An’Andriamanitra ny famaliana

An’Andriamanitra ny famaliana

Tomany ny fianakaviana
Lasa ianao ry Haingotiana
Tsy hita intsony izay tenenina
Maty tsy nialàna nenina
Tsy aretina tsy notsaboina
Fa fanahiniana novonoina
Tsy nasiana indrafo
Tena mahavaky fo

Mitomany izahay, mahatsiaro ho marary
Satria ireo olo tsy manjary
No namono tsotra izao
Nanapitra ny andronao
Sady tsisy fitsitsiana
Fa tena feno habibiana

Mainka nitombo ny fitomaniana
F’iny andro iny ry Haingotiana
Hay ianao afaka baka
Mafy mila tsy ho zaka
F’ilay androm-pifaliana
No lasa androm-pahoriana

Anio izahay te hitroatra
Manko efa tafahoatra
Ny fahoriana izay manjo
Te hamaly faty koa
Kanefa, … mifona re ry Haingotiana
Fa nisafidy ny hangiana
Satria, … an’Andriamanitra ny famaliana

Rasamy

Laisser un commentaire