Rediredin-dRasamy an-tsehatra tao La Réunion

Rediredin-dRasamy an-tsehatra tao La Réunion

Tao anatin'ny dia nataoko tao La Réunion nandritra ny volana febroary 2020 teo dia nisy ny fihaonana manokana tamin'ireo malagasy monina ao St Dénis. Fihaonana ara-koltoraly izy ity izay natao indrindra mba hampisehoana amin'izy ireo ny boky izay novokariko. Dia tsy inona akory izany fa ilay boky mirakitra ny tononkaloko mitondra ny lohateny hoe "Hafatra", … Continuer à lire Rediredin-dRasamy an-tsehatra tao La Réunion →

Hay mpifankatia

Hay mpifankatia

Tao an-dakilasy no niseho ny tantara Ramose variana ka tsy nahalala tsara Fa ireto tovovavy sy ireto tovolahy  Hay mpifankatia fa tsy akory mpianadahy  Bonaika be zareo rehefa ao am-pianarana Tsisy ny fihetsika mba nahafantarana Fa ranona sy ranona anie ka ohatr’izao Taraiky Ramose fa tsy naharaka vaovao Mody menamenatra tsy tia misehoseho Kanjo hitan-dRamose … Continuer à lire Hay mpifankatia →

Mpanabe sahirana

Mpanabe sahirana

Mampalahelo loatra izato zava-misy Mahalasa saina mihitsy re indrisy F'ireto mpanabe mampianatra ny ankizy No toa mihafihafy, sahirana izay tsy izy Toa zary ambaniana sy atao tsinontsinona Inona no antony? Nahoana? Fa maninona? Karama efa kely no mba raisiny isam-bolana Ny fitaovana ampiasainy mbola tena olana Ny mpitondra mihitsy no toa lohalaharana Tsy manisy lanjany … Continuer à lire Mpanabe sahirana →

Hafatry ny Reny Mpiahy

Hafatry ny Reny Mpiahy

Izaho Reny mpiahy dia manolotra ny fiarahabana Ho anareo r'Ilaimaharitra, izay nanovo fahalalàna Niezaka mba ho tafita ka dia tojo hatramin'ny farany Noraisin-tanana androany fa nahavita ny fianarany Izao no hafatro ry zandriko izay nahazo diplaoma Ny anaran'ny sekolintsika hololoavina eny foana Ka aza atao tsinontsinona n'aiza n'aiza misy anao Fa asondroty lalandava n'inona n'inona … Continuer à lire Hafatry ny Reny Mpiahy →

Fampisehoana, lanitra mangamanga

Fampisehoana, lanitra mangamanga

Fampisehoana miavaka sy nahafinaritra no niseho tao amin'ny PLAZA Ampefiloha tamin'ny zoma 13 desambre 2019 lasa teo. Nanomboka tamin'ny valo ora alina mahery kely ny fampisehoana ary tsy nifarana raha tsy efa nipaika ny misasakalina. Ny FISA na Fianakaviana Sambatra moa no nikarakara ity fampisehoana ity. Nanafana izany fampisehoana izany izy dimy mirahalahy : Rija … Continuer à lire Fampisehoana, lanitra mangamanga →

Vahoaka efa leo

Vahoaka efa leo

Tsy te hifidy intsony ny vahoaka maro an'isa fa dia mitazatazana sy mijery sisa. Mantsy leo sy tofoka fa tsy afaka mikofoka noho ny fangalarana sy ny fikafika fanaon'ireo milaza ho mpanao politika. Zary fitaka sy lainga ny zavatra ambarany Kobaka am-bava sy abobo tsisy farany Mahay mampanantena sy mandangolango Nefa vonona hangalatra hanao rapadango … Continuer à lire Vahoaka efa leo →

Velirano adaladalako

Velirano adaladalako

Hilatsaka ho fidiana aho ry vahoaka malagasy Ka velirano folo no ataoko an-taratasy Ny fitiavana manosika ny foko sy ny saiko Tsy maintsy tanterahiko foana izay lazaiko Inona hoy ianao ny velirano voalohany ? Ho rambony isika fa tsy natao ho lohany Arosoko indray ny velirano faharoa Ny akamako no tena hahazo tombontsoa Dia tohizantsika … Continuer à lire Velirano adaladalako →

Ireny olona ireny

Ireny olona ireny

Taon-dasa tsy tsaroana tokoa re ny fahiny Fony izy nihirahira an'iny lalana iny Tsisy tsy nokianina sy nodradradradraina Izay zavatra tsy nety sy nampitaintaina Na jiro maty lava sy rano tsy mandeha Na ny toetran'ny mpitondra feno rehareha Na tamin'ny fesiboky na tamin'ny onjam-peo Kiana tsisy farany toa zary nankaleo Niova izao ny tantana dia … Continuer à lire Ireny olona ireny →

Gasy tia milahatra

Gasy tia milahatra

Isika malagasy dia efa tena maritiora Aiza ve ka dia milahatra mandoa fakitiora N'aiza n'aiza dia milahatra fa tsisy afa-miala Na biraom-panjakana na banky hakana drala Vao tonga ny maraina hamonjy ny fianarana Ny bus aloha voalohany tsy maintsy ilaharana Mainka koa io loza rehefa himpody an-trano Avy eo mbola ilaharana ny fatsakana rano Efa … Continuer à lire Gasy tia milahatra →

Tsy ampy lahy?

Tsy ampy lahy?

Misy vehivavy dia marikivy lava Tsisy andro iray mba miramiran-tava Kizitizitim-poana sy mora misafoaka Tsy mahatehotia fa zary mampitsoaka Romodromotra eny amin'ny antony tsy hay Na andro mangatsiaka na andro mahamay Vinibinitr'endrika toa tsy afa-tsorisory Toy ny vizan-dava tsy mba mahita tory Moa toetra noforonina va re sa natoraly ? Na aza manam-bola  fa tsy … Continuer à lire Tsy ampy lahy? →