Voromby manidina

 

Mahay ny olombelona
fa hainy ny mamelona
sy mampiakatra an-danitra
ity voromby maranitra.
Manavatsava zavona
dia lasana nanjavona.
Ny rahona aza ambany
ka takona ilay tany.
Dia lasa teo ny saiko
vitantsika ny mibaiko
nanova sy namorona
ity Vy ho lasa Vorona.
Manidina any ambony
tsy tazana intsony
ka moa tsy poa toy izay
tsy misy ora iray
dia miova faritany
tonga any lavitra any.
Hatrany ampita koa
tongany avokoa.
Izao tontolo izao
afak’itondrany anao.

Rasamy

Une réflexion au sujet de « Voromby manidina »

Laisser un commentaire