Mizara tsara

Mizara tsara

Isan’andro izao,
dia tsy maintsy hitanao,
eny anaty fesiboky sy haino aman-jery,
ny vaovao ratsy tsy mahatehijery,
ny vono olona sy ny fangalarana,
ny loza an-dalambe tsisy fitsaharana,
ny fisaraham-bazana sy fifampiandaniana,
ny fosa sy ny tsaho ary koa fanaratsiana.
Anaty fiaraha-monina na fianakaviana,
na anaty orinasa, na anaty fanjakana
dia vaovao ratsy no mameno ny tanàna.

Nefa tsarovy fa anaty fesiboky koa,
misy tontolo tsara tsy manam-paharoa,
toy ny tononkalo sy karazana hirahira,
ny toerana madio tsy misy zaoridira.
Misy torohevitra mety mahasoa
Azo ampiasaina ho fitadiavam-bola koa
Ny tolotr’asa moa tsy lazaina intsony
Be ireo mpizara teny mampitony
Ireny rehetra ireny arahina isan’andro
Atao sakafon-tsaina maraina, hariva, atoandro
Manàna toe-tsaina mizara izay mba tsara
Fa mety mba hanova an’i Madagasikara

Rasamy

Votre commentaire