Tia mifety 

Tia mifety 

Ny malagasy dia vahoaka tia mifalifalyNa eo ny fahantrana efa tena mampijaly Dia miravo sy mandihy ary mihira soamantsara Izay no mampiavaka an'i Madagasikara  Na tapaka ny jiro, na tsisy koa ny ranoTonga aloha ny fety dia mifaly ny isan-tranoMivelatra ny tsaky, miakatra ny toaka Tia mirevirevy mihitsy ilay vahoaka Fetsy noho izany 'reo mpitondra fanjakanaManko hainy … Continuer à lire Tia mifety 

Mpila vaniny

Mpila vaniny

Misy karazan'olona milamila vaninyIzay atao rehetra toa tsisy mety aminyNa inona na inona zavatra mitrangadia ny miiba ihany no tiany harangaranga Talenta tena hainy ilay mitsaratsara Toetrany hatrizay ilay manitatra tantara Izay tena zava-misy tsy tiany ho fantarinaNy any an-dohany ihany no ataony zava-marina  Dia iny mitsatsaingoka etsy sy eroa 'Ty zava-drehetra ity toa hainy avokoaAndroany izy mpitsara, rahampitso … Continuer à lire Mpila vaniny

Dada tia anao

Dada tia anao

Anaka, fantatrao tsarafa sarotra ny fiainana eto MadagasikaraToa tsy hita izay mangirana Mitombo hatrany ny isan'ny olona sahirana Kanefa  angamba anaka, tsapanao ihanyfa na eo aza izany ady sarotra izanydia miezaka  i Dada, mikiry tsy ankijanonahahatonga anao ho lasa olom-banona. Ny tena ato am-poko sy raikitra an-tsaikodia antom-pivelomako ianao ry sombinaiko.Na inona na inona mafy ho zakaikosy olana … Continuer à lire Dada tia anao

Dimapolo taona

Dimapolo taona

Mandeha tokoa ny fotoanafa vetivety foanadia feno dimapolo taona Toa tadidiko etoana,tsy adino fa tsaroanairony androm-pahazazanasy ny fahatanoranaRaikitra ho fahatsiarovana ny fiainana izay nandalovana,ny sarotra izay nodiavina,sy olona izay notiavina,ny ezaka izay nahatafita.Misy koa izay tsy vitakanefa tsisy hanenenana,fa ny andro sisa dia hanarenana izay mbola azo hatsaraina,satria dia mbola velon'aina Hiaraha-mahalala firifiry ireo  nikasa sy naniryho feno dimapolo  … Continuer à lire Dimapolo taona

Azy ny finoany

Azy ny finoany

Misy ny mivavaka amin'ny zavamananainaNy hazo sy ny biby no tiany hamasininaIreny no heveriny ho manavotra ny ainaIzay no finoany, tsy ataoko tsinontsinona  Misy ny mivavaka amin'ny razambenyTiany sy hajainy, ary koa henoiny Manana ny fomba amam-panaony irenyIzay no mahasambatra ny sainy sy ny fony Misy ny mivavaka amin'ny sarisary vonganaAo koa ny mino Zanahary an-danitra … Continuer à lire Azy ny finoany

Tsisy lafatra 

Tsisy lafatra 

Tsy misy olombelona ka hoe tonga lafatraTsisy ho kianina fa feno fahendrena Koa asakasakao mitompo teny fatratraManenjika isan'andro izay misy fahalemena  N'iza n'iza mantsy  ka mbola eto an-tanyTsy maintsy misy lesoka sy kilema koaMety mba solafaka sy diso  izy androany Fa rahampitso hiarina sy hiova fo Koa aza tia mitsara ny fiainan'olon-kafaNy fiainanao no ataovy milamina sy … Continuer à lire Tsisy lafatra 

Tsy farahidiny aho

Tsy farahidiny aho

Iza moa aho no tsy mba hanan'olanaMaro sakantsakana ny lalana diavikoMisy foana sarotra lalovana isam-bolanaFa ny hilavo levona kosa tena laviko Toy ny olo-maro koa dia manana ahiahy sy tahotra matetika miverina ao anatyManko ny ampitso toa zary mampanahyHanahoana ny hoavy, mandra-pahafaty Kanefa raha mandinika ny manodidina ahodia tokony hahatsiaro ho menatra ihany satria dia misy olona mijaly … Continuer à lire Tsy farahidiny aho

Asio fotoana

Asio fotoana

Asio fotoana mba hanginana,dia misy koa mba hitenenanaAleo miaina am-pilaminana,mba tsy hisiam-panenenana Asio fotoana tena hiasànadia asiana koa hakàna aina,Aleo atao izay hahasalama, sy mampifalifaly saina Asio fotoana  koa iarahanahanehoana fiombonana,amin'ny havana sy namana, indrindra moa ny ankohonana  Ny ratsy mbola hisy foana, ny fahasahiranana tsy ho tapitra,f'asio hatrany koa fotoana mahasoa sy mahafinaritra Rasamy

Maizina

Maizina

Hanao ahoana ihanyny mety ho fiafaran'ity fiainan'ny vahoakaSatria aleo dia tsorina fa tsy tafavoakaKrizy mihalalina no iainana etoanaTena mbola lavitra izany fandrosoanaMainka mihamilentika izato fahantrana Maizina ny hoavy tsisy taram-pahazavana Ny vidim-piainana io tsy takona afeninaNa ny mpanohana aza zary toa maneninaNanantena mafy tamin'ny resa-beliranoKinanjo mihasahirana ny isan-tokantranoMiakatra ny menaka, lafo koa ny varyNy vidim-panafody mainka … Continuer à lire Maizina

Tsara ny manampy

Tsara ny manampy

Misy olona any ho any tena kivy savolainaNa ny endrika aza lasa antitra sy  mainaRakofan'ny ahiahy sy vesaran'adin-tsaina Miandry manantena hoe hisava ny maraina  Izany ny eto an-tany fa tsarovy sombinaina Misy olona mijaly, kivy sy miferinaina Raha tsy toy izany ianao fa mba misy izay ilaina Tsara foana ny manampy ireo izay kely vovok'aina Rasamy