Isika malagasy aloha dia tena hafa mihintsy Raha hiteny ratsy dia tsy ankitsitsitsitsy Voatonona daholo ity zava-drehetra ity Ra- bory e, Ra-Lena e, ary "Kipipemty" Isika rehefa tezitra, dia manangam-bovona Tia miteny ratsy, sady tia manozona Ompa vary raraka, moa va tsy olon-dia? Tena mahasosotr'ahy ilay "Kipipemty" Misy kosa indray dia hafahafa tsotra izao Efa … Continuer à lire « Kipipemty »
Etsy ange
Etsy ange ianao, Ilazako vaovao Hitako androany Nihaona tany ho any Hono ireo mpifahavalo: "Mapar" sy "Ravalo". Taon-dasa tsy tsaroana Ireo fifamonoana Ady sy fifamaliana Hatramin'ny fianakaviana. Tadidinao reo teny Faheno ombieny ombieny: "Iretsy ireo foza Izay nahavanon-doza Nanongam-panjakana Namotika tanàna" "Iretsy zanak'Osy Ilay nanosihosy Sady vangavanga Mpanao ampihimamba". Izany rehetra izany No re teto … Continuer à lire Etsy ange
Zanahary miangatra
Misy miaina am-pahasambarana Mihinana izay nisasarana Fa misy ny entim-pahazarana Lasa mangataka eny an-dalana Misy miadana aok’izany Tsara sakafo tsara Akany Fa koa mihamitombo hatrany Ireo farahidiny eto an-tany Misy afa-mivavaka ampiangonana Sy mamonjy ireo lanonana Nefa misy ankohonana Mbola mitrongy aloha vao homana Misy mianjaika toy ny anjely Raitra tsy hita velively Jereo anefa … Continuer à lire Zanahary miangatra
Rahoviana
Rahoviana ny vahoaka vao hahita fiadanana Fa mangidy tafahoatra, efa ho isam-baravarana Mila tsy hahatraka intsony, trotraka sy mosarena Very mihintsy ve ny zony, tsy mba misy famonjena Rahoviana vao hiposaka, izany tara-pahazavana Ka fahasoavana no hirotsaka, mba hitondra fihatsarana Hanala ny hirifirim-piainany, tsy hahitam-panafody Mahalasa ny fisainany, vesaran-tsiny ve sa tody? Rahoviana ny maraina, … Continuer à lire Rahoviana
« JIRAMATY »
Dia maty indray ny jiro, tapaka ny rano Ny zaza mitomany tsisy farany ato an-trano Andreheto labozia re fa maizina izy izany Tsy hahita-mitsinjo hatrany an-tokontany Vizambizana e , torovana avy niasa Tonga ato an-tanàna, mailaka hisasa Kanjo kivikivy, io indray fa loza be Ritra anie ity rano, maina ny robinet Ny ankizy etsy andaniny … Continuer à lire « JIRAMATY »
Fesiboky fesiboky
A: Ity fesiboky ity ange ry zareo Miangavy mba avalona hatreo Tsy misy ilana azy io fa avelao Ny asa sy fianarana atao B: Mangina re ty vava akombony Ny toetra tsaranao koa tazomy Dia aza be sermona razoky F'izahay tena mirevy fesiboky A: Ka nareo anie toy ny adaladala Isan'andro eo foana fa tsy … Continuer à lire Fesiboky fesiboky
Olom-boafidy sa olom-boavidy ?
Io indray ireo depiote fa miteniteny foana Taitra tampoka eo tsy hay mihitsy hoe nahoana Tonga ny andro fivoriana eny an-dapa Tsimbazaza Dia indreo midongy 4x4 toa manao fisainan-jaza Io foana hatrany hatrany no ataony fidongiana Fa tsy ny hahasoa vahoaka no lazaina sy irina Fiara tsy mataho-dalana no ataony drindrangilo Rahoviana re nareo vao … Continuer à lire Olom-boafidy sa olom-boavidy ?






