Fetin’ny Ray

Fetin’ny Ray

Eny e, fandretsika ombieny
hoe hafa ihany i Neny
I Neny izao sy izao,
ilay Neny tia anao
I Neny ilay nitondra ankibo sivy volana
Ilay mpanambitamby raha sendra misy olana
Ny hatsaran’i Neny tsy hary ho voatanisa
Neny be fitia sy ny sisa sy ny sisa
Ary dia ny fetiny no tena ankalazaina,
fa kosa ny an’ny Ray somary fety maina

Asa re nahoana
fa toy izany foana no mitranga isan-taona
Saingy ny Ray moa,
tsy dia mivaky loha
Na misy na tsy misy ny fankalazàna,
izy mahay mirevy irery ao an-tanàna,
na miaraka amin’ny namany any an-dalana any
Dia avelao re izy e, f’aza manontany
hoe taiza indray i Dada no tara androany
Ny Reny efa sambatra omena andro iray
Fa ny andro sisa kosa aleo fetin’ny Ray 😃

Rasamy

Laisser un commentaire