Sedra

Sedra

Mafy koa raha mafy ny sedra nandalovana
Ny fo no narary, ny vatana torovana
Satria dia tampoka eo tsy nisy nanampo
Fahoriana lalina no nihatra sy nanjo

Mainka koa nanampy ny eso sy ny latsa
Nampitombo indray ny sento sy ny ratra
Soratany daholo izay tonga tao an-tsainy
Ilay manendri-dresy dia zavatra mba hainy

Nefa izahay hijoro, tsy hitanondrika intsony
Ny famaliana moa nankinina amin’ny ao Ambony
Ny hoavy no banjinina, ny hambompo hakarina
Ny lasa hadinoina, ny saina no amboarina

Tantely amam-bahona manko ny fiainana
Mila manaiky izany mihitsy ny fisainana
Ny omaly ranomaso, ny ampitso ho fifaliana
Tsy natao handrendrika ny sedram-pahoriana

Rasamy

Laisser un commentaire