Etsy matoria

Etsy matoria

Etsy anie ianao, izany malalako izany Fafao ny ranomaso, aza mitomany Ny olona avelao, hamoaka ny ao am-pony F'isika aleo hangina, tsy hiloa-bava intsony Ny eritrerintsika, madio tsy misy pentina Ny tokantranontsika, salama tsisy aretina Ny vinavinantsika, mazava toa masoandro Ny asa ataontsika dia marina isan’andro Koa aleo izy hiteny, handrabiraby antsika Ny antsika ny … Continuer à lire Etsy matoria →

Fiainana mampirediredy

Fiainana mampirediredy

Tsy hita izay ambara, fa toa maramara tsy mety miafara izato anjomaran' ny fifankahalàna sy ny hadalana ateraky ny fahantrana. Ka na ireo heverina ho manam-pahalalana aza toa mivarilavo tsy misy hatsarana, fa dia manao tsindrio fa lavo sy manamavomavo ireo izay efa lavo anaty fotaka mandrevo. Dia indreo fa manandevo sy toa revorevo amin'ny … Continuer à lire Fiainana mampirediredy →

Inona no vokatry ny tolona?

Inona no vokatry ny tolona?

Akory ny vokatry ny tolona? Matimaty foana hoy aho ny olona Miala zao dia zao Ilay fahavalo Avy eo nanjaka ny malaso sy dahalo Dia Inona no vokatry ny tolona? Naradratra foana hoy aho ny olona Iny lalan'iny lalan-tsarotra Ny firenena avy eo lasa entam-barotra Moa fantatrao ny vokatry ny tolona? Vao mainka nihanahantra re … Continuer à lire Inona no vokatry ny tolona? →

Ingahy minisitra

Ingahy minisitra

Izy ilay tary, tsotsotra sy mahia Niova ho be kibo sy bolangina ery Ilay fiara novidiany, folo taona izay Nosoloiny vaovao, notsiriritiny hatrizay Ny kaonty amin'ny banky, tsy nisy ny Tahiry Lasa volabe sy devizy makadiry Nandeha koa ranamama nitetitety tany Hatrizay ny vakansy dia Foulpointe ihany Raha sendra lasa lavitra dia tany Majunga Izao … Continuer à lire Ingahy minisitra →

Mpivavaka miavaka

Mpivavaka miavaka

Isika malagasy dia vahoaka miavaka Ory hava-manana nefa tia mivavaka Feno ny fiangonana  isak'alahady Fa bobaka ihany koa ireo mpisara-bady Indreo mitanjozotra, hivavaka am-piangonana Nefa ny ao am-pony, matetika fialonana Ry Jesosy Tompo ô vonjeo ny Taninay Nefa ao an-kelika ihany ny kibay Mba tahionao hono ireo olona mitondra Nefa antsoiny foana hoe : vendrana … Continuer à lire Mpivavaka miavaka →

Ronono an-tavy

Ronono an-tavy

Teo eo ianareo tsy hita izay napoaka Toa variana nampijaly ny vahoaka Tsy eo indray vao misoratena ho anjely Nefa dia fangoloka tsy hita velively Naondrana daholo, ireo harena sarobidy Na volamena, na safira, hazo sy ny biby Eny hatramin’ny zaza amam-behivavy Nigalabona mihitsy ianareo mianakavy Ankehitriny, indreo fa very seza Na dia nihevitra hijanona … Continuer à lire Ronono an-tavy →

Mba ho maty hamela mamy

Mba ho maty hamela mamy

N’inona n’inona mitranga amin’ny fiainana eto an-tany Mila miezaka mitraka, tsy ho lany andro mitomany Hijoro foana tsy hikoro, hiasa mafy, hatanjan-tsaina Tsy handrara-kilo mby an-doha, mandra-pialam-pofonaina Ny fahoriana sy adin-tsaina, lalana tsy maintsy diavina Ny halemena, fahotana, tena misy, tsy azo lavina Ireo no iainana isan’andro, nefa tokony tsy handavo Fa raha potraka androany, … Continuer à lire Mba ho maty hamela mamy →

Tsiaro an’i Papa

Tsiaro an’i Papa

He satry hiaraka eny foana, hiara-monina eto an-tany Ny fandaharan’Andriamanitra anefa, dia tsy mba toy izany Fa na kely na lehibe, lasa foana rehefa antsoiny Na matanjaka na osa, tsy maintsy hitsahatra ny fony Anjaranao tokoa no lasa ry Papanay, ry Dadabe Ilay andry niankinana, ilay tabia sy rehareha Loharano nipoirana, lohan’ny fianakaviana No indro … Continuer à lire Tsiaro an’i Papa →

Hafatra

Hafatra

N'inona n'inona mitranga N'inona n'inona hanjo Ny lanitra tsy maintsy ho manga Fa toneo aloha ny fo Tsy hanaiky ho resy an'ady Ka hametraka fiadiana Milofosa hatrany hitady Ilay fiainam-pifaliana Aza mandrarak'ilo mby an-doha Ka hilavo lefona avy hatrany Misikina herim-po Aleo mitraka foana ihany Fa ny fiainana mandalo Tsy hanindroa na hanintelo Tiavo hatramin'ny … Continuer à lire Hafatra →

Mahantra hono hoe mahantra

Mahantra hono hoe mahantra

Mahantra hono ianao ry Taniko Izany foana no ambarany Inona no teniny amiko? Handeha hono izy tsisy farany Mahantra ianao ry Tanindrazako Izany no famerimberiny Moa henoiny izay filazako? F'efa any Andafy ny eritreriny Mahantra hono ianao ry Dago Tsy misy antenaina intsony Izaho mihintsy ve no bado? Fa ny taniny aza afoiny Mahantra hono … Continuer à lire Mahantra hono hoe mahantra →