Mahavariana kosa isika indraindray
Halantsika loatra mantsy ny frantsay
Tampoka eo anefa dia isika ihany
No maniry mafy ho any an-taniny any
Milaza ho tsy tia frantsay mpanjanaka
Nefa ny fiteniny no ampianaran-janaka
Maro tena maro koa no tsy tia karàna
Lazaina fa mpangorona harena eto an-tanàna
Nefa etsy andaniny mampanontany tena
Fa ny magazainy no maro mpiantsena
Mitovy tsisy valaka amin’izany ihany koa
Ny fihetsitsika manoloana ireo sinoa
Mainka loza moa, isika mahalala
Tsy ny vahiny ihany no maro mpankahala
Ny gasy samy gasy koa tsy mifankatia
Gasy mody mihavana, mihatsaravelatsihy
Ory hava-manana, efa hiaraha-mahita
Halantsika aza izay gasy mba tafita
Fanina ny ankizy, tsy hainy intsony izay atao
Manko halantsika izao tontolo izao
Rasamy