Mpitolona

Mpitolona

Betsaka ireo olona,
izay nandeha nitolona
teny Analakely ka hatreny Anosy,
no voan’ny daroka sy voahosihosy,
nataondry bebasy tsy nahita izay mangirana.
Misy ireo naratra, be no nihasahirana
Mafy koa raha mafy ny zavatra zakainy
Tsy lazaina intsony ireo namoy ny ainy

Fa misy ireo nitolona teny ihany koa,
no lasa minisitra, na lasa eny Iavoloha,
na farafaharatsiny aloha nahazo seza.
Misy vetivety dia bolangina sy ngeza
Misy aza tsy nitolona fa avy dia tafita
Tao ireo nihazakazaka nody avy any ampita
Izay tokoa ilay hoe samy manana ny anjarany
Samy mba mpitolona fa misy dia niangaraNy

Fa ny tena loza dia tamin’ireo naongana,
no nisy natahotra ny fiainany hitotongana,
dia iny fa nivadika ho mpanohana indray,
nefa mpisolelaka forongony hatrizay.
Navadiny ny lelany sy ny palitaony
Izay mihitsy momba ny fomba sy fanaony
Tsy mba misitrisitrika sy menamenatr’olona,
ka mainka mahatezitra an’ireo tena mpitolona

Rasamy

Laisser un commentaire