Mandripaka

Mandripaka

Mafy tena mafy ny manjo ny vahoakaTsy horohoron-tany tsy basy koa mipoakaNefa tena maro no lavo sy mijaly Hipoka avokoa izao ny hopitaly Aretina mandoza mandripaka aok'izanyNa kely na lehibe tsy misy hamelanyTokantrano maro no donam-pahorianaMaloka tanteraka namoy havan-tiana Mainka vaky fo sy mitombo ny tomanySatria tsy ankiandry fa ny androtr'iny ihanyDia tsy maintsy alevina … Continuer à lire Mandripaka

Ny poeta

Ny poeta

Ny poeta akory, tsy hoe tonga lafatra raha toa mananatranatra sy tia manafatrafatraamin'izato asa sorany,fa tokana ihany ny tanjona izorany. Mizara tsy ankiato ny voasoratry ny tananaizay mibosesika tsy hainy nosakanana Satria aingam-panahy tongatonga hoazyvokatry ny hafaliana na koa ny vazivazy na noho ny alahelo mahavaky fona mety zavatra hafa mahalasa saina koa na vokatry ny fo midobodoboka fitiaIzany no … Continuer à lire Ny poeta

Izaho mino

Izaho mino

Izaho mino an'AndriamanitraNanao ny tany sy ny lanitraIzaho mino ny fisianyMino koa fa tena tiany Izaho midera ny anaranyEkeko koa izay fandaharanyEny Izy no tompoikoIzay mihitsy ilay finoako Izaho mino Ilay Nahary Namorona ny zava-boary Satria raha tsisy ny mpamorona Moa misy zavatra miforona?  Rasamy

Hafa ihany

Hafa ihany

Hafa ihany anaka ny manam-pahalalànaF'any aoriana any raha mitondra fanjakana Tsy mpanao barofo fa olona misainaMahay mandanjalanja ny zavatra lazaina  Hafa foana ny olona avaram-pianaranaTia mikarokaroka tsy misy fitsaharanaNy olona nianatra dia sarotra badoina Mahay mamakafaka sy liam-pandrosoana Ny fahaizana anaka dia sarobidy ilainaEntina hanatratra ny tanjona kasaina Ny diplaoma kosa taratasy fotsiny ihany Mariky ny ezaka sy ny … Continuer à lire Hafa ihany

Tolory tanana

Tolory tanana

Mandalo sy miserana ny fiainana an-tanyRaha mateza indrindra dia sivifolo ihanyVitsy anefa indrisy no mahatratra izanyNy gasy maro an'isa tsy tonga lavitra any Manko be ny aretina tsy fanta-piavianaTokantrano maro miaina anaty fihafianaMitebiteby lava sy feno fanahiana Ny fiainam-pirenena koa tsisy fitoniana Misy aza moa ireo te hanapitra ny ainy Tsy tantiny intsony ny vesatra zakainyTolory tanana … Continuer à lire Tolory tanana

Tia mizara

Tia mizara

Tsy misy manana ny ampyfa sambatra izay mifanampyTsy misy koa ny tonga lafatraf'izay zavatra hay s'izay takatrano ezahina zarazarainafa sady mampifaly ny sainano mety hanavotra aina Fa aiza ianao io na ho aizadia tsarovy re ry sakaizafa tsisy ny mahavita tenakoa raha misy ny azo omenadia zarao am-po tsy terenatsy iandrasana valim-babenana Tambazana vola sy … Continuer à lire Tia mizara

Mbola sambatra

Mbola sambatra

Raha toa ianao ka mbola misy Dada antsoinaKanefa tsy jerena, na miteny aza tsy henoina Tsarovy f'indray andro hitsahatra ny fonyHanenina ianao f'izy tsy miteny intsony  Raha toa ianao mbola afaka miantsoantso NenyAza manampin-tsofina f'henoy izy mitenySambatra aza ianao mbola afaka miangotyAlaivo sary an-tsaina anie ny fiainan'ny kamboty Raha sady velon-dRay ianao no mbola velon-dReny Dia sambatra … Continuer à lire Mbola sambatra

Fireneko sahirana

Fireneko sahirana

Mararirary ny aikoVizana ny saikoMahita ny manjo izato firenekoZary mahakivy mihitsy izay jerekoAiza ve rey olona ka tsisy fihatsaranaMainka mihalalina aza moa ny fahantrana Mafy koa raha mafy no mahazo  ny vahoaka Maro tena maro no maniry te hitsoakaHandositra any andafy handao ity taninyTsy hitany intsony izay tsirony sy maminy Mahagaga loatra fa tena tafahoatra ny zavatra iainana eto … Continuer à lire Fireneko sahirana

Misy fetra

Misy fetra

Misy fetra lahy izany fahefana izanyNy vola aman-karena koa tsarovy mety lanyTsy hisy ny doria fa mandalo fotsiny ihany Izay ny lalàm-piainana raha mbola eto an-tany Koa ny fizahozahoana sy fireharehanaJadona sy herisetra, fanamparam-pahefanaMba asio fetrany ihany sao dia lasa hadalana Hanenenana any aoriana ka ho ratsy fiafarana Firifiry moa ireo nihevi-tena ho nanan-keryNanampatra ny heriny ka … Continuer à lire Misy fetra

Izay tia adala

Izay tia adala

Tia azy ianao matoa midobodoboka ny foIzay mombamomba azy toa tsara avokoaTsisy hitanao akory izay mety fahalemenyToa satrinao hatrany hiaraka aminy eny Tia azy ianao matoa na misy aza olon-kafaManantona anao mba hiaraka hitafaMiezaka mambabo ny fonao ihany koa Dia izy foana ihany no mibahana an-doha  Tia azy ianao matoa mora lasalasa sainaTsy andrinao mihitsy ny … Continuer à lire Izay tia adala