Auteur : rasamison

Takaka

Takaka

Ialahy vao mampiseho fiara tena raitraDia iny ry takaka fa tohana sy taitraNahoana hono ialahy no manan-karenaKanefa ny vahoaka mahantra mahonena Ialahy vao mampiseho sary mihinan-kaninaLazain-dry takaka fa olo tsy milaminaSatria hono any ho any misy olona kereDia tsy tokony hisy sary izany anaty Fb Ialahy mba mizara fahombiazana  indray Hoy ry takaka hoe io miseho … Continuer à lire Takaka

Kitoatoa

Kitoatoa

Isika malagasy dia hafa mihitsy kosaTia mangatangataka sy mitrosatrosaTsy olon-tsotra ihany f'indrindra fanjakana Mpitrosa volabe tena higaganaKanefa hiaraha-mahita indrisy hatramin'izaoBetsaka amin'ireo asa izay natao no fotodrafitrasa tsy misy kalitaoNy vola notrosaina, fa ny asa  alasafayMifona kosa re, tena aok'izayMampalahelo mihitsy ny manjo ny  firenena Ny hoavin'ny taranaka aleo re mba jerena eIo tandrametaka io zary mankaleo Mila hahakivy ny … Continuer à lire Kitoatoa

Lalan-tsarotra

Lalan-tsarotra

Mbola ratsy foana e iny lalana inyPotika ny fiara fa miala tsinyTsisy fiovana fa mainka ratsy beAdiny firy izao Tanà - Antsirabe Na ho any Mahajanga sy mihazo an'AntsirananaNa lalam-pirenena mizotra miantsinananaMijaly ny mpandeha hatrany ToliaryMaty an-dalana eny raha olona mararyTsy lazaina intsony ny mankany AmbovombeIlay lalam-pirenena natao resabeAiza ankehitriny irony fampanantenanaMijaly ny vahoaka re ry … Continuer à lire Lalan-tsarotra

Aza midaroka

Aza midaroka

N'inona n'inona ady eo amin'ny mpivady,na tezitra tanteraka,vinitra sy reraka,noho ny ataon'ny andaniny,efa mankaleo tsy hahitana maminy sy fafiny intsony,toy irony lasa mpifahavalo irony Dia fadio hatrany ny mikasi-tanana Aza tia midaroka vady re ry namana Tsy maintsy miadiady raha mpivady koa Ny disadisa izany misy hatrany moa Tsy maninona afaka miteny mafimafy Lazao ny ao am-po f'aza mihafihafy Fa ilay mamono sy mamely … Continuer à lire Aza midaroka

Mazotoa

Mazotoa

Anaka, manàna fahazotoanaFadio ny hakamoanaamin'izay atao rehetraDia manàna tarigetraTiavo foana koa ny zavatra ataodia ho tsapanaofa any atoriana anymbola hody ventiny avokoa izanyNa mafy toy ny inona ny asa na fianaranaTsy kivikivy izany fa tohizana ny lalanaNy ho tafita hatrany no tanjona kendrenaHo azonao foana ny vola sy harenaDia tsarovy koa fa ny fiainana mandalo … Continuer à lire Mazotoa

Iarivon-jaoridira

Iarivon-jaoridira

Indrisy..., Iarivo feno fakoizao no re manakoako,anaty tambazotra any,miparitaka eran-tany.Asa rahoviana ihanyvao mba hisy fiovanaSimba mihitsy ilay tanànaNilaza izy fa hanadio rehefa lany soamantsaraIo Iarivontsika io ho ataony tsara karakara Raha toa ka sanatria, irony fako tsy voaroakadia aterina any an-trano f'izy hono tsy mitsoaka Kinanjo ..., hatreto aloha ny zava-bitadia fako no hiaraha-mahita,mameno ny isam-pokontany,hatrany … Continuer à lire Iarivon-jaoridira

Taxibe

Taxibe

Lisany rehefa mandehadia mihevi-tena fa hoematanjaka sady lehibeMisetrasetra mareMibahana be eny an-dalanaMisongona anaty fiakaranaMifanenjika toa olona adalaNy  hafa no mikisaka mialaraha tsy izany dia maty voadonaLisany avy eo tsy mifonafa mandositra lasa mitsoakaavy eo dia vonoin'ny vahoaka Fa mbola lisany ihany ilay tsy menatra mamanimanyeny an-dalana eny angamba tsy misy mpitenyTsy lazaina intsony ny lotosy ilay fofona … Continuer à lire Taxibe

Zaro

Zaro

Zaro re ny vava hiteny zava-tsaraTeny mahasoa mitondra fitahianaF'aza ny ratsy foana no ambarambaraMainka mampitranga ny zavatra ahiana   Aok'izay ny hoe "izahay moa mba ho aiza"Ajanony koa ilay "izahay moa mavomavo"Zaro re ny hafa handre hatraiza hatraizaF'ianao mbola ho tafita fa tsy sanatria ho lavo Zaro re ny loha hahay hisaina ambonyTsy ho toy … Continuer à lire Zaro

Janoary

Janoary

Fatratra ery nandritra irony fetyNiezaka nifaly sy nanao izay metyNividy akanjo tsara, niampy kilalaoMatsiro ny sakafo Noely Taom-baovaoTsy nisy toy izany ny vola nolanianaNatao izay nampifaly ny fianakavianaFa ny tena loza dia inona hoy ianao ?Janoary lavabe no indro miandry izaoVao miandoha ny taona dia misy fanahianaRaikitra amin'izay ny tena fitsitsianaMahalana eny sisa ny laoka … Continuer à lire Janoary

Firariana hafa

Firariana hafa

Arahabaina re ianaoNahatratra indray izato taona vaovaoIndro arahina tso-dranoHo foana amin'izay anie ny tsy fisian'ny ranosy ilay jiro tapatapaka efa tena nankaleoIreny rehetra ireny anie hifarana hatreoHo foana ihany koa irony fakobe ironyNy lalana aleha tsy hisy lavaka intsony Eny e tsy nofinofy akory izanyFa faniriana sesilanySatria dia vaovao tokoa ny taonaDia ny ariary anie tsy … Continuer à lire Firariana hafa