Ekeo

Ekeo


Raha toa ianao ka te hiaina
anaty filaminan-tsaina,
dia ekeo izay tsy hay ovaina,
f’aza manary hery sy aina.

Raha misy tsy azonao amboarina,
na tsy vitanao takarina,
dia ekeo f’izay no marina,
f’aza ny kiry no amparina.

Ny fahoriana izay manjo,
dia tsy mba noho ny sitrapo,
ekeo fa lahatra ihany koa,
f’aza dia mamoy fo.

Rasamy

Votre commentaire