Misy ny masazy manala havizanana Orina daholo ny tongotra aman-tanana Ny kibo sy lamosina, valahana ihany koa Hatrany am-paladiha ka hatrany an-tampon-doha Fa misy koa hono masazy hafakely Masazy izay ataon'ny tovovavy manjakely Tsy manala vizana fa safosafon-tanana? Masazy sandosandoka misy "famaranana" Rasamy
Mibaby trosa
Mahantra ny vahoaka Tsy mety tafavoaka anatin’ny krizy sy fahantrana lalina Toa mihamilentika andro aman’alina Mba miezaka ihany fa tsy mandany andro misento sy tomany Miasa sy mitozo Na dia efa vizana sy mangozohozo Ny hanina ampitso mantsy tsisy mba mangirana Ny hatokona anio aza mbola manahirana Ny aina efa reraka, ny adidy koa miavosa … Continuer à lire Mibaby trosa
Isika asainy mihiboka
Isika asainy mihiboka mijanona an-trano Voasazy raha sendra tratra alina mivoaka Fa misy ny mpitondra tsy mody raha tsy mamo Mirevy any ivelany amin’ny tsaky sy ny toaka Isika nofeheziny noho ny aretina mandalo Nampiharany hamehana ara-pahasalamana Kanefa etsy andaniny nanjaka ny « dahalo » Nividy rendrarendra tamin'ny volam-panjakana Isika notereny mba hanaiky izay lazainy … Continuer à lire Isika asainy mihiboka
Solon-trano bongo
Trano kely tsotra sady tsy mba lafo vidy Kanefa any an-tanàna ka tena sarobidy Tsy amidy tsy atakalo na ampitso na anio Trano famantanana haka rivotra madio Solon-trano bongon'i Nenibe fahiny Avela holovain'ireo zaza ankehitriny Porofom-pitiavana miampy ny finiavana Fa tena tsy adino ny any an-tanindrazana Izao no hafatrafatra ry zanaka amam-para Raha toa ianao … Continuer à lire Solon-trano bongo
Kambana
Zaza kambana ankiroa No indreo fa tonga soa Dia i "Mifalia" sy i "Miravoa" Misaotra indrindra ry Tsitoha Misaotra noho ny fitahiana Endrey ravo ny fianakaviana Tonga mantsy ireo nirina Tondraka ny fifaliana Ny Ray sy Reniny arahabaina Fa nahazo sombinaina Nomeny zanaka sahaza Lehibeaza haingana ny zaza Dadatoa Rasamy
« Resa-tselfie »
Mahagaga mihitsy ny fisainantsika Fa raha sary mampiseho endrika amam-bika Dia indro mihazakazaka miara-mankafy « Mi-jaime » daholo mahita « selfie ». Faly ery mizara ilay sary indray mipika « Photoshop » koa mahavita zavatra majika Dedaka mahazo « sary fo » be dia be Miampy « coms » miteny hoe « ndry tsara tarehy». … Continuer à lire « Resa-tselfie »
« Mifalia » sy « Miravoa »
Anaty fo feno hafaliana Saina feno fitsikiana No andraisako ny peniko Ka hanoratako ny teniko He taona maro mantsy izay No efa niandrasanay Ity andro mamy loatra ö ry Ray ô Misaotra Dera no Asandratray Ho Anao Mandrakizay Misaotra noho ny valim-bavaka Hafa loatra tena miavaka Niangavy mantsy dia nomena Nitaraina dia nekena Niantso dia … Continuer à lire « Mifalia » sy « Miravoa »
Voady vao
Ny andro moa ririnina Mangatsiaka mamanala Etsy ianao fihinina Ry vadiko malala Zaraiko hafanana Fitia mitafotafo Vao mainka moa mafana Eto am-pisoronan'afo Dia lasa eky ny saina Mandinika ny lasa Be ireo nosedraina Maro ireo kinasa Tao ny adiady Sy ny kisakisa Ny olana nianjady Tsy hary ho voatanisa Fa maro koa ny tsara Be … Continuer à lire Voady vao
Lolo hafahafa
Misy ny lolo izay fahitantsika Tena tsara endrika sady manam-bika Saingy mahavariana sy mahavalalanina Maloto no tiany lalaovina sy hohanina Angamba toa izany, misy olona any ho any Ny fisehoana ivelany dia tsisy toy izany Kanefa ny ao anatiny fisainana maloto Toy ny hoe anjely kanefa jiolahim-boto Rasamy
Badoina sy ambakaina
Indrisy, mahalasa saina sy mankarary ny aina ny mahita ireo vahoaka izay nampahantraina. Hany ka badoiny fa mora ambakaina Tsy hitany intsony izay lalana haleha Foana ny hambom-pony sy izay mety ho rehareha Manaiky izay ataon’ny mpanao politika Miaraka mirona toy ny ondry miara-mita Antsoiny mba hitehaka sy hihoby azy dia iny fa manaraka toy … Continuer à lire Badoina sy ambakaina









