Efatra amby dimampolo izao ny taona izay niainako
Efa zokinjokiny ihany raha ny toetra sy fisainako
Tsy afaka hiteny intsony hoe izaho anie mbola tanora
Satria manomboka mandeha sy mizotra moramora
Mihamanantona ny farany, ho lasa vovoky ny tany
Fa mbola velona aho aloha dia mifaly androany
Faly tamin’ny efa vita sy amin’izay mbola kasaina
Ny fiainako anio dia isaorako Ilay Tompon’aina
Satria tsy anaty fahantrana na koa hoe fahakiviana
Tsy milanja zioga akory na koa votom-pahoriana
Tsy lafatra ihany koa anefa, fa olona tsy lavorary
Tokana ny faniriako, dia ny ho salama tsy harary
Rasamy