Ny reny foana mantsy no lazainafa tena tia ny sombinaina Toa izy irery ihany no ambara hatrany hatrany fa tena tsy mahafoy sy mikarakara ireto zanaka amam-para. I dada kosa etsy andaniny na miahy mafy ny ankaninytoa tsy lazaina loatra ny herim-po izay laniny.Nefa izy dia mangina fa ataony ho fifaliana ny mahita an-janany, ravo … Continuer à lire Dada kosa …
Catégorie : Fiaraha-monina
Dada hendry sa adala?
Raha ny tononkalo fandrentsika ombieny Matetika milaza mamerina miteny Fa hafa foana i Dada, tsy misy toa azy Ilay dada miran'endrika sy tia mivazivazy Nefa ihany koa masiaka be ronono I Dada ilay mitondra ny zanany hanjono I Dada miasa be, manao vy very ny ainy Miahy isan'andro ireto sombinainy Miaraka mizara ny mamy … Continuer à lire Dada hendry sa adala?
Hihiboka sa tsia ?
Mafy ny mahazo ity raim-pianakaviana Misoritra amin’ny endriny ny fahakiviana Ny asa fivelomany efa tena manahirana Ny hofan-trano sy ny sisa tsisy mba mangirana Dia indro miampy indray izato adin-tsaina Satria voalaza mantsy fa sisa isa-maraina no afaka mivoaka mitady asa kely noho ny aretina mandoza manambana hamely Aretina mifindra, miparitaka eran-tany Raha toa ka … Continuer à lire Hihiboka sa tsia ?
Mpanabe sahirana
Mampalahelo loatra izato zava-misy Mahalasa saina mihitsy re indrisy F'ireto mpanabe mampianatra ny ankizy No toa mihafihafy, sahirana izay tsy izy Toa zary ambaniana sy atao tsinontsinona Inona no antony? Nahoana? Fa maninona? Karama efa kely no mba raisiny isam-bolana Ny fitaovana ampiasainy mbola tena olana Ny mpitondra mihitsy no toa lohalaharana Tsy manisy lanjany … Continuer à lire Mpanabe sahirana
Hafatry ny Reny Mpiahy
Izaho Reny mpiahy dia manolotra ny fiarahabana Ho anareo r'Ilaimaharitra, izay nanovo fahalalàna Niezaka mba ho tafita ka dia tojo hatramin'ny farany Noraisin-tanana androany fa nahavita ny fianarany Izao no hafatro ry zandriko izay nahazo diplaoma Ny anaran'ny sekolintsika hololoavina eny foana Ka aza atao tsinontsinona n'aiza n'aiza misy anao Fa asondroty lalandava n'inona n'inona … Continuer à lire Hafatry ny Reny Mpiahy
Vahoaka efa leo
Tsy te hifidy intsony ny vahoaka maro an'isa fa dia mitazatazana sy mijery sisa. Mantsy leo sy tofoka fa tsy afaka mikofoka noho ny fangalarana sy ny fikafika fanaon'ireo milaza ho mpanao politika. Zary fitaka sy lainga ny zavatra ambarany Kobaka am-bava sy abobo tsisy farany Mahay mampanantena sy mandangolango Nefa vonona hangalatra hanao rapadango … Continuer à lire Vahoaka efa leo
Ireny olona ireny
Taon-dasa tsy tsaroana tokoa re ny fahiny Fony izy nihirahira an'iny lalana iny Tsisy tsy nokianina sy nodradradradraina Izay zavatra tsy nety sy nampitaintaina Na jiro maty lava sy rano tsy mandeha Na ny toetran'ny mpitondra feno rehareha Na tamin'ny fesiboky na tamin'ny onjam-peo Kiana tsisy farany toa zary nankaleo Niova izao ny tantana dia … Continuer à lire Ireny olona ireny
Gasy tia milahatra
Isika malagasy dia efa tena maritiora Aiza ve ka dia milahatra mandoa fakitiora N'aiza n'aiza dia milahatra fa tsisy afa-miala Na biraom-panjakana na banky hakana drala Vao tonga ny maraina hamonjy ny fianarana Ny bus aloha voalohany tsy maintsy ilaharana Mainka koa io loza rehefa himpody an-trano Avy eo mbola ilaharana ny fatsakana rano Efa … Continuer à lire Gasy tia milahatra
Tsy ampy lahy?
Misy vehivavy dia marikivy lava Tsisy andro iray mba miramiran-tava Kizitizitim-poana sy mora misafoaka Tsy mahatehotia fa zary mampitsoaka Romodromotra eny amin'ny antony tsy hay Na andro mangatsiaka na andro mahamay Vinibinitr'endrika toa tsy afa-tsorisory Toy ny vizan-dava tsy mba mahita tory Moa toetra noforonina va re sa natoraly ? Na aza manam-bola fa tsy … Continuer à lire Tsy ampy lahy?
Mpisetrasetra
Sorena ery ny maro rehefa mba mandeha Na amy lalankely na eny an-dalambe Zary mihafihafy matahotra aok’izany F’injay feo mibetroka avy any aoriana any Feona môtô an’ireo mpisetrasetra Mihataka avokoa ny olona rehetra Tsy mahalala fomba fa toy ny olon-dia Mihevitra azy ho henjana sy mafy be ery Misisisisika eny fa tsisy fanajana Tena mafy … Continuer à lire Mpisetrasetra









