Catégorie : Saina Miabo

Ny poeta

Ny poeta

Ny poeta akory, tsy hoe tonga lafatra raha toa mananatranatra sy tia manafatrafatraamin'izato asa sorany,fa tokana ihany ny tanjona izorany. Mizara tsy ankiato ny voasoratry ny tananaizay mibosesika tsy hainy nosakanana Satria aingam-panahy tongatonga hoazyvokatry ny hafaliana na koa ny vazivazy na noho ny alahelo mahavaky fona mety zavatra hafa mahalasa saina koa na vokatry ny fo midobodoboka fitiaIzany no … Continuer à lire Ny poeta

Hafa ihany

Hafa ihany

Hafa ihany anaka ny manam-pahalalànaF'any aoriana any raha mitondra fanjakana Tsy mpanao barofo fa olona misainaMahay mandanjalanja ny zavatra lazaina  Hafa foana ny olona avaram-pianaranaTia mikarokaroka tsy misy fitsaharanaNy olona nianatra dia sarotra badoina Mahay mamakafaka sy liam-pandrosoana Ny fahaizana anaka dia sarobidy ilainaEntina hanatratra ny tanjona kasaina Ny diplaoma kosa taratasy fotsiny ihany Mariky ny ezaka sy ny … Continuer à lire Hafa ihany

Saina miabo

Saina miabo

Na sarotra aza re ny fiainana Na misy koa fitaintainanaDia mila miabo ny fisainanaIalàna amin'ny fahalainana Satria na ho aiza ianao na ho aizaDia tsarovy ry sakaizaFa hisy foana ny tsy ampyNy saina miabo no  manampy Raha sendra ny fahakivianaNoho ireo tsy fahampianaManàna saina miabo anioIzay misy aloha dia ifalio Mbola misy trano ipetrahana Mbola misy namana iresahana Ianao mbola tsy … Continuer à lire Saina miabo

Ho taom-pahombiazana

Ho taom-pahombiazana

Faly ery ny fo fa niova indray ny taonaMiramiran’endrika fa mbola tafahaona Izao no teny soa sy teny firariana Hitobaka hatrany anie ny fitahiana Na ho anao izany na ny ankohonanao Ho taom-pahombiazana ny taona vaovao Raha nisy ny tsy nety tamin’ny taona lasaNa tamin’ny fianarana na ny arak’asaRaha nisy tsy tomombana tamin’izay natao Fombany ihany izany fa ny … Continuer à lire Ho taom-pahombiazana

Ny olona tafita

Ny olona tafita

Ny olona tafitadia tsy hoe mahitahitamanana miliara sy karazana fiaraary tsara karakarahatreny ambony farafaraMonina anaty tranobe mijoalajoala Fa ny olona tafita dia ireo izay mahavitamanampy sy mamelona ny hafa ihany koa,mahaleo-tena, ka manao asa soa amin'ny manodidina azy.Tsy olona nangalatra mendrika hisazy Rasamy

Harena sarobidy

Harena sarobidy

Ny masoko mahita izay zavatra jereko Na ambony tany na ny habakaba-mangaMety ratsy bika aho, nefa kosa ekekoSambatra aho mahiratra fa tsy akory jamba Ny sofiko mandre ireo hirahira tiakoHenoko avokoa izay resaka teneninaAlaivo sary an-tsaina anie ny mety fahoriakoRaha toa tsy lavorary fa sofina marenina Ny vavako miteny mahavita manazavaTsy sarotra ho ahy ny miteny eo … Continuer à lire Harena sarobidy

Tsiky

Tsiky

Tsikitsiky monja dia mahamiran-tsainahafatra mafonja  ho an'ireo izay mpitaraina Tsikitsiky ihanyno manampy ny fanahyhamafa ny tomanysy ny zava-mampanahy Tsiky no enti-miadyamin'ny zava-manoloanaka n'inona mianjady dia asiana tsiky foana. Rasamy

Vavaky ny marina

Vavaky ny marina

Tsara ny mivavakaanaty toetra miavakafeno fahamarinana,anaty filaminana.Ny vavaky ny marina mantsy dia mipaka,ka mety hampitraka,ireo lavon'ny fiainanatsy mety mba tafarina anaty fitarainana. Fa masina kokoa raha arahina asa soasy fifanomezan-tananaho an'ireo tsy manana,sy ireo izay miaina anaty fahorianaka mila fanampiana, izany vavaka izany,fa tsy eo imolotra sy am-bava fotsiny ihany. Rasamy

Tarigetra

Tarigetra

Na inona sarotra tsy maintsy hodiavikoNa inona olana tsy maintsy sedraikoNy hiverin-dalana kosa dia lavikoTafita no masaka am-po sy ny saiko Na inona sakana avy eo anoloakoNa inona henjika avy any aoriakoTohizako foana ny ezaka ataokoTsy maintsy tanterako ny faniriako Na iza hitsivalana sy hanambanyNa iza hanakivy sy hisetrasetraNy sori-dalako tokana ihanyNdeha hanatratra an'ilay tarigetra … Continuer à lire Tarigetra

Reraka

Reraka

Indraindray aho mahatsiaro vizana sy reraka Kelikely aina torovana tanterakaHany tiako atao dia mandry am-pandrianaHianoka fotsiny anaty fatoriana Tsy sanatria marary na koa hakamoanaFa vizan'ireo zava-marobe izay manoloanaMila miala sasatra, mila maka ainaAnaty zava-boary mampilamin-tsaina Avela izay tsy vita fa ampitso indray miarina Anio aloha hatory ny saina koa amboarinaNy asa tsy ho tapitra ny hatrehana tsy … Continuer à lire Reraka