Indraindray ry namako dia lazaiko anaof'amin'izao andro iainantsika izao,dia tsy ratsy mihitsy akory,tokony hahafaly aza fa tsy manorisoryilay mandehandeha na mipetraka irery.Mitokatoka-monina somary manireryLavitry ny toerana misy olo-maroSomary mihatakataka tsy te hifangaro Fa miaina am-pilaminana Anaty fahanginana Manao izay tiana atao tsy mila olon-kafa Tsy mitady olona mba hitafatafa Raha toa ary ianao ka mahita fifaliana fa tsy akory sanatria … Continuer à lire Mifaly irery
Virijiny
Eny hoy aho rankizysomokotra izay tsy izyizato ianareo fa hoe mpifakatia,handeha hifanjohy sy hiaradiasatria andro miavaka ity anio ity. Zatra mifanoroka fotsiny hatrizay,fa anio kosa dia hono andro iray,te hanome porofo,ka na tsy mbola mpifamofo,mety tsy hivady akory, dia iny tapa-kevitra fa hiaraka hatory. Roboka tanteraka ireto zazavavy Ireny fa namonjy ny olon-tiany avySodokan-tambitamby ataon'ny lehilahydia iny vonombonona … Continuer à lire Virijiny
Verivery foana
Firifiry izay ny tolona teto amin'ny firenenaIzay nivoaka ho mpandresy dia indreo nampanantenaFa ho tsara ny hoavy, efa azo izao ny lesona Ny azy hay no nihatsara, ny vahoaka no niesona Izay rehetra tonga teo dia nahagaga mahavariana Milaza hanao ny famotorana, hanokatra fanadihadiana Satria dia betsaka ny maty, maro koa ireo naratraNy famotorana tsy vita, ny tompon'antoka … Continuer à lire Verivery foana
Sakaizan’ny mpandresy
Misy tena misy ny sakaizan'ny mpandresyTsy laitra izy ireny rehefa injay ka resyny ekipa izay tohanany,fa avy dia kantsanany.Ranona no diso e, tena tsy mahayEsory any ireo fa tena tsy milayOlona tsy alehany, tsisy ilavana azyRavao any mihitsy sady omeo ny sazy Kinanjo aty aoriana vao mibata fandresenaIny ekipa iny ihany tsy nitombo tsy nihenadia … Continuer à lire Sakaizan’ny mpandresy
Efao ny trosanao
Avereno re ny volany raha toa ianao nitrosaMahagaga mihitsy fa dia misosasosa ny vavanao miteny rehefa hoe hangatakaKanefa aty aoriana dia mody mihatakataka Omeo tsisy farany, ao mba ampindramoFa rehefa hamerina dia mikatramotramoSady tsy mangina fa mbola basivava Gisa homan-ketsa k'izy indray no avo vava Iny volany iny anie ka vidin-katsembohanaAzy dia takiany, f'aza dia kepohanaMankarary azy … Continuer à lire Efao ny trosanao
Iny lalana iny
Iny lalana iny dia tsisy nanamboatraPotika tanteraka, tena tafahoatra Taona maromaro tsisy mba nikarakara Izao mitera-doza ary koa manimba fiara Iny lalana iny, satria ve tsy azo haninaDia nodiana tsy hita sy nodiana faninaHany ka mikatso ny seham-pihariana Ireo mpivezivezy moa mizaka fijaliana Iny lalana iny, tsy azo aleha intsonyToa sanatria tsy hitan'ny olona ambony Izy moa manidina tonga … Continuer à lire Iny lalana iny
Mampanongo tena
Efa mila hampitroatrafa tafahoatra loatra ny mitranga ankehitriny.Ialàko re ny tsinyfa sady mahamenatra no koa mahararyTsy azo afenina intsony fa hita mihariharyny fahasahiranana manjo ny firenenaToa ratsy avokoa izay vaovao jerenaPotika tanterak'ireo lalam-pirenenaNy jiro sy ny rano mbola tapaka eny foana Hitombo tsy ankijanona ny olona izay noana Satria arivo ariary izao ny kapoakam-baryNy "Euro" iray efa ho … Continuer à lire Mampanongo tena
Mbola afaka
Mifarana ny taonaArahabaina izany fa mbola eto foana Manaova falifaly e, fa n'inona ny sedra mety nampijaly,n'inona koa olana mety nosedrainadia mbola velon'aina. Mahaiza koa misaotra fa mbola misy taona hahafahanao mivoatra Mbola afaka mihaona amy namana sy havana Mbola afaka mizara sy manome fitiavana Mbola afaka miasa mampitombo ny harena Mbola afaka mihira sy mampifaly tenaTsy maintsy mbola hisy koa ny … Continuer à lire Mbola afaka
Amin’izao Noely izao
Amin'izao Noely izaodia irariako ho anaony fiainam-pifalianaanilan'ny fianakavianaHo lavitry ny ahiahyfa na ny saina na fanahydia ravoravo sady tonyMisaotra indrindra ny ao Ambony Amin'izao Noely izaodia entaniko ihany ianao Hahatsiaro kely ireo sahirana Hananany endrika mba miranaZarao na kely fotsiny azaOmeo izay misy sy sahazaSatria tokoa ny Noely Andro tena hafa kely Rasamy
Loham-poza
Angamba fantatsikaf'ireny foza ireny ao anatin'ny sobikadia mifampisintona midina ambanysady mifanaikitra tsisy toy izanyIzay ilay toetram-poza mampiavaka azyTsy miaraka mandroso fa miaraka voasazy Misy mba miezaka hiakatra ihanyNy hafa indray misintona azy hilatsaka amy tanyDia migadra ao daholoTsisy tafavoaka ny foza manontoloNefa dia inona hoy ianao no fiafarany? Lasa foza saosy anatin'ny vilany Inona no lesona azo … Continuer à lire Loham-poza









