Misy foana

Misy foana

Na iza ianao na iza, na aiza koa na aiza
N’inona fahaizana anananao sakaiza
Ny diplaomanao, na ngeza toy ny ahoana
Ny mahay noho ianao, tsarovy misy foana

Ny voninahitrao sy ny toeranao anio
Mety tena avo, nefa izao no tadidio
Tsy akory faratampony ianao amin’izany
Misy foana ambony noho ianao any ho any

Raha toa ianao tafita ary koa manan-karena
Ilaina indraindray ny manetrinetry tena
Kodiarana ny fiainana, manova ny fotoana
Ny tsy tia sy mpialona koa mety misy foana

Rasamy

Votre commentaire