Catégorie : Fiaraha-monina

Zaza esorina

Zaza esorina

Neny ô, izaho moa izany izaotsy aiza f'ato an-kibonaoVokatry ny sitrapoSy fitiavanareo roaNefa gaga aho ry NenyIzaho moa tsy afaka mitenyTsy mba tanana handrangotraTsy afaka ny hisarangotraTsy mba tongotra hitsipakafa manaiky ho aripaka Ny hany sisa ho lazaikoalohan'ny hahataperan'ny aikodia lazao re ilay raikomba tsy ny filàny no mibaikofa hahay hitandrina amin'ny sisa  satria dia … Continuer à lire Zaza esorina →

Mama saosy

Mama saosy

Misy etsy andaniny tovolahy bogosy Saingy dia indrisy fa foana izato paosy Dia iny fa mikaroka lalana ivoahanaMitady ramatoa manam-bola iarahana Dia misy ramatoa ihany koa etsy ankilany Mila tovolahy, tiany mba ho silanyLehilahy tanora, bogosy sy matanjaka Tiany tena tiany ny mijery azy mitanjaka Dia mifanojo teo ny ankilany sy andaninyIlay tovolahy moa mihinana izay laninyRavehivavy kosa zary miramiran-tavaTsy … Continuer à lire Mama saosy →

Tora-bato miverina

Tora-bato miverina

Tsy misy miala maina raha mbola eto an-tany Ny ratsy atao anio tsy maintsy mbola hivaly ihany Na tsy hivaly vetivety aza fa any aoriana anyNy adala ihany sisa no tsy mety mino izany Izay nanenjika ny hafa tamin'ny lainga tsara lahatraMbola hizaka fanenjehana mitohy tsy ankitsahatraNy olona mpandainga dia ho voafatotry ny vavanyMbola ho avy … Continuer à lire Tora-bato miverina →

Solelaka

Solelaka

Misy mpisolelaka tsy hiova izany mihitsyNa lalana mibiloka lazainy fa mahitsyNa efa maintimainty lazainy ho fotsifotsyNa ny lambamena lazainy ho bodofotsy Toy ny tsy mahalala menatra intsonyFa dia misolelaka amin’ny olona tompoinyNy fahazoana seza no masaka an-tsainySolelaka no tetika mba hitany sy hainy Ny olona mahantra marobe eto amy taninyNy sasany aza hoditra kiraro sisa … Continuer à lire Solelaka →

Resak’etotra

Resak’etotra

Moa ve fahotana sa fahasalamana ny etotra tsy tana? N'iza n'iza mantsy, n'aiza n'aiza koaNa mizipo ianao, na mipatalohaDia ho avy ny fotoana hangetongeto-poana Tsy fanahy iniana fa lasalasa hoazy Etotra tsy tana fa tsy hoe vazivazy Fa misy karazany ny etotra tsy tanaAo ny misy fofona manenika tanàna Ny sasany mangetotra maneno mafy beDia ao ny tsisy feo fa mitsifotra … Continuer à lire Resak’etotra →

Tsy haiko

Tsy haiko

Raha ny zavatra efa haikono handeha hotanisaikodia mino aho sy matokyf'efa hahavitako boky Fa raha ny zavatra tsy haikosy tsy takatry ny saikono handeha hotanisaina ... dia tranom-boky no ilaina Rasamy

Mbola hihaona

Mbola hihaona

Andriamanitra ô, Vahotra ny lelako, mangovitra ny vavakoTena malahelo sy manjombona ny tavakoNoho ny fahoriana manjo ireto havakoKoa indro re henoy izato tonom-bavako Andriamanitra ô, Mangidy ny mahazo ny fianakavianaMisesisesy loatra mantsy ny fitomaniana Te hikiaka mafy aho nefa aleoko indray manginaSatria avy Aminao ihany koa ny fahoriana  Andriamanitra ô, Tsy afaka manoatra fa tsy maintsy mankato F'izao no anjara … Continuer à lire Mbola hihaona →

Toneo ny foko

Toneo ny foko

Ray ô, omeo fo tony aho raha toa ka sitrakao Mba tsy  hankahala noho izao zava-misy izaoTorovana ihany manko ny saina amam-panahyMahita ny mahazo ireo manodidina ahy Fianakaviana firy no misedra fahoriana Tokantrano maro no mizaka fijaliana Latsaka an-davaka ihany koa ny firenena Misy ny mpitondra anefa mampanongo tena Tsy tahotra tsy henatra fa manampahefanaNo miteniteny foana ary tena … Continuer à lire Toneo ny foko →

Namela mamy

Namela mamy

Eny lavo ny andrarezina, tena tohina ny foIlay andry niankinana, sady zoky lahimatoaIlay vady tena tia, tsy nahafoy ireto zanany Ilay fihatahatan-dreny, tia mizara ny eny an-tanany Lehilahy fohifofy sy somary botabotaOlon-tsotra be fitiavana lavitry ny sotasotaLehilahy tia nanampy sy nanavotra ny havanyTsikitsiky lalandava no fahita amin'ny tavany Tena tia mivazivazy sady tia mivazovazoMpampitraka ihany koa … Continuer à lire Namela mamy →

Tokana ny aina

Tokana ny aina

Toa tsy hitahita akorydia tsy olona matoryno hitanao fa matyMaty tena matytampotampoka eonefa anie ka olona salama izy anikeoTsy ampoizina mihitsyfa tena tsy mitsitsyilay Corona mamono Tsy anganoangano na mbola honohono Dia lasa teo ny saikoMety ho faty koa ny aikoHo avy koa ny anjarakoHo vita ny tantarakoTsisy fampiomananana fifandraisan-tananafa poa toy izaydia ho mandrakizay Alevina androanyIreo … Continuer à lire Tokana ny aina →