady mafy nihoitra tamin'ny fiainana. Tsy mba feno fitarainana fa na oviana na oviana dia nahay nampangina ho azy samirery, tao am-pony tao izay mety ho alahelony. Tsy … Continuer à lire Tsy lahatra ny fahantrana

Aza hitako any izany

Aza hitako any izany

Lafo vidy izao ny vary ka mila ho mosary ny ankamaroan'ny vahoaka satria ny iray kapoaka dia efa ho arivo ariary. Halatra miharihary ataon'ireo izay tsy manjary, sa vokatry ny fitavozavozàna ataon'ireto fanjakana? Sambany hono izany raha zohina ny tantara teto Madagasikara Mampanontany tena ny zavatra miseho satria vao vetivety teo dia niakatra ihany koa … Continuer à lire Aza hitako any izany

Nahoana loatra?

Nahoana loatra?

Andriamanitra ô, fa dia nahoana loatra Ity fiainana eto ity no mila hampitroatra Ny zaza sy zatovo mbola anaty hatanorana Lasa nodimandry, tsy nisy fierana Nandao ny tokantrano nihevitra hifaly Kinanjo tampoka eo, maty sy mijaly Indreo nidiran-doza, lavo tsy tafarina Andriamanitra ô, ambarao ny marina Tsy misy afa-miala fa lasana daholo Na zaza vao … Continuer à lire Nahoana loatra?