Mivavaka isika, mivavaka eny foana
Mivavaka ao an-trano sy any am-piangonana
Mivavaka isan’andro, eny mandavan-taona
Na misy fahoriana na fety aman-danonana
Mivavaka isika rehefa hihinam-bary
Andriamanitra ô tahio ny sakafonay
Omeo ireo tsy manana, sitrano ny marary
Hatramin’ny ankizy mivavaka ohatr’izay
Maro ireo mivavaka alohan’ny fandriana
Misy koa mivavaka fa tonga ny maraina
Mivavaka misaotra sy mangata-pitahiana
Mandohalika mifona ihany koa sy mitaraina
Mahalasa saina ny mitranga eto an-tanàna
F’isam-pokontany dia rakotra tempoly
Gasikara anefa tsy afaka amin’ny fahantrana
Mitombo ihany koa ny fisainana devoly
Rasamy