Rehefa mamangy any anaty hopitaly
dia hitanao mihitsy ireo olona mijaly,
matory manjoretra eo ambonin’ny fandriana,
tsy afaka manoatra f’ao anaty faharariana.
Ny sasany efa hita ho tsy mahateny intsony
Miangavy ao am-po an’Andriamanitra inoany,
mba hanamaivana ny jaly sy ny fery,
mila tsy ho zakan’ny masonao mijery.
Ny aretina etsy andaniny tsy azo idovirana,
ny vola etsy ankilany mbola manahirana.
Ny fahitana izany tokony hahatonga saina,
ho anao izay zatra misento mitaraina,
kanefa toa mijoro sy afaka miasa,
mbola misy vina sy tanjona kinasa,
mbola olona mpamangy fa tsy olona vangiana,
mbola misy hanina azonao vidiana,
mbola tsy mifantsika eo ambony farafara.
Sambatra ianao raha toa salama tsara
Manko adinontsika olombelona mazàna,
fa harena ambony indrindra ny fahasalamana.
Rasamy