Ny vavahady tompoko tsy atao fakana sary Fa fanidiana trano tsy idiran’olo-tsy manjary Ny any aminareo re no alefaso fesiboky e F’aza an-tanin’olona ianareo no misoloky Ny alikanay re tompoko, dia alika mivovoa Fa tsy hoe alikakely fakanareo vovoa Ny vovoa re tompoko dia zava-maniry e Sa tain’alika indray no ambolena mba hitsiry ? Ny … Continuer à lire Resak’adala
Catégorie : Fiaraha-monina
« Biometrika »
Hoy ny fanjakana hoe : antsoina avokoa isika Mba hanova « permis » ho lasa « biometrika » Isika tsy ambakan-drizareo avy any ampita Ary izany dia marihana ho toy ny zava-bita Dia iny fa nilahatra nandeha namikavika Nisy niari-tory, niandry karatra « majika » Faly ery avy eo nalaina sary indray mipika Kinanjo hay … Continuer à lire « Biometrika »
Voafatotra
Indraindray dia mahagaga Tena mampitolagaga ny mahita olona tsy matotra fa mora voafatotra. Lasa miankin-doha amin’ny zava-tsisy fotony Vao mainka aza sarotiny raha sendra ka tenenina hoe ialao io fa tsy tsara Ianao mananatra azy indray no ataony fa adala Misy ny voafatotry ny sigara sy rongony dia tsy tafavoaka intsony. Malemy dia malemy ary … Continuer à lire Voafatotra
Mpitsiriritra
Mahagaga f’any ho any misy foana hatrany hatrany mody mba mipitrapitra nefa hay mpitsiriritra ny fiainan’olon-kafa. Hany ka toa hafahafa ny fihetsiny rehetra. Lasa ratsiratsy toetra. Tsy mety faly sy afa-po f’iriany ho azony avokoa izay hitany etsy sy eroa ataony mankarary an-doha. Moa tsy zary mahatalanjona fa ny hafa indray no ataony tanjona tiany … Continuer à lire Mpitsiriritra
Mampandositra
Misy olona isan’andro Tsy maraina tsy antoandro Hafahafa mahavariana Tsy mba misy fifaliana Fa mimenomenon-dava Mitsikera lalandava Hita soritra amin’ny tavany S’izay avoakan’ito vavany Ny fomba fiaina sy fisainana Tsisy afa-tsy fitarainana Nefa tsy mahantra akory Na fadiranovana sy ory F'angamba efa voa ny sainy Tsy hainy intsony izay ilainy Miiba lalandava izao Ny firesany … Continuer à lire Mampandositra
Ilay fitia
Ireny adinay fahiny efa adino ankehitriny. Ny henjika sy famonoana aleo hodiana tsy tsaroana. Na ilay didim-pitsarana mariky ny hadalàna izay niantso figadrana mbola ao fa tsy hay fafàna. Kanefa, .... Angamba adala tamin'ireny na dia nanarina ombieny. Ilay fananana voadoro satria tsy laitra mba natoro. Ripaka avokoa ny harena fa tsy nahay nanetry tena. … Continuer à lire Ilay fitia
Ny vola
Ny vola hono maharangahy nefa koa fakam-panahy. Sady fototry ny haratsiana no loharanom-pifaliana. Ny vola hono tsy hangidy fa ianao no misafidy. Na ianao ho andevony ka ho potika sy levony. Na ianao no hotompoiny tsy ho andevoziny intsony. Mba amboary re ny saina dia mba mahaiza koa miaina. Fa tsy vola vola foana no … Continuer à lire Ny vola
Maimbo helika
Malaza indray izao fa tao Tsimbazaza tao hono nisy maimbo helika nefa pelipelika tsy azo notenenina fa nanao be marenina. Nibosesika ihany ka namofona aok’izany tao an-dapa tsara be fivorian’ny depiote. Dia niakatra ny feo Mivoaha aloha nareo Roak’aliaka tsy ankitsitsy Tsy natao ho an’olombitsy fa mpanao gazety maromaro izay tsy tiany hifangaro. Satria lazainy … Continuer à lire Maimbo helika
Soa fa nisy vehivavy
He tsapa ery mazàna fa misy fahabangana ny ao an-tokantrano ao raha toa ny vehivavy ka sendra mba mandao. Na andro vitsy monja tsy maharitra akory dia io ralehilahy fa tsy mahita tory. Indrindra sanatria hoe lasa nodimandry ilay vady andefimandry dia maro ireo lehilahy no osa vetivety toa antitra malaky fa tsy mba metimety. … Continuer à lire Soa fa nisy vehivavy
Ny azy sy ny antsika
Ny azy ny herinaratra efa ny herin’ny masoandro Ny antsika mbola solika no miakatra isan’andro Ny azy politika no mitondra fandrosoana Ny antsika fanonganana no tena imasoana Ny azy ny tanàna madio sy tsara voatra Ny antsika zaoridira no mila hampitroatra Ny azy efa ho paradisa izay jeren’ny maso Ny antsika izay mijoro indray no … Continuer à lire Ny azy sy ny antsika









