Manàna faharetana

Manàna faharetana

Anaka,
Tsy tongatonga hoazy re ny fahombiazana
Matetika ny lalana dia sarotra sy mazana
Mila fikirizana sy fifehezan-tena
Tsy mora kivikivy raha misy faharesena

Manàna faharetana amin’izay atao
Manko any aoriana dia ho tsapanao
Fa tena mahasambatra ny valin-kasasarana
Vokatry ny ezaka tsy nisy fitsaharana
Sy noho ny herim-po sy fikelezan’aina
Ary noho ny fahaizana mampiasa saina

Ny hoe tafita koa tsy hoe miliaridera
Nanankarena tampoka nanapoaka afera
Fa zava-dehibe ilay manoratra tantara
K’ireo tanjona kinendry no tratra soamantsara
Tratra noho ny asa natao sesehena
Ireny no nivadika ho vola sy harena

Rasamy

Laisser un commentaire