Lolo hafahafa

Lolo hafahafa

Misy ny lolo izay fahitantsika Tena tsara endrika sady manam-bika Saingy mahavariana sy mahavalalanina Maloto no tiany lalaovina sy hohanina Angamba toa izany, misy olona any ho any Ny fisehoana ivelany dia tsisy toy izany Kanefa ny ao anatiny fisainana maloto Toy ny hoe anjely kanefa jiolahim-boto Rasamy

Badoina sy ambakaina

Badoina sy ambakaina

Indrisy, mahalasa saina sy mankarary ny aina ny mahita ireo vahoaka izay nampahantraina. Hany ka badoiny fa mora ambakaina Tsy hitany intsony izay lalana haleha Foana ny hambom-pony sy izay mety ho rehareha Manaiky izay ataon’ny mpanao politika Miaraka mirona toy ny ondry miara-mita Antsoiny mba hitehaka sy hihoby azy dia iny fa manaraka toy … Continuer à lire Badoina sy ambakaina

Ankafizo ny fiainana

Ankafizo ny fiainana

Moa va re mba fantatrao fa amin'izao ora izao misy olona mijaly any anaty hopitaly Tsy afa-miarina am-pandriana na dia manam-paniriana mba hivoaka isan'andro na maraina na antoandro. Na ny tongotra aman- tanany tsy afa-miasa ho an-janany. Tsy afaka mba miala voly na hamonjy ny tempoly. Eny indrisy tsy afa-bela Ny aretina no tsy mamela … Continuer à lire Ankafizo ny fiainana

Voafehy sa tsia ?

Voafehy sa tsia ?

Moa va re voafehy ity aretina ity? Misy mantsy olona mieboebo ery Milaza ombieny ombieny fa tena mahavita Resintsika lavitra aza hono ny any ampita Volabe koa hono no azo avy any andafy Kanefa ny mpitsabo toa zary mihafihafy Tsy ampy ny fitaovana sy ny fanafody Ny olona marary aza mangasihasy mody Mahay mandahan-teny tsisy … Continuer à lire Voafehy sa tsia ?

Aiza ny marina?

Aiza ny marina?

Mbola ho hita ve ny marina tamin’ny vola nangalarina nalefa anio sy omaly any am-paradisa fisikaly? Mbola ho hita ve ny marina ka ho gadraina sy tratrarina ‘reo adala mafy hatoka nanimba sy nandoro vakoka? Moa tena tsy hita ve ny marina sa mody sarotra takarina nefa rà mandriaka miharihary toy ilay fito febroary? Rahoviana … Continuer à lire Aiza ny marina?

Dada kosa …

Dada kosa …

Ny reny foana mantsy no lazainafa tena tia ny sombinaina Toa izy irery ihany no ambara hatrany hatrany fa tena tsy mahafoy sy mikarakara ireto zanaka amam-para. I dada kosa etsy andaniny na miahy mafy ny ankaninytoa tsy lazaina loatra ny herim-po izay laniny.Nefa izy dia mangina fa ataony ho fifaliana ny mahita an-janany, ravo … Continuer à lire Dada kosa …

Misy antony

Misy antony

Misy antony matoa mbola velona sy miaina Nomena vatana sy hery ary koa fanahy sy saina Matoa mahazo  tombon'andro ijanonana eto an-tany Dia tsy tonga hoazy akory izany rehetraretra izany Misy antony avokoa izay mitranga amin'ny fiainana Na ny hiakam-pifaliana na ny sentom-pitarainana Ts'isy koa kisendrasendra fa samy manana ny anjarany Fandalovana ny eto ka … Continuer à lire Misy antony

Dada hendry sa adala?

Dada hendry sa adala?

  Raha ny tononkalo fandrentsika ombieny Matetika milaza mamerina miteny Fa hafa foana i Dada, tsy misy toa azy Ilay dada miran'endrika sy tia mivazivazy Nefa ihany koa masiaka be ronono I Dada ilay mitondra ny zanany hanjono I Dada miasa be, manao vy very ny ainy Miahy isan'andro ireto sombinainy Miaraka mizara ny mamy … Continuer à lire Dada hendry sa adala?

Raha mbola velon-dreny

Raha mbola velon-dreny

Raha toa ka mbola velona ilay reninao niteraka Na aza efa antitra lazainao fa mandreraka Dia tsarovy foana, raiketo ao an-doha Fa iny anie ilay Reny izay nahitanao soa Ilay nitondra am-bohoka efa ho sivy volana Tsy nanala zaza nandray anao ho olana Matoa ianao koa velona dia tiany amin’ny fony Satria dia fanomezana avy … Continuer à lire Raha mbola velon-dreny

Ny ankaniko

Ny ankaniko

Endrey izato ankaniko Tiako sady mamiko Vokatry ny herim-poko ary koa ny fisasarako Ao ny ahy no misy ny tena fahasambarako. Ka na tsara sady raitra mahasarika manaitra ireo trano be mijoalajoala sy efa maro mpahalala hitako any am-pandehanana any Ny ahy ny tranoko hafa ihany Tena tiako sy lalaiko Io no lova mba avelako … Continuer à lire Ny ankaniko