Lehilahy tena matotra sady tena tso-piaina Ikoizana tanteraka amin’ny lafiny ara-tsainaTena nanana ati-doha tamin’ny asa nosahaninaNampiaky ny rehetra fa nahay sy matihanina Ilay zoky be fitia izay nanampy ireto zandrinyTafita noho ny herim-pony ary koa ny herin-tsandrinyLehilahy fatra-panaja ny etika nijoroanyIlay mpanompo mahasoa an’Andriamanitra ninoany Ilay raim-pianakaviana tia nampianatra ny zananyLehilahy nanetry tena n’inona n’inona fananany Ilay … Continuer à lire Zoky Joé
Mbola hihaona
Andriamanitra ô, Vahotra ny lelako, mangovitra ny vavakoTena malahelo sy manjombona ny tavakoNoho ny fahoriana manjo ireto havakoKoa indro re henoy izato tonom-bavako Andriamanitra ô, Mangidy ny mahazo ny fianakavianaMisesisesy loatra mantsy ny fitomaniana Te hikiaka mafy aho nefa aleoko indray manginaSatria avy Aminao ihany koa ny fahoriana Andriamanitra ô, Tsy afaka manoatra fa tsy maintsy mankato F'izao no anjara … Continuer à lire Mbola hihaona
Mbola hisava ny taraina
Kivikivy angamba ianao fa tena mafy ny manjoTsy hita intsony izay atao ka mitady hamoy foIsan'andro vaky izao dia toa mandalo fisedranaMandreraka sy mankalao ny olana tsy hay vahana Izay rehetra mba atao toa tsy hahitana fahombiazanaEfa niantso an'Andriamanitra, efa niantso koa ny razana Nefa tsisy mba mangirana mainka matroka sy maizinaManontany tena hoe nahoana loatra … Continuer à lire Mbola hisava ny taraina
Fo mifangia
Tsy ny bika aman'endrikano ilaina, tsy haharendrika fiarahan'olon-droa Fa ny fitia avy ao am-po Tsy ny vola aman-karenana fitiavana terenamihitsy no hahasambatra Fa fo roa izay te hitambatra Tsy ny resam-pirazananana ny resaka fanananano tokony hampiray Fa fo roa izay te ho iray Tsy ho zary fihafianaakory ny fanambadianaraha samy tena tiany fo roa izay mifangia Rasamy
Toneo ny foko
Ray ô, omeo fo tony aho raha toa ka sitrakao Mba tsy hankahala noho izao zava-misy izaoTorovana ihany manko ny saina amam-panahyMahita ny mahazo ireo manodidina ahy Fianakaviana firy no misedra fahoriana Tokantrano maro no mizaka fijaliana Latsaka an-davaka ihany koa ny firenena Misy ny mpitondra anefa mampanongo tena Tsy tahotra tsy henatra fa manampahefanaNo miteniteny foana ary tena … Continuer à lire Toneo ny foko
Namela mamy
Eny lavo ny andrarezina, tena tohina ny foIlay andry niankinana, sady zoky lahimatoaIlay vady tena tia, tsy nahafoy ireto zanany Ilay fihatahatan-dreny, tia mizara ny eny an-tanany Lehilahy fohifofy sy somary botabotaOlon-tsotra be fitiavana lavitry ny sotasotaLehilahy tia nanampy sy nanavotra ny havanyTsikitsiky lalandava no fahita amin'ny tavany Tena tia mivazivazy sady tia mivazovazoMpampitraka ihany koa … Continuer à lire Namela mamy
Tokana ny aina
Toa tsy hitahita akorydia tsy olona matoryno hitanao fa matyMaty tena matytampotampoka eonefa anie ka olona salama izy anikeoTsy ampoizina mihitsyfa tena tsy mitsitsyilay Corona mamono Tsy anganoangano na mbola honohono Dia lasa teo ny saikoMety ho faty koa ny aikoHo avy koa ny anjarakoHo vita ny tantarakoTsisy fampiomananana fifandraisan-tananafa poa toy izaydia ho mandrakizay Alevina androanyIreo … Continuer à lire Tokana ny aina
Ambony moraly
Marary ve ianao? Sa kivy tsotra izao? Sa vizana tanteraka ? Sa kivy sady reraka? Vokatry ny aretina sy fanaintainana? Sa noho ny tsy fisiana sy ny adim-piainana ? Mitonia aloa dia amboary ny fisainanaTsy akory vahaolana izato fitarainana Ny tebiteby mantsy tsy mitondra fitoniana Ny fanafody tsara dia mivavaka mangina Maka saina kely dia mandinika ny atao Tsarovy f'any misy mijaly noho ianao … Continuer à lire Ambony moraly
Vonjeo ny malagasy
Ray ô, alahelo sy tomany no mandrakotra ny tanyMihorohoro ny vahoakaBe ireo tsy tafavoaka maty tampoka indrisyHenjana ny zava-misy Tsy hita intsony izay ataofa mamono tsotra izaoity aretina ityVonjeo ry Rainay be fitia Mangataka izahay ry Ray Omeo mpitondra mba mahay olon-kendry azo anarinasady tia manao ny marina Ny vahoakanao jereoMitalaho sy mitoreoNy tolokony henoyIreo marary mba tsaboyAza avela hangasihasy Vonjeo … Continuer à lire Vonjeo ny malagasy
Mandripaka
Mafy tena mafy ny manjo ny vahoakaTsy horohoron-tany tsy basy koa mipoakaNefa tena maro no lavo sy mijaly Hipoka avokoa izao ny hopitaly Aretina mandoza mandripaka aok'izanyNa kely na lehibe tsy misy hamelanyTokantrano maro no donam-pahorianaMaloka tanteraka namoy havan-tiana Mainka vaky fo sy mitombo ny tomanySatria tsy ankiandry fa ny androtr'iny ihanyDia tsy maintsy alevina … Continuer à lire Mandripaka









