Tsiky sy tomany

Tsiky sy tomany

Misy ny androm-pitsikianatoy ny tsingerin-taona, dia misy ny androm-pahoriana, malahelo sy misaona  Misy ny androm-pifaliana sambatsambatra aok'izany, fa misy andro itomaniana noho ny hetraketraky ny tany  Misy ny andro maharavo rehefa anaty fahombiazana, fa misy andro koa mba lavo, fahakiviana indray no tazana  Misy fotoana tena mainatsy mety latsaka ny orana, fa ho avy ny andro hitaintaina ny rano be indray no atahorana  Izay ilay … Continuer à lire Tsiky sy tomany

Afobe sa paradisa?

Afobe sa paradisa?

Hafahafa mihitsy raha i MadagasikaraBe toeram-paradisa malaza tena tsaraVitsy mbola vitsy anefa ny mpizaha tany Ny gasy koa indrisy tsisy vola amin'izany  Voahodidin-dranomasina feno hazan-dranoFa tsy milaoka trondro ny  isan-tokantrano Ny harena moa miavosa ao ambany tanyKanefa ny vahoaka mahantra foana ihany  Ny trano fiangonana hipoka etsy sy eroaNy ankamaroan'ny gasy mpivavaka avokoaKanefa mahagaga fa mainka koa sahirana Ny fiainam-pirenena … Continuer à lire Afobe sa paradisa?

Delesitazy

Delesitazy

Vao tonga ny marainadia efa reraka ny sainaSatria vao miditra biraodia inona hoy ianao? Tapaka ny jiro tsy misy azo ataoDia toy izany foana isan'andro izaoLeo tena leo amin'ny delesitazy(LBP mihitsy SNBV)  Ny mpitondra mifanesy no tsy mahavita azy dia ny vahoaka no mijaly sy voasazy    Aiza ve leiretsy ka tsisy fanavahana fa na toeram-piasana na … Continuer à lire Delesitazy

Gasikarako

Gasikarako

Kanto loatra ianao ry tanikoTsy atakaloko na ovianaTena tiako sady mamikoSatria tany nihaviana Na tsara aza ny any ampitaMandroso sy manan-karenaEto aho no hiezaka ho tafita Ho sambatra an-tanin-tena  Nitsangatsangana aho no tanyNianatra sy niasa koaKanefa vetivety ihanyNiverina nitodi-doha Eto mantsy no anjarako Teto no niandohakoTohizako eto ny tantarako  Eto koa no hiafarako Rasamy

Tantara no hitsara

Tantara no hitsara

Na inona na inona zava-bitanaona maro koa na vitsy ny zavatra nataodia tsarovy foanafa na ahoana na ahoanadia tsy maintsy misy olona tsy faly amin'izanyIzay mihitsy mantsy ilay fiainana an-tanyMisy ny mpanohana dia misy mpanakianaMisy foana olona tsy mahita fifalianaToa satriny aza indrisyny vitanao tsy hisyNy zavatra iriny dia tsy hahomby akory iny tanjonao inyMankarary azy … Continuer à lire Tantara no hitsara

Manoratra aho satria

Manoratra aho satria

Manoratra aho satria, nomena talentaNa toa aza tsotsotra tsy tena avo lentaToy ny an'ireo mpanoratra malaza be fahinyDia tia manoratra aho fa aza omena tsiny Manoratra aho satria, mamelona ny tenyIo no tenin-drazako, no sady tenin-drenyTsy tiako ho vonoina, tsy tiako ho vofafaIlay teny malagasy ambony noho ny hafa Manoratra aho satria, misy zavatra ambara Io … Continuer à lire Manoratra aho satria

Mirary soa

Mirary soa

Endrey izany hafaliana, fa vaovao ny taonaFeno fitsikiana fa mbola  tafahoanaSamy velon'aina, tsy nody ho vovon-tany Tratry ny marainan'ny taom-baovao androany  Dia mirary soa e,  ho taona feno mamyTsy hisy loza hanjo, fa ho fifaliana hatrany Ho  ambinina, ho salama, ho tojo izay irinaHo lavim-pahantrana, fa tena ho taona zina Raha nisy ny  tsy nety, raha nisy koa … Continuer à lire Mirary soa

Dadabe Noely ô!

Dadabe Noely ô!

Ry Dadabe Noely ô,Raha ho avy ihany ianaoMiangavy re... raha mbola azo ataoMba itondray rano eny isan-tokantrano fa dia mijaly loatra Mila tsy ho zaka fa tena tafahoatra izato toetr'andro sy ny zava-misy Alaivo sary an-tsaina anie ilay rano tsisy eNa ny olon-tsotra, na ny mpandraharaha Tsy lazaina intsony ny momba ny tantsahaKivy noho 'ty olan-drano toa tsy mety hivaha … Continuer à lire Dadabe Noely ô!

Ho sitrana ianao

Ho sitrana ianao

Tsaroako tokoafa mafy ny manjoireo olona marary anaty hopitalyMitaraina mafy, mikiaka fa mijaly Tsy afaka miarina fa mandry am-pandriana Tsy afaka manoatra dia mivavaka manginaMivavaka ao am-pony sy ao an-tsainy ao"Andriamanitra ô, vonjeo raha sitrakao Sitrano re ny aretikoAkombony re ny ferikoAvereno re ny heriko"  Raha toa ka toy izanyianao re androany dia indro ampahereziko, aza mitomany Ny vavakao anie … Continuer à lire Ho sitrana ianao

Sipa manjakely

Sipa manjakely

  Manja tena manja iny sipakely inyMiendrika anjely mbola virijinyJereo izato ranjonyKanto ery ny akanjonyFatratra ny bikanyIzaho isaky ny hitanydia saikatra ny vavakomena be ny tavakoTe hibitsika aminy izato fitiavako Kanefa moa indrisy Ny vola moa tsy misyfa foana izato paosy sady tsy bogosy Ny hany azo atao dia mijery fotsiny ihany Tsy sahy na dia fotsiny hoe hananihanyRaha … Continuer à lire Sipa manjakely