Sedra

Sedra

Mafy koa raha mafy ny sedra nolalovana
Ny fo no narary, ny vatana torovana
Satria tampoka eo tsy nisy nanampo
Fahoriana lalina no nihatra sy nanjo

Mainka koa nanampy ny eso sy ny latsa
Nampitombo indray ny sento sy ny ratra
Soratany daholo izay tonga tao an-tsainy
Ilay manenji-dresy dia zavatra mba hainy

Isika anefa hijoro, tsy hitanondrika intsony
Ny famaliana moa efa an’ny ao Ambony
Ny hoavy no banjinina, ny hambompo hakarina
Ny maty tsy hiverina, ny saina no amboarina

Tantely amam-bahona manko ny fiainana
Mila manaiky izany mihitsy ny fisainana
Ny omaly ranomaso, ny ampitso ho fifaliana
Tsy natao handrendrika ny sedram-pahoriana

Rasamy

Votre commentaire