Mpisoloky

Mpisoloky

Toa betsaka ny olona no lasa mpisoloky,
mivoaka tsy ankiato eny anaty fesiboky.
Tsy menatra akory hono nanome toky,
fa hamerina ny entana nalainy na nofainy.
Hafa mihitsy hay ny zavatra ao an-tsainy
Avy dia angalariny fotsiny amin’izao,
ilay fananana nindraminy aminao.
Any izy dia milentika tsy hitanao intsony,
k’ianao indray no toy irony adaladala irony

Izy avy eo midehaka amin’ny manodidina azy
Mihevitra ny tenany ho mpanana sy « favy »,
kanefa dia mpangalatra sy toy ny mpamosavy.
Mahagaga mihitsy amin’izato fahasahiany,
fa mpisoloky gaigy te hanao izay tiany.
Nefa ny tsy fantany dia ho avy ny andro iray,
io soloky io misy farany amin’izay.
Hivadika ny rasa, k’indray pimaso monja,
sady afa-baraka no miditra any am-ponja.

Rasamy

Votre commentaire