Tsisy fiadanana mihitsy ilay vahoaka
Toa ratsy daholo ny vaovao mivoaka
Hala-jaza etsy, vono olona eroa
Manimba ny saina sy mankarary fo
Romotra ny olona, sady mitaintaina
Toy ny tsisy vidiny mihitsy manko ny aina
Mampivarahontsana ny zavatra miseho
Sady mahakivy no zary mankaleo
Iza mihitsy ary no fositra amin’izany ?
Tombotsoan’iza raha tsy milamina ny tany?
Moa va ny very seza no manao valifaty?
Sa lasa mpaka taova ny mpaka taolam- paty?
Sa ve ny mpitondra no mitavozavoza?
Sa ireo mitambatra no fototry ny loza?
N’inona n’inona ambara dia be ny fahavoazana
F’ilay fanavaozana tsy tena mbola tazana
Rasamy